Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fandaharam-potoanan’ny Fivorian’ny Fanasan’ny Tompo natokana ho an’ny Ankizy


Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ry Fiadidian’ny Kilonga sy Mpampianatra Hira ao amin’ ny Kilonga,

Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra. Rehefa mamaky ny soratra masina ianao ka mampihatra ireo fitsipika ampianarina ao anatiny sy ao amin’ity rindran-damina ity dia ho voaomana ara-panahy hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga misy anao. Ho azonao atao koa ny mampiasa ny soratra masina hanampiana ireo ankizy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hampianarinao amin’ity taona ity, toy ny drafitry ny Ray any An-danitra, ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy, ny anjara toeran’ireo mpaminany, ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana, ary ireo fitahian’ny tempoly. Ny soratra masina dia hanampy anao hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny Kilonga ary hanorina tontolo izay ahafahan’ireo ankizy mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Izany fitaomana izany dia hanampy ireo ankizy tsirairay ao amin’ny Kilonga hanana fahafahana hanambara hoe “Fantatro fa marina ny soratra masina.”

Misaotra anao noho ny asa fanompoana feno fahatokiana ataonao. Mivavaka ho anao izahay ary matoky ny fahaizanao mitia ireo ankizy sy mampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny Fiadidian’ ny Kilonga Maneran-tany

Torolalana ho an’ ny Fotoana Ifanakalozana

Fampianarana Filazantsara

Ampiasao ity boky kely ity rehefa hiomana hampianatra lesona 15 minitra isan-kerinandro mandritra ny fotoana ifanakalozana ianao. Azonao anampiana ny lesona isan-kerinandro ny fampiasana ireo boky hafa ankatoavin’ny Fiangonana, toy ny L’ Ami na ny Liahona. Ireto torolalana manaraka ireto dia hanampy anao amin’ny fandrafetana sy ny fanolorana ny lesona.

Tiavo Ireo izay Ampianarinao. Asehoy ny fitiavanao ireo ankizy amin’ny alalan’ny famantarana ny anarany sy ny fahatakarana izay zavatra mahaliana azy sy ny talentany ary ny zavatra ilainy.

Ampianaro amin’ny alalan’ny Fanahy ny Fotopampianarana. Rehefa manomana lesona ianao dia mivavaha mba hahazoana fitarihana ary miezaha hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika izay ampianarinao. Hanampy anao hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izany.

Ataovy izay ahafahana mianatra. Ity boky kely ity dia tsy natao mba hahafantaranao fotsiny ihany hoe inona no ampianarina fa mba hahafantaranao koa hoe ahoana no fomba ampianarana sy ahafahana mianatra. Afaka hampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahomby kokoa ianao raha manao ireto zavatra telo manaraka ireto isaky ny lesona:

  1. Ampahafantaro ny fotopampianarana. Ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana izay ho ianaran’ireo ankizy. Eritrereto ny fomba hanaovana izany na amin’ny alalan’ny teny na amin’ny alalan’ny zavatra hita maso. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy dia jereo ireo lesona ho an’ny herinandro voalohan’ny volana martsa sy ny herinandro voalohan’ny volana jolay.)

  2. Hamorao ny fahatakaran-javatra. Ataovy izay hahazoan’ny ankizy fahatakarana lalindalina kokoa ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fomba samihafa enti-mampianatra izay mampanolo-tena azy hianatra, toy ny fihirana hira sy filalaovana tantara ary ny famakiana soratra masina.

  3. Amporisiho ny fanaovana fampiharana. Omeo fahafahana ireo ankizy hampihatra ny fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Eritrereto izay fomba hahafahan’izy ireo maneho ny zavatra tsapany mikasika ilay fotopampianarana na hahafahany mametraka tanjona mifanaraka amin’izany.

Ity boky kely ity dia manome lesona feno ho an’ ireo herinandro sasantsasany ao anatin’ny taona. Ho an’ ireo herinandro hafa dia hevitra vitsivitsy no hita ao fa tsy lesona feno. Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra ireo. Afaka mahazo hevitra hafa ianao amin’ny alalan’ny famakiana ireo lesona hafa ao anatin’ity boky kely ity. Rehefa misy Alahady fahadimy, dia ampiasao izany fotoana izany hamerenana lesona efa natao teo aloha. Afaka mitarika anao ny Fanahy rehefa mamolavola sy manomana asa atao ho an’ ireo lesona ianao.

Miaraha miasa amin’ny mpampianatra hira rehefa manomana lesona ianao. Ny fihirana hira dia hanampy amin’ny fanamafisana ireo fotopampianarana izay ampianarinao. Indraindray dia afaka manasa mpampianatra ianao miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasiny mba hanampy anao amin’ny ampahany sasany amin’ ny fampianarana filazantsara.

Misy lesona sasany izay manoro hevitra ny mba hanasana vahiny handray fitenenana ao amin’ ny Kilonga. Tokony hahazo fankatoavana avy amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana ianao alohan’ny hanasana ireo vahiny ireo handray anjara.

Ahitana fomba enti-mampianatra maro miaraka amin’ireo lesona, izay hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra. Ireo lesona ireo koa dia ahitana sary izay hanampy anao hahita hoe tahaka ny ahoana ilay asa atao. Na dia zava-dehibe aza ny fampivoarana ny fahaizana mampianatra dia ny fiomananao ara-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao no hanasa ny Fanahy hanamafy ireo fotopampianarana ao am-pon’ny ankizy.

Fotoam-pihirana

Ny hira ao amin’ny Kilonga dia tokony hanorina tontolo feno fanajana, sy tokony hampianatra ny filazantsara ary hanampy ireo ankizy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fifaliana izay tonga amin’ny alalan’ny fihirana. Ny 20 minitra ao anatin’ny fotoana ifanakalozana dia tokony hatokana amin’ny fihirana sy ny fampianarana hira. Izany dia hahafahanao hanana fotoana ampy hampianaranao hira vaovao sy hanampiana ireo ankizy hankafỳ mihira.

Ity boky kely ity dia ahitana hira vaovao iray hianaran’ ireo ankizy amin’ ity taona ity (jereo ny pejy 28). Hita ao ihany koa ny fizarana iray izay mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no Fomba Hampiasana ny Hira ao amin’ny Kilonga” (jereo ny pejy 26-27) sy ireo hevitra fanampiny hampianarana hira an’ireo ankizy (jereo ny pejy 7).

Torolalana ho an’ ny Fampisehoana Mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo

Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny sampana dia tanterahina mandritra ny telo volana farany amin’ny taona. Raha vao manomboka kely ny taona dia mifampiresaha amin’ilay mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana izay misahana ny Kilonga mba handinihina mialoha izay drafitra hatao. Rehefa vita ireo drafitra dia mangataha fankatoavana aminy.

Kendreo ny hampisehoan’ireo ankizy ny fandaharam-potoana mifototra amin’ireo lohahevitra isam-bolana amin’ny fotoana ifanakalozana. Mandritra ny taona manontolo dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ny ankizy sy ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana. Rehefa manomana ny fomba hizaran’ireo ankizy izay zavatra nianarany mikasika ny lohahevitra tamin’ity taona ity ianao, dia mieritrereta fomba izay ahafahan’izy ireo manampy ny mpiangona hifantoka amin’ny fotopampianaran’ny filazantsara izay ampianarin’izy ireo. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Ny famerenana dia tsy tokony handanindany foana ny fotoana ianarana na fotoana natokana ho an’ny fianakaviana.

  • Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fampiasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Sary
Ankizy sy mpampianatra ao amin’ny trano fivavahana

Ireo hira ampiasaina mandritra ny fampisehoana dia azon’ny andian’ankizy maro na vitsivitsy hiraina, na ataon’olon-tokana na olon-droa mampiara-peo, na fianakaviana iray na ampiarahana amin’ny mpitendry lokanga. Ataovy izay ahaizan’ireo ankizy tsara ny tonony mba hahafahan’izy ireo mihira avy ao am-po.

Ireo Loharanon-kevitra Ampiasaina ao amin’ity Boky Kely ity

Ireto fanafohezan-teny ireto dia ampiasaina matetika ao amin’ity boky kely ity:

CPEChants pour les Enfants

EPPGAL’Enseignement, Pas De Plus Grand Appel

Maro ireo lesona izay manoro hevitra ny mba hampiasana sary. Afaka mahita sary ianao ao amin’ny Boky Mirakitra Sary momba ny Filazantsara, ny Jeu d’Illustrations de l’Évangile, ny fonosantsary manaraka ny boky fampianarana ao amin’ny Kilonga, sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana ary ao amin’ny internet amin’ny images.lds.org.

Fandaharam-pampianarana ho an’ ny taona 2016

Fandaharam-pampianarana Ankapobeny

Zaza madinika: Voyez vos petits enfants; Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 2; Mahery fo 8-11: Kilonga 4

Fandaharam-pampianarana Fototra

Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 2; Mahery fo 8-11: Kilonga 4

Hamoaka printy