HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA
Ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny fifadian-kanina
Afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny lalàn’ny fifadian-kanina ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa isika.
Tsaroako matetika ilay tantara ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa Kristy mandroaka fanahy ratsy avy amin’ny ankizy iray. Avy eo rehefa avy nanandrana nanasitrana ilay zaza kanefa tsy nahomby “dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Izahay tsy nahavoaka azy.
“Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana sy [fifadian-kanina] ihany.”1
Tena marina fa ny fitahiana sasany dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny fifadian-kanina ihany.
Fony aho tanora tokan-tena nanadihady momba ny Fiangonana no niainako voalohany ireo fitahiana avy amin’ny olona nifady hanina ho ahy. Tamin’izay fotoana izay dia tena nanohitra mafy ny Fiangonana aho ary niady hevitra be rehefa niresaka tamin’ireo misiônera. Noeritreretiko hoe izany no fomba iray hialako amin’izay mety ho fampianaran-diso. Mazava ho azy fa tsy naman’ny Fiangonana nampisy fanantenana aho ary tsy nivoatra velively. Volana vitsivitsy taty aoriana dia nisy tranga mahagaga nifanesy izay tsy haiko hazavaina niseho teo amin’ny fiainako ary nahatonga ahy hanetry tena sy handray fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ny Fanahy Masina izany. Naheno aho taty aoriana fa ilay mpikambana namako izay nampahafantatra ahy ny misiônera dia nivavaka sy nifady hanina ho ahy.
Taona maro taty aoriana, raha vao voantso ho filohan’ny tsatòka aho, dia natahotra ny amin’izay fomba handraisako fanapahan-kevitra manan-danja momba ny antsoina hoe fepetra famaizana tamin’izany. Nanapa-kevitra aho fa isaky ny hanatanteraka filankevitry ny fitsipi-pifehezana dia hifady hanina. Ary afaka mijoro ho vavolombelona aho fa tonga foana ny fanambarana isaky ny manatanteraka izany izahay ka mijoro ho vavolombalona aminay ny Fanahy ny amin’izay fanapahan-kevitra horaisinay.
Ato amin’ny Fiangonana isika dia didiana mba hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina ary hanolotra fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Nametraka io lalàna io ny Tompo mba “hitahiana ny vahoakany sy hanolorana fomba ahafahan’izy ireo manompo ireo izay sahirana.”2 Isaky ny Sabata voalohan’ny volana isika dia asaina mba tsy hisakafo sy tsy hisotro rano mandritra ny 24 ora ary hanome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana ny eveka izay mampiasa ny vola voangona amin’izany hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana.
Taona vitsy lasa izay dia nanana fahafahana hitsidika reny manetry tena sy ny zanany vavy izay nanana olana ara-bola somary tena sarotra sy nangataka fanampiana tamin’ireo mpitarika tao amin’ny paroasiny aho. Raha niresaka tamin’izy ireo aho dia nahatsapa ho voataona hanasa azy ireo hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina. Nangatahiko izy ireo hiaraka hamaky tamiko ny fomba tokony hifadiana hanina, araka ny voasoratra ao amin’ny Isaia 58. “Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao ianao?”3
Avy eo dia natoroko azy ireo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo: “Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao . . .
“Ary amin’izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho.”4
Raha nijery azy namaky ireo andininy sisa aho dia hitako talanjona tamin’ireo fampanantenana ny masony. Nanontany azy aho avy eo raha toa ka tiany ho azony ireo fitahiana ireo. “Eny,” hoy izy. Nasaiko izy mba hifady hanina ny andro fifadian-kanina ho avy ary nampanantena azy aho fa raha manao izany izy dia hahita ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo izy eo amin’ny fiainany.
Fantatro fa mitazona ny fampanantenany ny Tompo, satria hitako izany teo amin’ny fiainako. Efa nahita fitahiana nomena aho, fijoroana ho vavolombelona nohamafisina, fahasalamana niverina tamin’ny laoniny, fanambarana nambara, ary vavaka novaliana. Ankoatra izany dia maro ireo mpikambana sahirana izay nahatsapa ho maivana noho ny fanohanana avy amin’ny fifanampiana izay tarihin’ny eveka. Azo antoka fa ny lalàn’ny fifadian-kanina dia sady mitahy ny mpanome no mitahy ny mpandray. Enga anie isika rehetra hiaina tsara kokoa io lalàna sarobidy io, sy handray ireo fitahiana mahatalanjona nampanantenain’ny Tompo, ary hanolotra fitahiana ho an’ireo manodidina antsika.
Ifanomezana Rasolondraibe dia voatendry ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019. I Felambolafotsy Cardiss Keithy Suman Ratsitobaina no vadiny. Manan-janaka telo izy ireo. Ny Loholona sy Rahavavy Rasolondraibe dia mipetraka ao Antananarivo, Madagasikara.