Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aogositra: Tempolin’ Andriamanitra ny Vatako


Aogositra

Tempolin’ Andriamanitra ny Vatako

Hira: “Je demeure dans un temple”

(CPE, 73)

“Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? … fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany” (1 Korintiana 3:16–17).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Tempoly ny vatako.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Alohan’ny hiantombohan’ny fotoan’ny Kilonga dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Tempolin’ Andriamanitra hianareo” (1 Korintiana 3:16). Ampisehoy sarina tempoly maro ireo ankizy dia anontanio azy ireo izay tena mampiavaka ny tempoly (tranon’ny Tompo izany, madio, voakarakara tsara, ary toerana izay ahafahan’ny Fanahy Masina miditra). Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valiny nomen’izy ireo. Hazavao fa ny vatantsika dia masina, toy ny tempoly, ka mila manaja izany isika sy ny hafa.

Hamorao ny fahatakarana ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Ataovy dika mitovy ilay sary ao amin’ny pejy 47 ao amin’ny bokin’ny Garderie hoe, Voyez vos petits enfants. Hetezo ireo boribory eo amin’ilay sary ary ataovy anaty boaty iray. Angataho ny ankizy iray hisafidy iray amin’ireo boribory. Anontanio ireo ankizy hoe inona amin’ireo sary no mampahatsiahy azy ireo hanaja ny vatany toy ny tempoly. Omeo sary iray ny ankizy tsirairay ary asaivo lokoiny izany. Asao ny ankizy izay efa lehibe kokoa hanoratra zavatra iray eo ambanin’ny boribory tsirairay izay hataon’izy ireo amin’ity herinandro ity mba hanajana ny vatan’izy ireo toy ny tempoly. Asao ireo ankizy hitondra ny sarin’izy ireo mody mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo ny fomba hahafahan’izy ireo manaja ny vatany toy ny tempoly.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asehoy ilay boky kely “Mes principes de l’Évangile” iray. Asaivo mamantatra ireo ankizy hoe iza amin’ireo fitsipiky ny filazantsara no mampianatra azy ireo ny fomba tokony hanajan’izy ireo ny vatany toy ny tempoly. Asao ireo ankizy hitodika any amin’ny olona iray mipetraka eo akaikiny ary hizara aminy fomba iray hanajan’izy ireo ny vatany toy ny tempoly. Avy eo dia angataho izy ireo hieritreritra fomba iray ahafahan’izy ireo mivoatra. Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny rehetra.

Sary
Sary peta-drindrina an’ny Mes Principes de l’Evangile
Sary
Hikarakara tsara ny vatako aho

Hikarakara tsara ny vatako aho

Peta-drindrina sy bokin’ny garderie azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 2: Ny fitafiana maotina dia maneho fanajana ny Ray any An-danitra sy ny tenako.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asaivo mamadika ny bokiny ao amin’ny 1 Korintiana 3:16 ny ankizy dia hiara-hamaky mafy ilay soratra masina. Lazao ireo ankizy fa fomba iray hanajantsika ny vatantsika toy ny tempoly ny fanaovana fitafy maotina. Asehoy ny “Mes Principes de l’Évangile,” dia asaivo vakian’ireo ankizy mafy ilay fitsipika izay milaza hoe , “Je m’habillerai pudiquement afin de respecter mon Père céleste et de me respecter moi-même.” Hanao fitafiana maotina aho mba hanajana ny Raiko any An-danitra sy hanajako ny tenako

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Ifampidiniho ny hevitry ny hoe manao fitafiana maotina (Jereo ny fizarana hoe “Tenue vestimentaire et présentation” Fomba fitafy sy bika aman’endrika ao amin’ny Jeunes, soyez forts). Manomàna peta-drindrina maromaro ahitana ny soratra hoe “Hanao fitafiana maotina aho amin’ny alalan’ny …” voasoratra eo ambony. Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy ary asaivo samy manoratra ny fanolorantenan’izy ireo hanao fitafy maotina ny vondrona tsirairay na manao sary ny tenan’izy ireo manao akanjo fitafy maotina eo amin’ny iray amin’ireo peta-drindrina. Ampirantio eo amin’ny efitranon’ny Kilonga ireo peta-drindrina ireo.

Sary
Sary maneho fahamaotinana
Sary
Sary maneho fahamaotinana
Sary
Sary maneho fahamaotinana

Herinandro 3: Ny fanarahako ny Tenin’ny Fahendrena dia maneho fanajana ho an’ny vatako.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Soraty eo amin’ny tapany ilany amin’ny solaitrabe ny hoe “Didy” sy ity andinin-tsoratra masina manaraka ity: F&F 89:7–9, 12, 14, 16. Soraty eo amin’ny ilany ny hoe “Fampanantenana” sy ity toko sy andininy manaraka ity: F&F 89:18–21. Ampamakio ilay andinin-tsoratra masina voalohany ny antsasak’ireo ankizy ary asaivo mitady ireo didy izay nomen’ny Tompo antsika ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Ampamakio ireo andinin-tsoratra masina ambiny ireo ankizy hafa sisa ary asaivo mitady ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo antsika raha mankatò isika. Resaho ny mikasika izay dikan’ireo didy sy ireo fitahiana ireo.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asao ny ankizy iray hiteny hoe, “Izaho dia hanaraka ny Tenin’ny Fahendrena amin’ny alalan’ny ” ary fenoy ilay banga amin’ny zavatra iray izay hataony mba hiainana ny Tenin’ny Fahendrena. Avy eo dia asao ny ankizy iray hafa hamerina ilay fehezanteny miampy an’izay notenenin’ilay ankizy voalohany ary miampy valinteny iray avy amin’ny tenany manokana. Asaivo misy ankizy fahatelo mamerina ilay fehezanteny miampy ireo zavatra nolazain’ireo ankizy roa voalohany miampy valinteny iray hafa avy eo. Avereno izany arakaraky ny fisian’ny fotoana ka manampy valinteny iray avy ny ankizy tsirairay.

Ny Tenin’ny Fahendrena

Ireo Didy

F&F 89:7–9, 12, 14, 16

Fampanantenana

F&F 89:18–21

Herinandro 4: Ny famakiana, sy ny fijerena ary ny fihainoana zavatra tsara dia mitazona ny saiko ho madio.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampisehoy vera roa ireo ankizy, ny iray misy rano maloto ary ny iray misy rano madio. Anontanio ireo ankizy hoe iza amin’ireo no hosotroin’izy ireo ary nahoana. Lazao ireo ankizy fa ny saintsika dia toy ireo vera ireo, ary tsy tokony asiantsika afa-tsy zavatra madio sy tsara ao anatin’izy ireo. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity dia asao ny ankizy hilaza izany miaraka aminao: “Ny famakiana, sy ny fijerena ary ny fihainoana zavatra tsara dia mitazona ny saiko ho madio.” Ampianaro fihetsika tsotra amin’ny tanana ireo ankizy mba hanampiana azy ireo hahatadidy ilay fehezanteny. Ohatra, ho an’ilay teny hoe famakiana, dia arosoy eny anoloana ny tananao toy ireny hoe mitazona boky ireny ianao; ho an’ny teny hoe fijerena, dia tondroy ny masonao; ho an’ny teny hoe fihainoana, ataovy manao endrika kaopy eo amin’ny sofinao ny tananao; ary ho an’ny teny hoe saina, dia tondroy ny andrinao. Averimbereno im-betsaka ilay fehezanteny, ka soloy fihetsika ireo teny.

Sary
vera roa ireo misy rano madio ny iray ary misy rano maloto ny iray

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Ampisehoy ireo ankizy ny sarin’i Jesoa Kristy miaraka amin’ankizy ary asaivo mijery izany mandritra ny segaondra vitsivitsy izy ireo. Takony avy eo ilay sary dia asaivo milaza aminao izay tadidiny mikasika izany ireo ankizy. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa tadidintsika ireo zavatra izay hitantsika. Hazavao fa rehefa fenointsika zavatra tsara ny saintsika dia mieritreritra zavatra tsara koa isika. Ampisehoy indray ilay sary dia asaivo mihira ny “Je ressens son amour” (CPE, 42–43) ireo ankizy. Asaivo mizara ny fahatsapana nananany vokatr’ilay hira ireo ankizy. Hazavao fa ny fihainoana hira tsara dia manampy antsika hahatsapa ny Fanahy sy hitazona ny saintsika ho madio.

Sary
ankizy mitsangana

Hahomby kokoa ny fianaran’ireo ankizy raha mampiasa karazana fomba fampianarana maro ianao. Ohatra, amin’ny herinandro faha-4 dia mamantatra ilay fotopampianarana ireo ankizy amin’ny alalan’ny fijerena lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ary avy eo dia amporisihana izy ireo hampiasa fihetsika tsotra amin’ny tanana mba hanampiana azy ireo hahatadidy.

Hamoaka printy