Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Janoary: Ny Soratra Masina dia Tenin’ Andriamanitra


Janoary

Ny Soratra Masina dia Tenin’ Andriamanitra

Hira: “Raha mihaino amin’ny foko aho”

pejy 28 ao amin’ ity rindran-damina ity)

“Mivokisa amin’ ny tenin’ i Kristy, fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mitondrà karazana boky maro (toy ny boky fianarana mahandro, sy boky tantara ary boky fianarana any an-tsekoly) any amin’ny Kilonga ary asao ny ankizy vitsivitsy mba hampiseho ireo boky ireo sy ny boky soratra masina amin’ireo Kilonga. Asao ireo ankizy hiresaka mikasika ny mampitovy sy ny maha-samy hafa an’ireo boky ireo, ary tafiditra ao anatin’izany ny mpanoratra azy ireo. Mariho fa ny soratra masina dia tsy manam-paharoa satria nosoratan’ireo mpaminanin’ Andriamanitra ary tenin’ Andriamanitra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Lazao ireo ankizy fa misy boky soratra masina efatra ampiasaintsika ato amin’ny Fiangonana: ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Hazavao hoe ireo no antsointsika hoe “soratra masina nankatoavina.” Ampianaro ireo ankizy ny momba ireo boky tsirairay ireo. Ampidiro ny tantara na fampianarana vitsivitsy hita ao amin’ny boky tsirairay. Manaova kilalao fampifandraisana (jereo EPPGA, 169) ny anaran’ireo boky soratra masina nankatoavina sy ny sary maromaro maneho tantara na fampianarana hita ao amin’ny boky tsirairay.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asao ny ankizy maromaro hizara ny soratra masina na ny tantara avy ao amin’ny soratra masina izay tian’izy ireo indrindra. Entano izy ireo hizara izay zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny namakiany ny soratra masina Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny soratra masina.

Herinandro 2: Tokony hivoky amin’ny tenin’i Kristy isika.

Hamorao ny fahatakarana ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Hazavao fa mampiasa matoanteny maneho asa ny Tompo mba hamaritana ny fomba tokony handalinantsika ny soratra masina. Asehoy amin’ny peta-drindrina manerana ny efitrano ireto teny sy andian-teny ireto: mivoky (jereo ny 2 Nefia 32:3); mirakitra ao an-tsaina (jereo ny F&F 84:85); hanadihady amim-pahazotoana (jereo ny Môsià 1:7); mihazona mafy (jereo ny 1 Nefia 15:24). Manomana fomba tsara hampahafantarana sy hanazavana ireto hevitra ireto amin’ny ankizy. Ohatra, azonao atao ny manasa ireo ankizy haneho ny maha samihafa ny hoe mitsaingotsaingoka sy ny hoe mivoky sakafo, ary avy eo mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ifandraisan’izany amin’ny fandalinana ny soratra masina. Azonao atao koa ny manontany ireo ankizy ny antony “hihazonan’izy ireo mafy” ny tanan’ny ray aman-dreniny rehefa eny ampovoan-tsena tomefy olona ary avy eo hazavao ny fomba ahafahan’izy ireo mihazona mafy ny soratra masina sy ny antony maha-tsy misy maha-samy hafa an’izany amin’ny maha zava-dehibe ny fihazonana mafy ny tanan’ny ray aman-dreniny.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Omeo fanamby ireo ankizy sy ireo mpampianatra mba hanana fahazarana handalina soratra masina matetika. Hazavao hoe isan-kerinandro dia hanana fahafahana hanoratra amin’ny taratasy kely iray ny anarany ny ankizy namaky na nihaino ny soratra masina, ka hatambatra ho tonga rojo taratasy ireo taratasy kely ireo. Lazao izy ireo fa rehefa mihalava ilay rojo dia mihalava tahaka izany ihany koa ny fahalalan’izy ireo ny soratra masina. Tehirizo ao anaty boaty iray “firaketana zava-tsarobidy” io rojo io (azo ampiasaina koa io boaty io hampianarana ny dikan’ny hoe “mitahiry” ao amin’ilay asa atao voalaza etsy ambony). Amporisiho ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny tanjon’izy ireo mikasika ny famakiana ny soratra masina.

Sary
rojo vita amin’ny taratasy

Ity rojo ity dia mety ho tonga mpampahatsiahy hita maso ilay fitomboana izay tonga noho ny famakiana ny soratra masina.

Natana

Anna

Jaona

André

Herinandro 3: Hilaza amintsika ny zava-drehetra tokony hataontsika ny tenin’i Kristy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Tampeno ny mason’ny ankizy iray. Asaivo misy ankizy iray hafa mitazona sarin’i Jesoa Kristy ao amin’ny efitranon’ny Kilonga. Asaivo mitady an’ilay sary ilay ankizy voatampina maso ka tsy misy manampy azy. Avereno indray ilay kilalao, fa amin’ity indray mitoraka ity dia asaivo misy ankizy anankiroa mitazona tehina na tady na kofehy iray izay maneho ny anja-by izay mitarika ilay ankizy voatampina maso ho any amin’ilay sarin’i Kristy. Asaivo manaraka ilay tady ilay ankizy mba ho tonga any amin’ilay sary. Anontanio hoe: “Inona no mampitovy ny fitazonana an’ilay tady sy ny famakiana ny soratra masina?” (Jereo ny 1Nefia 15:23–25). “ ” Zarao ireo ohatra vitsivitsy teo amin’ny fiainanao rehefa nampianatra anao ny zavatra tokony hataonao ny soratra masina. Hazavao ny fomba nanampiana anao hanakaiky bebe kokoa ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanarahana ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Sary
Zazalahy mitampi-maso manaraka tady kely iray

Ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia manampy ireo ankizy hahatakatra zavatra amin’ny alalan’ny fomba tsotra sy mahazatra (jereo ny EPPGA, 164).

Herinandro 4: Afaka mahafantatra aho fa marina ny soratra masina.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mitondrà zavatra iray na maro izay azon’ireo ankizy fantarina amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahitana, ny fikasihana, ny fandrenesana feo na fofona na tsiro. Ohatra, afaka mitondra voankazo ianao na voninkazo, na mitendry feon-kira iray. Omeo fahafahana ny ankizy vitsivitsy hahita na hitsapa na handre ny fofona na ny hanandrana ny tsiron’ny zavatra nentinao na handre ny feon’izany. (Ataovy ao anatina vondrona misy ankizy vistivitsy ity asa ity mba hahafahan’ny ankizy rehetra mandray anjara.) Ampahafantaro hoe azontsika atao koa ny mijery sy mikasika sy mihaino ny fofona sy ny feon’ny soratra masina, fa raha te-hahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny soratra masina isika dia mila mandray izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Asaivo mihira ny “Quan je lis l’Écriture sainte” (Chants pour les Enfants, 66) ireo ankizy. Asao izy ireo rehefa mihira mba hihaino ireo zavatra telo izay azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amintsika hoe marina ny soratra masina. Asaivo mamorona fihetsika amin’ny tanana ireo ankizy ho an’ireo teny hoe mandalina, misaintsaina ary mivavaka. Avereno ilay hira, fa soloy an’ireo fihetsika ireo teny ireo.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asehoy ny sarin’i Môrônia dia vakio ny Môrônia 10:4–5. Asao ny ankizy maromaro hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika ny soratra masina. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hamakiana ny soratra masina any an-trano. (Asao alohan’ny fotoana ny ankizy vitsivitsy mba hananan’izy ireo fotoana hiomanana.) Amporisiho ireo ankizy hizara amin’ny ray aman-dreniny any an-trano ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny soratra masina.

Hamoaka printy