2022
Ny fanompoana
Jolay/Aogositra 2022


IREO ZAVATRA MISONGADINA AO AMIN’NY BOKY TOROLALANA

Ny fanompoana

Tombontsoa lehibe ho ahy sy ho anao ny maha rahalahy na rahavavy mpanompo antsika! Ny fizarana 21 ao amin’ny boky torolalana maneran-tany dia manolotra torohevitra nentanim-panahy mba hanampiana antsika hanaraka ny ohatr’i Kristy amin’ny fanompoana.

Ny hoe fanompoana dia midika fa manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika. Nitia, nampianatra, nivavaka, nampionona ary nitahy ireo nanodidina Azy Izy.

Tian’ny Tompo ho voakarakara tahaka izany avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonany.

Ny fanompoana dia manampy antsika amin’ny fitandremana ireo didy ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo namantsika. Fomba iray tena manan-danja ihany koa amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany.

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy antsika hianatra hanompo ny hafa ary manome antsika fitaomam-panahy sy fitarihana ary fanohanana. Isika sy izy ireo dia afaka mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny soratra masina sy ity fizarana (21) ao amin’ny boky torolalana ity, ary ny tranonkala www.ministering.ChurchofJesusChrist.org.

Misolo tena ny Tompo isika. Manampy ireo mpikambana hahatsapa ny fitiavana sy ny fanohanana avy amin’ny eveka sy ny mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejin’ny loholona isika. Miahy ireo mpikambana isika ary miray hina amin’izy ireo. Manampy amin’ny fanatanjahana ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika. Manampy azy ireo hitandrina fanekempihavanana masina sy hamantatra ny zavatra ilain’izy ireo isika, ary manolotra fanampiana sy fampiononana ho azy ireo, sy manampy azy ireo mba ho lasa mizaka tena eo amin’ny ara-panahy sy ny ara-batana. Mampifanaraka ny ezaka ataontsika amin’ny zavatra ilain’ireo rahalahy sy anabavintsika isika.

Nanome iraka manan-danja tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy. Torak’izany koa, nandray iraka manan-danja ny hanompo tahaka ny nataony isika. Enga anie isika hanaraka ny ohatr’i Kristy, ary amin’ny alalan’ny fanaovana izany dia hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy isika sy ireo rahalahintsika sy anabavintsika.

Hamoaka printy