Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aprily: I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy


Aprily

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra Ahy

Hira izay tianao ao amin’ny Chants pour les Enfants

“Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’ i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ ny filazantsara” (Fanekempinoana 1:3).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: I Jesoa Kristy dia voafidy mba ho Mpamonjy antsika.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “I Jesoa Kristy dia natao mba ho Mpamonjy antsika.” Aparitaho manodidina ny efitrano ny litera hoe v, o, a, f, i, d, ary y. Avelao ireo ankizy handamina sy hanambatra ireo litera mba hamenoany ilay fehezanteny. Asaivo vakian’izy ireo ny Mosesy 4:2 mba hanamarinana ny valintenin’izy ireo. Miaraha mamaky ilay fanambarana voasoratra eo amin’ny solaitrabe.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manomana taratasy lavalava anankitelo izay ahitana ny iray amin’ireto fanontaniana ireto izay mahakasika ny “J’habitais dans les cieux”(Liahona, aprily 1999):

  1. Iza no nanolotra drafitra tamin’ny rehetra alohan’ny nahatongavantsika teto an-tany?

  2. Iza no niteny hoe “Ray ô, Anao ny voninahitra mandrakizay”

  3. Inona no resin’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanarahana ny drafitry ny Ray?

Asaivo mihira ny andininy voalohany amin’ilay hira ireo ankizy ary mitsangana rehefa mihira ny valin’ilay fanontaniana voalohany. Avy eo dia ifampidiniho ireo zavatra hafa izay fantatr’izy ireo avy amin’io andininy io. Avereno hiraina io andininy io rehefa avy nifampidinika ianareo. Avy eo dia avereno indray izany asa izany ho an’ireo andininy sy fanontaniana hafa.

Herinandro 2: I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho ahy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Hirao ny “C’est amusant” (CPE, 129), dia asaivo manaraka anao ireo ankizy rehefa manao fihetsika tsotra maromaro ianao, toy ny hoe mitehaka, na mampiakatra ny tanana ho ambonin’ny loha, na manetsiketsika tongotra toy ny mandeha eo am-pitoerana. Asaivo lazain’ireo ankizy hoe inona avy ireo zavatra izay nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny olona iray (ohatra, ny fomba fampirimana fandriana na ny filalaovana kilalao iray). Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho ahy.” Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no hany olona niaina teto an-tany ka nametraka ny ohatra tonga lafatra mba ho arahintsika. Asaivo miara-mamaky ilay fehezanteny ireo ankizy.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Mampisehoa sary maromaro ahitana an’i Jesoa mitia sy manompo ny hafa. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Nitia ny olon-drehetra i Jesoa” ary “Nanompo ny hafa i Jesoa”. Manaova sarina fo iray sy tanana iray eo ambanin’ireo fehezanteny ireo. Lazao ireo ankizy fa tokony hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanompoana ny hafa. Omeo taratasy kely iray ny ankizy tsirairay ary asaivo manao sarina fo iray izy ireo na manao sary ny tanan’izy ireo amin’ny fanarahana ny sisiny. Avy eo dia asao izy ireo hanoratra zavatra iray na hanao sarin-javatra iray izay azon’izy ireo atao mba hanarahana ny ohatr’i Jesoa. Asaivo mizara ny hevitr’izy ireo amin’ny Kilonga ireo ankizy ary mametraka ny taratasin’izy ireo eo akaikin’ireo sarin’i Jesoa. Hirao ny “Jésus-Christ est mon modèle” (CPE, 40–41).

Sary
Solaitrabe misy sary fo sy tanana vita amin’ny tsipika

Herinandro 3: Noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy dia azo vonjena ny olombelona rehetra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Zarazarao ho vondrona ny ankizy ary omeo andian-teny avy ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ny vondrona tsirairay. Asaivo mitsangana araka ny filaharana tokony ho izy ny vondrona tsirairay, dia mamerina ny andian-tenin’izy ireo. Avy eo dia asaivo mitsangana daholo ny Kilonga iray manontolo ary mamerina ilay fanekem-pinoana manontolo.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mijoroa ho vavolombelona fa ny fomba iray hamonjen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika dia noho izy io manavotra antsika amin’ny fahotana. Mampisehoa vera misy rano madio an’ireo ankizy ary hazavao azy ireo fa io dia maneho olona iray izay tsy misy fahotana. Andatsaho fandokoana sakafo kely fotsiny ao amin’ilay rano. Mariho ny fomba hiparitahan’ilay loko manenika ilay rano ary dia tsy madio intsony izany. Hazavao fa rehefa manota isika dia lasa tsy madio, tahaka io rano io. Avy eo dia andraraho eau de Javel kely izany mba hampadio ilay rano indray. Hazavao fa rehefa mibebaka isika dia diovin’ny Sorompanavotana ary dia voavela heloka. Mampisehoa sarin’i Kristy tao Getsemane. Avelao ireo ankizy hizara izay fantatr’izy ireo mikasika io sary io. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika sy ny finiavany hanefa ny saran’ny fahotantsika.

Sary
ranomainty manga miparitaka ao anaty bocal misy rano

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Ampiasao ny sasany amin’ireo fomba fampianarana aseho ato amin’ity boky kely ity mba hampianarana ireo ankizy mikasika ny fibebahana, izay ahitana ny fahatsapana ho diso sy manenina, ny fangatahana famelana, ny fanitsiana izay ratsy natao, ary ny tsy famerenana ilay ratsy intsony (jereo ny Primaire 3,46–49).

Herinandro 4: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, ary hitsangana amin’ny maty koa aho.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mampiasà sary mba hitantarana fohy ny nahafatesan’i Jesoa (jereo ny Matio 27:33–60; Marka 15:22–46; Lioka 23:33–53; Jaona 19:17–42). Asaivo eritreretin’ireo ankizy izay mety ho zavatra tsapan’ny fianakavian’i Jesoa sy ireo namany tamin’Izy maty. Angataho mialoha ny ankizy maromaro (na olon-dehibe) mba ho tonga ao amin’ny Kilonga ka hivonona amin’ny fizarana tantara iray momba ny iray tamin’ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty toa an’i Maria Magdalena (jereo ny Jaona 20:11–18), Petera sy Jaona (jereo ny Jaona 20:2–10), ireo mpianatra (jereo ny Jaona 20:19–22; Lioka 24:33–53), Tomasy (jereo ny Jaona 20:24–29), ary ireo Nefita (jereo ny 3Nefia 11:8–17). Omeo baoritra kely misy anarana izy ireo mba hampahafantarana hoe tantaran’iza no hozarain’izy ireo.

Sary
Ny Fanomboana
Sary
Ny Fandevenana an’i Kristy
Sary
Nahoana Ianao no Mitomany?
Sary
Jereo ny tanako sy ny tongotro
Sary
Nitsidika an’i Amerika Fahiny i Jesoa Kristy

“Matetika dia mora kokoa ny mahatakatra fitsipika iray ao amin’ny filazantsara rehefa aseho ao anatin’ny tantara iray avy ao anaty soratra masina izany” (EPPGA, 55).

Sary
zazalahikely miambozona ny anaran’i Nefia

Nefia

Hamoaka printy