Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Desambra: Ireo Soratra Masina dia Mampianatra Ahy mikasika ny Nahaterahan’ny Mpamonjy sy ny Fiaviany Fanindroany


Desambra

Ireo Soratra Masina dia Mampianatra Ahy mikasika ny Nahaterahan’ny Mpamonjy sy ny Fiaviany Fanindroany

“Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony” (Matio 16:27).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Naminany momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao ho vondrona dimy ireo mpianatra. Omeo iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay sy fitaovana na akanjo fitafy tsotsotra mba hahafahany maneho ilay mpaminany mifanaraka amin’izany: Isaia 7:14; 9:6 (Isaia); 1Nefia 11:14–21 (Nefia); Môsià 3:5, 8 (Benjamina Mpanjaka); Almà 7:9–10 (Almà); Helamàna 14:2–6 (Samoela). Asao ny vondrona tsirairay hamaky sy hifampiresaka mikasika izay nolazain’ilay mpaminany momba ny fahaterahan’i Kristy. Asaivo mampiasa ireo fitaovana na fitafy ny ankizy iray avy ao amin’ilay vondrona mba hanehoana ilay mpaminany ary milaza amin’ireo ankizy hafa hoe mpaminany iza no tiany aseho, ary avy eo mamaky izay nolazain’io mpaminany io mikasika ny nahaterahan’i Jesoa. Hirao ny “Il envoya son Fils aimé” (CPE, 20–21) na ny “Samuel a parlé de l’Enfant Jésus” (L’Ami, décembre 1992, p. A7).

Herinandro 2: Teraka i Jesoa Kristy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hirao ny andininy voalohany amin’ny “C’est l’heureux temps” (CPE, 56). Zarao ho vondrona efatra ireo ankizy ary omeo ny vondrona tsirairay ireo andininy sisa (2–5). Asaivo manao sary mifanaraka amin’ilay andininy nomena azy ireo ireo ankizy. Hirao manontolo ilay hira, ary asaivo asehon’ireo ankizy ny sary nataony rehefa tonga eo amin’ny ampahan’ny hira izay notendrena ho azy ireo.

Sary
Sary maneho ny fahaterahan’i Jesoa
Sary
Sary maneho ny fahaterahan’i Jesoa
Sary
Sary maneho ny fahaterahan’i Jesoa
Sary
Sary maneho ny fahaterahan’i Jesoa

Herinandro 3: Hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy indray andro any.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty amin’ ny taratasy kely lavalava mitokana ireto andian-teny tsirairay manaraka ireto: Fa ho, avy ny, Zanak’olona, amin’ny, voninahitry, ny Rainy. (Taratasy lavalava misy soratra azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org.) Apetaho mikorontana eo amin’ny solaitrabe ireo taratasy lavalava misy soratra dia asao ireo ankizy hanampy anao handahatra azy ireo. (Azonao atao ny manao taratasy maro mitovy amin’ireo taratasy lavalava misy soratra ary mamela ireo ankizy hiara-hiasa handahatra izany ao amin’ny vondrona misy azy ireo.) Rehefa nahavita nandahatra ireo teny araka ny tokony ho izy ireo ankizy dia asaivo hamarinin’izy ireo izany amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 16:27.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Mangataha ankizy efatra mba ho eny anoloana ary hitazona ny sarin’i Samoela ilay Lamanita, ny fahaterahan’i Jesoa, Jesoa mampianatra, ary ny Fiaviana Fanindroany. Miresaha mikasika ny sary tsirairay amin’ireo ankizy. Asaivo mijoro tsy misy filaharany ireo ankizy mitazona ireo sary. Asao ireo Kilonga hilaza amin’ireo ankizy izay toerana tokony hisy azy mba hilahatra araka ny vanimpotoana ireo sary.

Sary
Ankizy ao amin’ny Kilonga mitandahatra

Ny fampiasana sary na fitaovana hafa misarika ny maso dia manampy ireo ankizy hampifandray fitsipika na fotopampianarana iray amin’ny sary iray ao an-tsainy, izay mampitombo ny fahafahan’izy ireo mahatakatra sy mahatadidy izay zavatra nianarany.

Ireo sary hosodoko dia azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Manaova tsipika midina eo afovoan’ny solaitrabe. Soraty ery ambony amin’ny solaitrabe ny hoe “Jesoa Kristy dia hiverina eto an-tany indray andro any.” Soraty eo amin’ny ilan’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Etsy amin’ny ilany iray kosa dia soraty an-kisendrasendra fotsiny ireto toko sy andinin-tsoratra masina ireto.

Asaivo miara-miasa amin’ny mpampianatr’izy ireo ireo ankizy mba hampifandray ireo fanontaniana sy ireo valiny. Iaraho midinika ireo valiny. (Jereo ihany koa ny Ancrés dans la Foi [2004], 178–80.) Anontanio ireo ankizy hoe ahoana no fomba hiomanan’izy ireo amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Herinandro 4: Mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany, dia hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Lazao ireo ankizy fa mampiasa fanoharana i Jesoa matetika, ka mampiasa zavatra sy toe-javatra mahazatra Izy mba hampianarana fahamarinana ara-panahy. Tantarao fohy ny tantaran’ireo virijiny folo (jereo ny Matio 25:1–13; jereo ihany koa ny “La Parabole des Dix Vierges,” Liahona, mar. 2009, 48–49). Hazavao hoe io fanoharana io dia mampitovy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany amin’ny lanonam-panambadiana iray. Asao ny sasantsasany amin’ireo ankizy hamadika ilay tantara ho fihetsika. Anontanio ireo ankizy izay milalao ny anjaran’ireo virijiny hendry hoe ahoana izany hoe mahafantatra fa vonona izy ireo, ary ifampidiniho ny lanjan’izany hoe miomana ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy izany.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Manaova sarina jiro fanala eo amin’ny solaitrabe Mifampiresaha mikasika ny hoe ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny fanaovana ny tsara isan’andro dia mitovy amin’ny hoe manisy solika ao amin’ny fanilontsika. Asaivo milaza karazana fomba ahafahan’izy ireo manaraka an’i Jesoa Kristy ireo ankizy, toy ny hoe manompo ny hafa, mandoa fahafolonkarena ary mivavaka. Hazavao fa ireo dia zavatra tokony hataon’izy ireo samirery. Tsy misy olon-kafa afaka manao an’ireo ho azy ireo. Omeo taratasy vaventy iray izay voahety hanome endrika menaka indray mitete ny ankizy tsirairay. Angataho izy ireo (na ny mpampianany) hanoratra ny hoe “Mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany, dia hanaraka an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny ” eo amin’ny taratasin’izy ireo. Asaivo fenoin’ireo ankizy ny banga na asaivo manao sary iray maneho izay azon’izy ireo atao mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany izy ireo. Amporisiho ireo ankizy hitondra ny taratasin’izy ireo any an-trano ary hizara izay nianaran’izy ireo amin’ny fianakaviany.

Sary
sarina fanala mirehitra amin’ ny solika
Sary
sarina fanala mirehitra amin’ ny solika

Fanala sy solika indray mitete azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany, dia hanaraka an’i Jesoa Kristy aho amin’ny

Hamoaka printy