Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Septambra: Hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara


Septambra

Hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara

“Ary izany filazantsara izany dia hotorina amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (F&F 133:37).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Ny soratra masina dia mampianatra fa ny filazantsara dia hotorina manerana izao tontolo izao.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asao ny ankizy iray lehibe kokoa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:37. Lazao ireo ankizy fa ireo misiônera dia mampianatra ny filazantsara any amin’ny faritra maro maneran-tany, amin’ny fiteny maro samihafa. Asaivo miaraka mamerina ilay soratra masina ireo ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manehoa sarintanin’izao tontolo izao amin’ireo ankizy, na manaova sarintany tsotsotra eo amin’ny solaitrabe. Asaivo mizara toerana izay nanompoan’ny olona fantatr’izy ireo nanao asa fitoriana ireo ankizy. Mariho eo amin’ilay sarintany ireo toerana ireo. Asao ireo ankizy hizara izay toerana mba irian’izy ireo hanompoana, ary avelao izy ireo hanisy marika izany toerana izany eo amin’ilay sarintany. Hazavao fa ny antso ho an’ny asa fitoriana dia avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminany ary ireo misiônera dia manompo na aiza na aiza iantsoan’ny Tompo azy ireny. Ampio ireo ankizy hizatra hiteny ny anaran’ny Fiangonana amin’ny fiteny vitsivitsy samihafa. Resaho amin’ireo ankizy ny hoe misy toerana sasantsasany izay mbola tsy azon’ny misiônera ampianarana. Hazavao fa ny Filoha Thomas S. Monson dia nangataka antsika mba “hivavaka ho an’ny fisokafan’ireo toerana ireo mba hahafahantsika mizara amin’ny olona rehetra ny fifaliana avy amin’ny filazantsara” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 2008, 4; na ny Ensign, nôv. 2008, 6).

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asao ireo ankizy hanoratra hafatra fohy ho an’ny misiônera anankiray avy ao amin’ny paroasinareo na ireo misiônera izay manompo eo amin’ny faritra misy anareo. Omeo ny tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy ireo taratasy ireo mba halefany any amin’ireo misiônera.

Sary
ankizy mampiseho sarintany

Amin’ity asa atao ity dia ankizy vitsivitsy ihany no handroso eny anoloana. Mba hanomezana fahafahana ho an’ny ankizy rehetra handray anjara, dia asao izy ireo hibitsibitsika amin’ny ankizy eo akaikiny hoe aiza no mba irian’izy ireo hanompoana.

Sarintany azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 2: Ny asa fitoriana dia mitahy ny rehetra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ny misiônera iray efa tafaverina mba ho ao amin’ny Kilonga ary hitantara amin’ireo ankizy ireo fitahiana sasantsasany izay azony tamin’ny fanaovana asa fitoriana. Manasà olona hafa (olona vao niova fo, ankizy, na fianakaviana) hizara zavatra niainany mikasika ny asa fitoriana na ohatra iray mikasika ny fomba nahazoany fitahiana noho ny asa fitoriana. Asao ireo ankizy hihira ny “Proclamons la vérité” (CPE, 92–93) ho an’ireo vahiny nasaina.

Herinandro 3: Afaka miomana dieny izao aho mba hanao asa fitoriana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mampisehoa sary iray ahitana an’i Amôna ary tantarao amin’ny ankizy fa izy io dia misiônera lehibe izay nampianatra ny filazantsara tamin’ireo Lamanita. Hazavao fa niomana mba ho misiônera izy talohan’ny nandehanany hanao asa fitoriana. Vakio mafy (na mangataha ankizy iray lehibebe hamaky) ny Almà 17:2–3. Asaivo mihaino ireo ankizy hafa ary mananga-tanana rehefa maheno ireo fomba izay niomanan’i Amôna mba ho tonga misiônera. Asaivo misy ankizy iray manoratra ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe. Lazao ireo ankizy hoe afaka manao ireo zavatra ireo koa izy ireo hiomanana mba ho tonga misiônera. Hirao ny “J’espère qu’on m’enverra en mission” (CPE, 91). Mandritra ny hira, dia asao ireo ankizy hanao fihetsika tsotsotra izay mety ataon’ireo misiônera toy ny mandondom-baravarana, na mamaky soratra masina, na mitaingina bisikileta.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Lazao ireo ankizy fa misy zavatra izay azon’izy ireo atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana ny ho tonga misiônera, toy ny mandalina soratra masina, mikatsaka fijoroana ho vavolombelona, mitandrina ny didy, mandoa fahafolonkarena, ary manangom-bola. Omeo taratasy fandoavana fahafolonkarena ny ankizy tsirairay ary asehoy azy ny fomba fameno izany. Ampio ireo ankizy hanomana toerana manokana hitahirizan’izy ireo ny volan’ny fahafolonkarenan’izy ireo sy ny vola izay angonin’izy ireo ho an’ny fanaovany asa fitoriana. Azo atao boaty izany, na kapoaka, na valopy misy toerana samihafa ho an’ny fahafolokarena sy tahiry.

Sary
zazalahy manoratra eny eo amin’ny solaitrabe

Ny fanasana ankizy iray hanoratra eny amin’ny solaitrabe dia hahatonga azy hahatsapa fa omena lanja. Izany koa dia hanampy eo amin’ny fitazonana ny fahalianan’ny ankizy hafa.

Herinandro 4: Afaka ho lasa mpitory ny filazantsara aho amin’izao fotoana izao.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: “Afaka ho lasa mpitory ny filazantsara aho amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny .” Asao ireo ankizy hieritreritra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba ho tonga misiônera ankehitriny. Asaivo mizara ny heviny amin’ny ankizy iray mipetraka eo akaikiny izy ireo. Manasà ankizy maromaro hanoratra ny valinteniny eo amin’ny solaitrabe.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ny ankizy iray efa lehibebe hizara ny tantaran’ny Fahitana Voalohany, ary manasà ankizy iray hafa hizara ny fahatsapany mikasika ny Bokin’i Môrmôna. (Angataho mialoha izy ireo hanao izany mba hananany fotoana lava hiomanana.) Amporisiho ireo ankizy rehetra hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny tantaran’ny Fahitana Voalohany na ny fahatsapan’izy ireo mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asaivo mieritreritra fihetsika iray ireo ankizy izay mampiseho hoe ahoana no ahafahantsika ho tonga misiônera sy hiaina ny filazantsara amin’izao fotoana izao. Mifidiana ankizy iray handroso eny anoloana mba hizara ny fihetsika hitany amin’ny ankizy hafa rehetra ao amin’ny Kilonga. Asaivo manao ireo fihetsika ireo ankizy rehefa mihira ny “C’est amusant” (CPE, 129). Avereno atao amin’ny ankizy hafa izany arakaraka ny fahampian’ny fotoana eo.

Hamoaka printy