HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA
Tahaka ny lovia Kintsugi
“Ilay fikasihana mahagagan’ilay Mpampianatra, izay naneho ny fitiavany tsy manam-petra sy nampiseho ny heriny manavotra tsy hay refesina, toy ireny nanamboatra ny faritra simba tsirairay tamin’ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko ireny tamin’ny alalan’ny -ditin-kazo volamenan’ny fitiavany- ka izaho no ilay -taozavatra vita amin’ny tanimanga- izay lasa manan-danja lavitra kokoa, ary ny holatra aminy dia avy amin’io ‘traikefa [io] ary ho soa ho [ahy].’”
Nianatra taozavatra kanto japôney iray aho vao tsy ela izay antsoina hoe Kintsugi, izay midika ara-bakiteny hoe “fanarenana amin’ny volamena.” Izy io dia fanarenana taozavatra vaky izay vita amin’ny tanimanga, amin’ny alalan’ny fanamboarana ny faritra simba amin’ny ditin-kazo andrarahana na afangaro amin’ny vovoka volamena. Rehefa vita izany dia lasa misy fitohizana miloko volamena misongadina eo amin’ireo faritra vaky izay namboarina, ka manome endrika miavaka ny zavatra namboarina tsirairay. Io fomba tsy manam-paharoa io dia miditra ao amin’ny fahasimban’ilay vilany fa tsy manafina na manova ny endrik’izany. Eny tokoa, matetika ny Kintsugi dia mahatsara endrika lavitra kokoa ny zavatra izay namboarina raha oharina amin’ny endriny tamin’ny voalohany, ka manome endrika vaovao izany sy mitondra fiainana vaovao ho azy.
Rehefa nisaintsaina an’io aho dia nahatsapa fa izany no nataon’ny Tompo tamiko. Taona maro lasa izay aho dia nahatsapa ny tenako ho toy ilay voasoratra ao amin’ny Salamo 31:12 manao hoe: “vilany ariana”. Rehefa niezaka imbetsaka nanavotra fiarahana izay noheveriko ho tena tsara kanefa raha ny tena marina dia nihitsoka tao amin’ny tsy fifankahazoana sy fahasarotana aho dia simba ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ary ara-panahy. Toa foana tampoka ilay zavatra izay tena nifantohako tamin’ny heriko manontolo. Izaho irery sisa no teo, novesaran’ny fianarako ho mpitsabo, ny fanadinana efa antomotra. Tsy nanana ny saina sy ny tanjaka hanohy hiezaka hanatratra izany tanjona izany aho, izaho izay mpianatra lasa narefo tamin’izany fotoana izany. Ny hany azoko natao dia ny nifikitra tamin’ilay afom-pinoana kely izay nanomboka nirehitra tato anatiko tamin’ny alalan’ny fikatsahana fiadanana tao amin’ny famakiana ireo bokin-tsoratra masina izay vao nomena ahy.
Dia teo no nitranga ilay fikasihana mahagagan’ilay Mpampianatra, izay naneho ny fitiavany tsy manam-petra sy nampiseho ny heriny manavotra tsy hay refesina. Toy ireny nanamboatra ny faritra simba tsirairay tamin’ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko ireny tamin’ny alalan’ny “ditin-kazo volamenan’ny fitiavany” ka izaho no ilay “taozavatra vita amin’ny tanimanga” izay lasa manan-danja lavitra kokoa, ary ny holatra aminy dia avy amin’io “traikefa [io] ary ho soa ho [ahy].”1 Nandritra io dingan’ny fanamboarana io dia niasa tamiko ny Tompo ka nahatonga ahy nahita ny Bokin’i Môrmôna, ary avy eo dia nandalo ilay dingana mangirifiry kanefa mahafinaritry ny fibebahana, ary taty aoriana dia nandray ireo ôrdônansy masin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Mankasitraka ny herin’ny Sorompanavotana
Isaky ny vanim-potoan’ny Paska izaho sy ny fianakaviako dia manana fomba mahazatra, dia ny mijery ireo horonan-tsary vokarin’ny Fiangonana izay maneho ireo andro vitsivitsy farany tamin’ny fanompoan’ny Tompo teto an-tany hatramin’ilay marainan’ny fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra. Isaky ny mijery azy ireo aho dia talanjona amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy Tompo ahy sy ny olombelona rehetra, fa natolony ho amin’ny sitrapon’ny Rainy ny sitrapony, ka lasa ilay nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “zanak’ondry fatao sorona izay natolotra ho sorona ho an’ny fahotana sy ny alahelon’ny tontolo lavo sy ireo olona lavo rehetra ao amin’izany.”2 Nampianatra ny Loholona Holland avy eo hoe: “Ny fankasitrahana an’io fitiavan’ Andriamanitra io ihany no hahatonga ny fijaliantsika kely manokana, ho azo zakaina aloha voalohany indrindra, ary avy eo dia azo takarina, ary farany hitondra fanavotana.”3 Izany fitiavana izany no nihazona ahy hanana faniriana hatrany hanao izay hahafaly ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo, eo am-pijanonako eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana izay hibebahana tsy tapaka sy handrosoana amin’ny famelana ny hafa.
Ny herin’ny fibebahana sy ny famelana
Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa dia namangy ireo Nefita ary nilaza hoe: “Tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo . . .
“Aterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina. Ary na zovy na zovy no mankaty Amiko amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina. . . .
“Koa mibebaha, . . . ary aoka ho voavonjy.”4
Na dia mahery vaika aza izany fampanantenana izany dia, “maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina, . . . saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika.”5
Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy namako ato amin’ny Fiangonana nanatona ahy, amin’ny maha-mpitarika azy ao amin’ny fisoronana ahy, ka nibaboka fahotana goavana iray. Efa naharitra taona maro izany ary nosaronana lainga maro izay nataony tamiko sy mpitarika maro hafa ao amin’ny fisoronana. Nahatsapa fahakiviana be aloha aho tamin’ny voalohany, satria angamba nifantoka loatra tamin’ny fivadiham-pitokisany. Saingy nalefaka ny foko ny alahady manaraka izay. Raha nipetraka teny amin’ny lampihazo aho nandritra ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia voataona hamaky ireo fanoharana telo ao amin’ny Lioka toko faha-15, izay maneho ny fifaliana tsapan’ny Ray any An-danitra ho an’ny fanahy iray izay mibebaka. Nahoana moa aho no ho tezitra na ho kivy amin’ilay namako kanefa azo antoka fa ny Tompo mihitsy no ho faly tahaka ilay ray tamin’ilay zanaka adala? Nampahatsiahivina mangina aho fa “takiana [amiko] ny hamela ny olon-drehetra.”6 Nampietry ahy izany fahatsapana izany ary rehefa nanomboka namela aho dia heniky ny fiadanana sy fankasitrahana tsy hay faritana ny vatako manontolo.
Mandritra ilay dingan’ny fibebahana sy famelana izay sarotra kanefa mahafinaritra dia manoro hevitra antsika ny Loholona Holland hoe: “Aza manary finoana mihitsy an’ny Rain[tsika] any An-danitra, izay tia [antsika] mihoatra lavitra noho izay azon[tsika] takarina. . . . Katsaho amim-pahatokiana ireo fombafomba fitsaohana nosedrain’ny taona izay mitondra ny Fanahin’ny Tompo ho ao amin’ny fiainan[tsika]. . . . Mandraisa ny Fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary mifikira amin’ireo fampanantenan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”7
Fanasana
Aoka aho hanasa ny tsirairay avy amintsika mba hibebaka sy hiova fo ary ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba -hibebaka,- dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiaina aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza.”8
Enga anie isika mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity, rehefa mahatsiaro ny fijalian’ny Tompo tao Getsemane, sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra, mba hanavao ny fanolorantenantsika isan’andro mba hibebaka sy hamela ny hafa. Rehefa ataontsika izany dia hamela ny Tompo hanarina antsika isika, na manao ahoana na manao ahoana mety ho fahasimbantsika, amin’ny alalan’ny simenitra volamenan’ny Tompo, dia ny rany, ka hahatonga antsika ho tahaka ny lovia Kintsugi izay manan-danja lavitra kokoa. Dia ho madio isika avy eo, izay “mahatonga antsika ho fitaovana mahery vaika eo am-pelatanan’ Andriamanitra . . . [sy] hanafy hery antsika eo amin’ny fitondrana fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely.”9
Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra Ifanomezana Rasolondraibe tamin’ny aprily 2019. Ankehitriny izy dia mpitsabo miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ao Madagasikara. Manambady an’i Felambolafotsy Cardiss Keithy Suman Ratsitobaina izy. Manan-janaka telo izy ireo. Ny Loholona sy Rahavavy Rasolondraibe dia mipetraka ao Antananarivo, Madagasikara.