Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Nôvambra: Ny Fanehoana Fanajana dia Fitiavana sy Fanajana an’ Andriamanitra


Nôvambra

Ny Fanehoana Fanajana dia Fitiavana sy Fanajana an’ Andriamanitra

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (Matio 22:37).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Ny fanehoana fanajana dia fitiavana sy fanajana an’ Andriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mampisehoa sarin’ankizy iray mivavaka dia hazavao hoe io ankizy io dia maneho fitiavana an’ Andriamanitra sy fanajana Azy. Lazao ireo ankizy fa ny eritreretinao dia teny anankiroa misy litera sivy sy valo izay midika hoe fitiavana sy fanajana an’ Andriamanitra Manaova tsipika kely sivy sy valo eo amin’ny solaitrabe, iray ho an’ny litera tsirairay ao amin’ny hoe fanehoana fanajana, ary asao ireo ankizy hamantatra ireo litera. Rehefa hitan’izy ireo ireo litera marina dia soraty eo amin’ny toerana sahaza azy izany. Azonao atao ny miantso ankizy efa lehibebe hanampy anao. Ho an’ny ankizy kelikely kokoa, dia asehoy ilay sary ary anontanio azy ireo hoe ahoana no ahafantarany fa maneho fanajana ilay ankizy. Asaivo miara-miteny ireo ankizy manao hoe “Ny Fanehoana fanajana dia fitiavana sy fanajana an’ Andriamanitra.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ny ankizy hanokatra ny soratra masiny dia hamaky ny Jaona 14:15. (Raha efa nanao tsianjery an’io andininy io ireo ankizy tamin’ny taona lasa dia azonao atao ny mangataka azy ireo hamerina izany.) Anontanio ireo ankizy hoe ahoana no fomba hanehoantsika ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy. Hirao ny “Le recueillement, c’est l’amour” (CPE, 12). Asaivo mametraka ny tanany eo amin’ny fony ireo ankizy isaky ny maheno ny teny hoe “fanehoana fanajana” na “maneho fanajana” izy ireo.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Zarao ho vondrona kelikely ireo ankizy, ary avelao izy ireo hifandinika mikasika ireo fomba izay azon’izy ireo atao hanehoana fanajana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao anatin’ny iray amin’ireto toe-javatra ireto: rehefa any am-piangonana, rehefa mivavaka izy ireo, ary rehefa any an-trano na miaraka amin’ny namana. Afaka manao sary ny zavatra azony atao ny ankizy kely. Asaivo mizara ny heviny amin’ireo ankizy ao amin’ny vondrona misy azy ny sasantsasany amin’ireo ankizy. Amporisiho izy ireo hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny fianakaviany any an-trano.

Herinandro 2: Ny fanehoana fanajana mandritra ny fanasan’ny Tompo dia manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

Hamorao ny fahatakarana ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Asao ny eveka na ny filohan’ny sampana miaraka amin’ny mpihazona fisoronana Aharôna vitsivitsy mba hampianatra ireo ankizy mikasika ny fanasan’ny Tompo. Raha mety dia azonao atao ny mangataka azy ireo hitondra ny ankizy any amin’ny efitrano fivavahana ary hampianatra azy ireo hoe maneho inona ny fanasan’ny Tompo sy hampiseho azy ireo ny latabatry ny fanasan’ny Tompo, sy ny toerana fandohalihany rehefa manolotra ny vavaka ary ny lamba fandrakofana ny fanasan’ny Tompo. Asao ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray hafa hanazava izay zavatra ataony rehefa mizara ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro amin’ny mpiangona izy ary ny antony mahatonga izany ho tombontsoa masina manokana. Anontanio ireo ankizy izay ataon’ireo mpihazona fisoronana mba hanehoany fanajana amin’ Andriamanitra rehefa manamasina ny fanasan’ny Tompo izy ireo (mandohalika rehefa mivavaka, mandrakotra ny fanasan’ny Tompo amin’ny lamba fotsy, mitafy akanjo sy manao fihetsika amin’ny fomba maneho fanajana). Asao ireo ankizy hizara izay zavatra azon’izy ireo atao mba hanehoana fanajana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo.

Sary
Kilasin’ny Kilonga mivory eo akaikin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo

Rehefa manasa vahiny nasaina hitondra fitenenana ao amin’ny Kilonga dia ampahatsiahivo izy ireo hanao hafatra tsotra mba ho takatr’ireo ankizy. Ireo vahiny hitondra teny rehetra dia tokony nahazo fankatoavana avy amin’ny episkôpà.

Herinandro 3: Afaka maneho fanajana aho ho an’ireo toerana sy zavatra masina.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Afaka maneho fanajana aho ho an’ireo toerana sy zavatra masina,”, dia asaivo vakin’ny ankizy iray mafy amin’ny Kilonga rehetra izany. Asaivo mikimpy ireo ankizy ary mananga-tanana raha maheno anao mandatsaka vola madinika na bokotra iray amin’ny tany. Lazao ireo ankizy fa toerana masina ny trano fiangonana ary ny fipetrahana mangina sy ny fihainoana tsara dia fomba iray azontsika atao hanehoana fanajana. Asao ireo ankizy hizara zavatra hafa maromaro azon’izy ireo atao ao anatin’ny trano fiangonana mba hanehoana fanajana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manehoa sarin’i Mosesy eo akaikin’ny afo roimemy, ary tantarao ny tantara hita ao amin’ nyEksodosy 3:1–10. Vakio mafy ny andininy faha-5 dia asaivo henoin’ireo ankizy ny antony nangatahin’ny Tompo an’i Mosesy hanala ny kapany. Hazavao fa tsy voatery hoe manala ny kapa raha te-haneho fanajana, fa misy zavatra betsaka azontsika atao mba hanehoana fanajana ho an’ireo toerana sy zavatra masina.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Ampisehoy ny sasantsasany amin’ireto sary ireto: tempoly na trano fiangonana, tokantrano, fianakaviana, olona mivavaka, ankizy iray, boky soratra masina, vondron’ankizy iray, kilasy iray ao amin’ny Kilonga, ary ny fanasan’ny Tompo. Mamelara lamba lehibe iray eo anoloan’ireo sary dia esory ny sary anankiray. Esory ilay lamba dia asaivo lazain’ireo ankizy hoe iza tamin’ireo sary no tsy eo. Asehoy ilay sary tsy teo dia asao ireo ankizy hizara fomba iray izay azon’izy ireo atao hanehoana fanajana ho an’ilay toerana na zavatra izay hita eo amin’io sary io. Avereno koa izany ho an’ireo sary hafa.

Sary
mpampianatra sy ankizy mitsangana

Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana? Ny fametrahana io fanontaniana io rehefa manomana asa atao ianao dia hanampy ireo ankizy hianatra amin’ny alalan’ny fandraisan’anjara. Ohatra, ilay asa fahatelo amin’ny herinandro 3 dia ahafahan’ireo ankizy rehetra mandray anjara amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny fijerena sary ary ny fizarana hevitra.

Herinandro 4: Ny fanehoana fanajana an’ Andriamanitra dia manampy ahy hanaja sy hitia ny hafa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hirao ity hira manaraka ity. Aorian’ny hira tsirairay dia mifandiniha mikasika ireo fanontaniana miaraka aminy.

  • “Le recueillement, c’est l’amour” (CPE, 12). Avereno ilay andalana milaza hoe “Quand je suis recueilli, j’agis et parle bien.” Anontanio hoe: Inona avy ireo teny na andian-teny izay maneho fanajana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny hafa? Inona avy ireo zavatra azontsika atao mba hanehoana fanajana ho an’ny hafa?

  • “Manomboka amiko ny Hatsaram-panahy” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 123). Anontanio hoe: Inona avy ireo fomba ahafahantsika maneho hatsaram-panahy amin’ireo namantsika?

  • “Je viens vers toi” (CPE, 78–79). Anontanio hoe: Iza avy ireo olona izay mila ny hatsaram-panahintsika? Inona no azontsika atao mba hanehoana hatsaram-panahy amin’izy ireo?

Hamoaka printy