Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Febroary: Ny Soratra Masina dia Mampianatra mikasika ny Drafitry ny Ray any An-danitra


Febroary

Ny Soratra Masina dia Mampianatra mikasika ny Drafitry ny Ray any An-danitra

Hira: “Je veux suivre le plan de Dieu”

(CPE,86–87)

“Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Manana drafitra ho ahy ny Ray any an-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampisehoy sarina trano iray ireo ankizy. Hazavao hoe mila manana drafitry ny mari-trano ireo manorina trano vao afaka manamboatra trano. Anontanio hoe “Nahoana no zava-dehibe ny manao drafitra sy ny manaraka izany?” Raiso ary asehoy ny boky soratra masina ary ambarao amin’ireo ankizy fa afaka mahita ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika isika ao amin’ny soratra masina. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Manana drafitra ho ahy ny Ray any An-danitra.” Iaraho mamaky ilay fehezanteny.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

  • Iza moa aho?

  • Avy aiza no niaviako?

  • Nahoana aho no eto?

  • Inona no hitranga amiko aorian’ny fahafatesako?

Omeo taratasy kely ahitana ny iray amin’ireto soratra manaraka ireto ny ankizy tsirairay: iza, aiza, nahoana na inona. Miaraha mamaky ilay fanontaniana voalohany hita eny amin’ny solaitrabe, ary asaivo mitsangana ireo ankizy rehetra mitazona ilay soratra hoe iza. Hirao ny “Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 113), avy eo dia anontanio ireo ankizy izay mitsangana hoe ahoana no hamalian’izy ireo ilay fanontaniana. Avereno amin’ny fanontaniana tsirairay izany ary ampiasao ireto hira manaraka ireto: “J’habitais dans les cieux” (Liahona, aprily 1999); nahoana: “Je veux suivre le plan de Dieu” (CPE, 86); inona: “Jésus est-il ressuscité?” (CPE, 45). Mijoroa ho vavolombelona fa ny drafitry ny Ray any An-danitra dia hitondra fahasambarana ho antsika.

Herinandro 2: I Jesoa Kristy dia namorona ny tany ho ahy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Ifampiresaho amin’ireo ankizy ireo zavatra izay ataon’izy ireo ka misy zavatra hatao mifanesy araka ny filaharany izany ho azy ireo, toy ny mamatotra tadin-kiraro na ny miomana hatory ao am-pandriana. Hazavao fa ao amin’ny soratra masina dia mianatra isika fa nahary ny tany i Jesoa araka ny lamina iray. Zarao ho andiany enina ireo ankizy ary omeo andinin-tsoratra masina iray mamaritra ny andro irain’ny Fahariana ny andiany tsirairay (jereo ny Mosesy 2). Asaivo manao sary mikasika ny andro izay anjaran’izy ireo ny andiany tsirairay. Asaivo asehon’izy ireo amin’ireo ankizy hafa ny sary nataony ary asaivo lazain’izy ireo izay zavatra nohariana tamin’io andro io. Asaivo mametraka ireo sary araka ny filaharana tokony ho izy eny amin’ny solaitrabe ireo ankizy.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Anontanio ireo ankizy hoe: “Inona ny zavatra iray noharian’i Jesoa izay manan-danja ho anareo?” Omeo pâte à modeler na pâte à sel kely ny ankizy tsirairay (jereo ny EPPGA, 165, raha mila ny fomba hanamboarana pâte à sel). Asaivo mampiasa ilay pâte à modeler ireo ankizy mba hanamboarana ilay zavaboahary izay manan-danja amin’izy ireo. Raha tsy misy pâte à modeler na pâte à sel, dia afaka manao sarin’izany zavatra izany ireo ankizy ho solony.) Asaivo zarain’ireo ankizy amin’ireo vondron’ankizy misy azy ny zavatra izay namboariny na nataony sary sy ny antony maha-zava-dehibe izany ho azy ireo. Hirao ny “Mon Père Céleste m’aime” (CPE,16–17).

Sary
Sary momba ny fahariana, masoandro, volana, kintana
Sary
Sary momba ny fahariana, tendrombohitra, zavamaniry
Sary
Sary momba ny fahariana, ireo biby

Herinandro 3: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: “Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra.” Ifampiresaho ny hevitr’io fehezanteny io. Fafao ilay fehezanteny. Tonony ny teny roa voalohany, ary asaivo mamerina izany ireo ankizy. Avy eo dia tonony ireo teny efatra voalohany, ary asaivo mamerina izany ireo ankizy. Tohizo izany mandra-pahavitan’ireo ankizy ny mamerina ilay fehezanteny manontolo.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Angataho mialoha ny ankizy maromaro mba hisolo tena fianakaviana ao amin’ny soratra masina. Manomeza famantarana maro mikasika ny fianakaviana tsirairay (ohatra, Adama sy i Eva: “Ny fianakavianay no fianakaviana voalohany teto an-tany”; Abrahama sy i Saraha: “Antitra be izahay vao nahazo zaza iray”; ary i Lehia sy i Saria: “Niampita ny ranomasina izahay mba handehanana tany amin’ny tany nampanantenaina”, dia omeo ny ankizy ireo famantarana ireo. Manomana akanjo fitafy tsotsotra, raha azo atao. Asaivo manatona eny anoloana ireo ankizy izay misolo tena ireo fianakaviana ao amin’ny soratra masina, ka andiany iray isaky ny mandeha. Asaivo mamaky ny teny famantarana azy ireo ireo ankizy any anoloana ary asaivo mamantatra hoe iza ary no asehon’izy ireo ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga. Rehefa fantatra ny fianakaviana tsirairay, dia asehoy amin’ireo ankizy hoe aiza no ahafahan’izy ireo mamantatra momba an’io fianakaviana io ao amin’ny soratra masina. Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nanarahan’ilay fianakaviana ny drafitry ny Ray any An-danitra ho azy ireo.

Sary
Mpitarika ao amin’ny Kilonga miaraka amin’ny ankizy roa manao fitafin’olona ao amin’ny Baiboly

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asaivo mieritreritra momba ireo toetra tsara ananan’ny fianakavian’izy ireo ireo ankizy. Asao izy ireo hifampizara izany toetra tsara izany eo anivon’ny andiany misy azy na ho an’ny Kilonga manontolo.

Herinandro 4: Hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra aho.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mampisehoa tsaramaso na vatokely maromaro sy bocal iray misy taratasy napetaka ahitana sarina tarehy mitsiky. Lazao ireo ankizy fa ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manome antsika fahafahana hisafidy na ny tsara na ny ratsy. Hazavao fa ny safidy tsara dia mitondra mankany amin’ny fahafahana sy ny fahasambarana, raha toa ka mitondra any amin’ny fahababoana sy ny tsy fahasambarana kosa ny safidy ratsy (jereo ny 2Nefia 2:27). Anontanio ireo ankizy hoe “Inona no didy izay tandremanareo rehefa manaraka ny drafitr’Andrimanitra ianareo?” Omeo tsaramaso iray ny ankizy izay mahavaly ilay fanontaniana. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valiny nomen’izy ireo. Asao ny ankizy iray nahazo tsaramaso mba hizara hoe amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fitandremana ilay didy izay nolazainy hitondra mankany amin’ny fahasambarana. Avy eo dia asaivo ataon’ilay ankizy ao anatin’ilay zinga ny tsaramasony. Mijoroa ho vavolombelona fa hofenointsika fifaliana ny fiainantsika raha misafidy ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika.

Sary
faneva

Faneva azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra aho amin’ny :

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Manomàna taratasy iray lehibe manana endrika faneva ho an’ny kilasy tsirairay. Soraty eo amin’ny faneva tsirairay ny hoe “Hanaraka ny drafitr’Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny …” Hazavao fa ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manome antsika fahafahana hisafidy na ny tsara na ny ratsy, ary izay zavatra safidiantsika ho atao isan’andro dia zava-dehibe ho an’ny fahasambarantsika. Avelao ireo ankizy miaraka amin’ny kilasy iray manontolo mba hanao sary na hanoratra eo amin’ny fanevany ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahana ny drafitr’Andriamanitra, ary asaivo soniaviny amin’ny anarany izany. Asaivo mizara izay zavatra nataony sary na nosoratany tamin’ny fanevany ny kilasy tsirairay. Asaivo mandeha manodidina ny efitrano ireo ankizy sady mitazona ny fanevany ary mihira ny “Je serai vaillant” (CPE, 85). Ampirantio ao amin’ny efitranon’ny Kilonga ireo faneva.

Sary
ankizy milahatra

Ampifantohy amin’ny fanaovana hetsika tsara ny hery ananan’ireo ankizy mba hahafahan’izy ireo handray anjara mavitrika hatrany.

Sary
bocal fitaratra misy tsaramaso maina

Sarina endrika mirana azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hamoaka printy