2022
Henoy Izy!
Jolay/Aogositra 2022


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Henoy Izy!

Amintsika, amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia nomena hery handresena an’izao tontolo izao isika noho ny Filazantsara tafaverina amin’ny laoniny izay natombon’ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny famangiana manokana an’ilay zatovolahy Joseph Smith nandritra ny fiandohan’ny lohataona 1820.

Tsy hay atao ny maneho fankasitrahana feno ny tena zava-misy, ny hery, ny fahasoavana, ny hatsaram-po ary ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.

Ilay Drafitry ny Famonjena sy ny Fanavotana ny olombelona izay mitranga dia vokatry ny Drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarana—izay nampahafantariny antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nekentsika tamim-pifaliana.

Ny tanjon’io Drafitra io dia ny hanome antsika tsirairay amin’ny maha-fanahy Zanany antsika, izay nihazona ny toetrantsika voalohany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fomba hahatongavana amin’ny fomba feno kokoa tahaka Azy sy hisitraka fifaliana feno ao anatina toe-piainana feno fifaliana tsy manam-petra sy mandrakizay eo anatrehany.

Amin’ny alalan’ny fampivelarana finoana sy fankatoavana ary amin’ny alalan’ny fandresena izao tontolo izao, dia ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana rehetra azon’ny Raintsika any an-danitra omena antsika ny tsirairay avy amintsika. Izany dia ahafahantsika mahazo ny fanomezam-pahasoavana faratampony dia ny Fiainana Mandrakizay ao amin’ny Fanjakana Selestialy.

Na izany aza anefa dia tsy ho tanteraka ny Drafitry ny Famonjena raha tsy tonga teto an-tany i Jesosy Kristy, ilay Jehovah lehibe, ilay Mesia sy Andriamanitry ny Isiraely, mba hampiseho amintsika ny lalana miverina amin’ Andriamanitra. Izany dia notanterahiny tamin’ny fitondrany teo Aminy ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’ny alalan’ny fandreseny tamim-boninahitra ilay fahavalo farany, dia ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny fomba mahagaga.

Nasehony antsika ny lalana sy ny fomba tokony hiainantsika amin’ny maha-mpianany marina antsika sy maha-Zanany lahy sy vavy antsika. Mihoatra noho izany, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra, tamin’ny farany ary tamin’ny fomba tsy manam-pahataperana Izy dia namaha ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana ara-panahy araka ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana sy ny batisan’ny rano sy ny Fanahy ary noho izany dia nanokatra ny lalana ho antsika mba hidirana indray eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra—izay Olona tsy misy ota sy masina.

Amin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty dia tafaverina amin’ny vatana tsy misy fanaintainana sy fijaliana ary fahafatesana ny olombelona rehetra. Ho an’ireo izay niaina ny fiainana araka an’ Andriamanitra amin’ny finoana, ny fibebahana, ny fankatoavana ary ny fanompoana ny hafa, dia tena ho fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny voninahitra lehibe tokoa ny fitsanganana amin’ny maty.

Toy izao no ambaran’ny Apôstôly Jaona momba izany:

“Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.

“Ary noho izany (. . .) [dia] mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy [ireo] ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia [hitoetra eo anivon’izy ireo].

“Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.

“Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. (Apokalypsy 7:14–17).

Amintsika, amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia nomena hery handresena an’izao tontolo izao isika noho ny Filazantsara tafaverina amin’ny laoniny izay natombon’ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny famangiana manokana an’ilay zatovolahy Joseph Smith nandritra ny fiandohan’ny lohataona 1820. Taorian’izay dia nanaraka ny famerenana amin’ny laoniny ny fahalalana sy ny hery ary ny fahefana rehetra takina amin’ny famonjena sy ny fisandratana amin’ny alalan’ireo tempoly izay naoriny indray eto an-tany.

Amin’izao androntsika izao dia mbola tarihina mpaminany velona iray isika, dia ny Filoha Russell M. Nelson, ireo mpanolotsainy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Izy ireo dia mitarika ny Fiangonana sy ny vahoakany eo ambany fitarihan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ny tena zava-dehibe, nony farany dia miaina ao anatin’ilay vanim-potoana efa naminaniana momba ny fanangonana lehibe an’i Israely isika. Ny vahoakan’ Andriamanitra dia miditra ao amin’ny tempoly masina, izay manerana ny tany ankehitriny, amin’ny maha isam-batan’olona sy fianakaviana. Tena manafaingana tokoa ny asany ny Tompo! Momba izany, ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka mikasika ny “Famerenana amin’ny laoniny mbola mitohy.”1

Omeko eto ambany, feno, ny Fanambarana nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taonan’ny Fanambarana ho an’izao tontolo izao ho fahatsiarovana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mendrika hodinihina sy hifantohana ary hampiharina eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Ho famaranana dia nilaza ny Filoha Nelson fa ny korontana vao haingana nateraky ny horohoron-tany, ny afo, ny tondra-drano ary ny areti-mandringana dia niteraka fiovana izay mahatonga ny fahamarinan’ny filazantsara ho manan-danja kokoa.

“Ny haizina mihamitombo izay miara-dalana amin’ny fahoriana dia vao mainka mampamiratra kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy,” hoy izy. “Eritrereto fotsiny ny zavatra tsara azontsika tsirairay atao mandritra ity fotoana izay iainan’izao tontolo izao fiovana sarotra ity.”2 Nangataka an’ireo mpikambana izy mba handalina ilay fanambarana, “manokana sy miaraka amin’ny fianakavianareo sy namanareo izany. Saintsaino ireo fahamarinana ary eritrereto ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanareo raha toa ka handre, sy hihaino azy ireny ianareo, ary hanaraka ireo didy sy fanekempihavanana izay miaraka amin’izy ireny”3.

Christoffel Golden dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny Martsa 2001. I Diane Norma Hulbert no vadiny ary manan-janaka efatra izy ireo.

FANAMARIHANA

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, Nôv. 2021, 94.

  2. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, Mey 2020, 88.

  3. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” 92.

Hamoaka printy