Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jolay: Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.


Jolay

Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

Hira: “Oh, j’aime voir le temple”

(CPE, 99)

“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” andiam-pehezanteny faha 3).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nodidian’ Andriamanitra ny Vahoakany hanorina tempoly.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mampisehoa sarina tempoly iray dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “Ny tempoly dia .” Asao ireo ankizy hihira ny andininy voalohany amin’ny “Oh, j’aime voir le temple” (CPE, 99). Lazao izy ireo hampahafantatra anao rehefa mihira ny andian-teny izay mameno ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny famokonana ny tanan’izy ireo. Anontanio izy ireo hoe inona ary ny tempoly (tranon’ Andriamanitra). Ampio ireo ankizy hitady ny hoe “Tempoly, tranon’ny Tompo” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (pejy 233–34). Ampio izy ireo ahita fanambarana izay manazava fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo ara-bakiteny ary Andriamanitra dia nandidy hatrany ny Vahoakany hanorina tempoly.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manomana teny mety hamantarana ireo tempoly naorin’i Mosesy (jereo ny Eksôdôsy 25:1–2, 8–9), i Nefia (jereo ny 2Nefia 5:16), ary i Joseph Smith (jereo ny F&F 124:31) sy ireo mpanaradia azy ireo. Ohatra: “Ny tempolinay dia nantsoina hoe tabernakely, ary nafindrafindranay izany rehefa nifindra monina izahay” (Mosesy) na hoe “Nanorina tempoly iray izahay rehefa avy nandao an’i Jerosalema sy niampita ny ranomasimbe” (Nefia). Mifidiana ankizy telo hisolo tena an’ireo mpaminany ireo, ary asaivo vakian’izy ireo ho an’ny Kilonga ny fehezanteny mety hamantarana azy ireo. Asao ireo ankizy hafa hamantatra hoe maneho an’iza ary ny ankizy tsirairay. Rehefa hitan’izy ireo ny marina dia mampisehoa sarin’io mpaminany io na ny tempoly izay naoriny niaraka tamin’ny vahoakany.

Sary
Tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany
Sary
Ny tabernakelin’i Mosesy tany an-tany foana
Sary
Tempolin’i Nauvoo Illinois

Misy sary azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Mampisehoa sarin’ny tempoly izay akaiky indrindra avy eo amin’ny toerana misy anareo. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana, araka ny eritreritrao no mandidy antsika Andriamanitra hanorina tempoly? Inona no azonao atao mba hiomanana handeha ho any amin’ny tempoly indray andro any?

Herinandro 2: Voatahy ireo fianakaviana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masin’ny tempoly.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Manasà ankizy lehibe kokoa hamaky amin’ny Kilonga ireo fehezanteny roa farany ao amin’ny andiam-pehezanteny faha 3 ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao”. Soraty amin’ ny taratasy lavalava misaratsaraka ireto andinin-tsoratra masina ireto: Ny tempoly dia toerana masina iray izay hamehezana antsika miaraka. Apetraho eo amin’ny solaitrabe izy ireo ka aza atao mifanaraka amin’ny tena filaharany. Asaivo misy ankizy iray mamindra taratasy kely iray ho amin’ny toerana tokony hisy azy. Tohizo izany mandrapahatonga ny teny rehetra ho eo amin’ny toerany avokoa. Hirao ny andininy faharoa amin’ny “Oh, j’aime voir le Temple,” dia asaivo mitady zavatra roa izay ataontsika ao amin’ny tempoly ny antsasak’ireo ankizy (fanekempihavanana sy fampanantenana hankatò) ary ny antsasany hafa kosa asaivo mitady fahamarinana iray izay nianarany (mandrakizay ny fianakaviana). Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny hoe nofehezina niaraka tamin’ny fianakaviany tany amin’ny tempoly izy ireo dia midika hoe afaka miaraka mandrakizay izy ireo.

Sary
Ankizy ao amin’ny Kilonga mitazona taratasy lavalava

Ataovy mazava tsara ilay fotopampianarana ampianarinao. Izany dia manampy ireo ankizy hahatakatra sy hampihatra izany tsaratsara kokoa.

Ny tempoly dia toerana masina iray izay hamehezana antsika miaraka.

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asao ny fianakaviana anankiray na ny ankizy vitsivitsy hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa mankany amin’ny tokontanin’ny tempoly izy ireo na ny fomba nahazoan’izy ireo fitahiana noho ny tempoly sy ireo ôrdônansin’ny famehezana. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ny fianakavian’izy ireo eo ivelan’ny tempoly.

Herinandro 3: Niasa mafy sy nahafoy be ireo mpisava lalana mba hanorenana tempoly.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manangona zavatra tsara ho fantatra mahakasika ny fanorenana ny tempolin’i Kirtland sy ny an’i Salt Lake ary, raha azo atao, ny tempoly akaiky indrindra avy eo amin’ny toerana misy anareo. Jereo ny Primaire 5, lesona 25 sy 44 na ny LDS.org mba hahitana ireo zavatra mahakasika ny Tempolin’i Kirtland sy Salt Lake.) Mangataha olon-dehibe vitsivitsy ho ao amin’ny Kilonga ary hizara momba izany amin’ireo ankizy. Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy ary asaivo mifandimby mihaona amin’ireo olon-dehibe ireo ny vondrona tsirairay. Asao ireo ankizy hihira ny “Oh, j’aime voir le temple” mandritra ny fifindran’izy ireo avy eo amin’ny vahiny nasaina handray fitenenana iray mankany amin’ny iray hafa.

Sary
Mpampianatra maromaro ao amin’ny Kilonga miaraka amin’ireo vondrona ao anaty efitra lehibe

Mety ilainao ny mampifanaraka ireo asa atao amin’ny zavatra ilain’ny Kilonga. Ohatra, raha betsaka ny ankizy ao amin’ny Kilonganao, dia mety hoe ireo vahiny nasaina handray fitenenana no asaina mitety ireo vondron’ankizy tsirairay fa tsy ireo ankizy no asaina mitety ireo nasaina handray fitenenana tsirairay (jereo ny EPPGA, 179).

Herinandro 4: Afaka miomana ny ho mendrika ho any amin’ny tempoly aho.

Hamorao ny fahatakarana ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Ampisehoy ny boky kely “Mes Principes de l’Évangile” ary hazavao fa ny fanarahana ireo fitsipika ireo dia hanampy antsika ho mendrika ny handeha ho any amin’ny tempoly. Zarazarao ho vondrona maromaro ny ankizy. Asaivo misy mpampianatra iray miaraka amin’ny vondrona tsirairay miresaka momba ireo fitsipika izay hanampy ireo ankizy hiomana handeha ho any amin’ny tempoly sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny nahazoany fanampiana tamin’ny fanarahana ireo fitsipika ireo. Asaivo misafidy iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ireo ny vondrona tsirairay ary avy eo manoratra na manao sary mikasika ny fanolorantenan’izy ireo hanaraka io fitsipika io. Asao ny eveka na ny filohan’ny sampana ho ao amin’ny Kilonga ary asaivo mizara aminy ny fanolorantenan’izy ireo ny vondrona tsirairay. Asao ilay eveka na filohan’ny sampana hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny maha zava-dehibe ny tempoly.

Sary
Sary peta-drindrina an’ny Mes Principes de l’Evangile

Hamoaka printy