Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ ny Kilonga


Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ ny Kilonga

Ny tanjon’ny hira ao amin’ny Kilonga dia ny mba hampianarana ireo ankizy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanampiana azy ireo hiaina izany. Ireo hira ao amin’ny Kilonga dia mahatonga ny fianarana ho mahafinaritra kokoa, sy manampy ireo ankizy hianatra sy hahatadidy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ary manasa ny Fanahy Masina.

Ireto manaraka ireto dia hevitra azonao ampiasaina mba hampianarana hira an’ireo ankizy. Ireo ohatra dia hanampy anao amin’ireo hira atolotra ao amin’ity boky ity. Jereo ny fizarana “Ahoana no fomba Ampiasana ny Hira ao amin’ny Kilonga” ao amin’ny boky rindran-damina tamin’ny taona 2015 raha mila hevitra fanampiny.

Misarika ny Fifantohan’ireo Ankizy

Alohan’ny hanombohanao mihira, dia ataovy izay ifantohan’ireo ankizy aminao. Azonao atao ny misarika ny fifantohan’izy ireo amin’ny fampiasana fitaovana misarika ny maso toy ny sary, fitaovana tsotra na ny tenan’izy ireo mihitsy. Azonao atao koa ny manova fotsiny ny feonao. Ireo asa hisarihana ny fifantohana dia tokony ho fohy ary hitarika avy hatrany any amin’ilay hira. Ohatra:

  • Alohan’ny hihirana ny “Oh, j’aime voir le temple” (CPE,99), dia asaivo mananga-tanana ireo ankizy raha efa nahita tempoly. Asao izy ireo hieritreritra ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mahita tempoly mandritra ny fotoana hihiran’izy ireo.

  • Ireo ankizy dia mety ho fitaovana tsara indrindra azonao ampiasaina hisarihana ny maso. Asao izy ireo hampiasa fitaovana tsotra toy ny fehi-tenda na boky soratra masina mba hanehoana ny misiônera rehefa mihira ny “Proclamons la vérité” (CPE, 92–93) izy ireo.

Sary
vehivavy mitarika hira

Ataovy tsotra ireo fitaovana enti-mampianatra misarika ny maso. Izany dia ahafahan’ireo ankizy hifantoka amin’ny hafatry ny hira ary ahafahan’ny Fanahy hijoro ho vavolombelona fa marina ilay zavatra nohirain’izy ireo.

Tariho ny fihainoan’ireo Ankizy

Ny fangatahana ireo ankizy hihaino valim-panontaniana iray dia manampy azy ireo hianatra ny tonony sy ny hafatra ampitain’ilay hira. Azonao angatahana izy ireo hitady ny valin’ireo fanontaniana toy ny hoe “iza?” “inona?” “taiza?” “Oviana?” na “nahoana?” Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo hitady ireo teny manan-danja na ireo teny miady rima na hanisa eo amin’ny rantsantanany hoe impiry izy ireo no mihira ny teny anankiray.

Rehefa mampianatra ny “Si j’écoute avec mon cœur” ianao (pejy 28 amin’ity boky kely ity), dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny iray amin’ireto fanontaniana ireto: “Aiza aho no afaka maheno ny feon’ny Mpamonjy?” ”Iza no mampianatra antsika hiaina amim-pahamarinana?” ”Iza no miteny mora amintsika?” Asao ireo ankizy hitady ny valiny rehefa mihira ary haneho izany aminao (amin’ny alalan’ny famokonana ny tanany na ny fitsanganana, na ny fikasihana ny sofina) rehefa mihira ilay valiny. Asaivo miverimberina miara-mihira aminao ny valiny ireo ankizy. Manorata fanontaniana iray hafa eo amin’ny solaitrabe dia avereno izany.

Sary
vehivavy mitarika hira

Hahatsapa ny fitiavanao ny filazantsara sy ny fientanentananao ireo ankizy raha miara-mihira aminy ianao. Rehefa mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy ianao, dia hanana fahafahana hahatsapa ny Fitiavany azy ireo koa izy ireo.

Ampandraiso Anjara ireo Ankizy

Ampandraiso anjara amin’ny karazana fomba samihafa ireo ankizy rehefa mihira ianareo. Ohatra:

  • Asao ireo ankizy hieritreritra fihetsika tsotra atao amin’ny tanana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny tononkira sy ny hafatra ampitain’ny hira . (Jereo ny “Fanampiana ho an’ny Mpitarika Hira” ao amin’ny pejy 7).

  • Asao ireo ankizy mody hanao hoe misiônera rehefa mihira ny “Proclamons la vérité.” Asaivo manao fandeha miaramila eo am-pitoerana izy ireo na manodidina ny efitrano ary mitazona ny boky soratra masiny rehefa mihira.

  • Alohan’ny hihirana ny “Si j’écoute avec mon cœur,” dia omeo taratasy miendrika fo ireo ankizy tsirairay ary asaivo asiany soratra hoe “écoute” amin’ny lafiny iray ary “entends” ny ao ambadika. Hazavao hoe miverimberina imbetsaka ireo teny ireo ao amin’ilay hira. Asaivo asehon’ireo ankizy ny lafiny mifanaraka amin’izay teny hirain’izy ireo rehefa mihira an’ilay teny.

Sary
sarina fo asiana tahony
Sary
sarina fo asiana tahony

Misy sary fo azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Ecoute

Entends

Mihirà, mihirà, mihirà ihany

Ny ankizy dia mora mahay hira rehefa henon’izy ireo sy averimberin’izy ireo hiraina izany.

Avereno sy hirao amin’ny fomba maro mahafinaritra ireo hira. Ohatra:

  • Asao ireo ankizy hanomboka hianatra ny feon’ny hira iray vaovao amin’ny fihainoana izany na amin’ny fihirahirana mmm any anaty an’izany mandritra ny feon-kira mialohan’ny fotoana.

  • Mba hamerenana ny “Je veux suivre le plan de Dieu” (CPE, 86–87), dia manaova sarina mari-pamantarana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Anoraty teny iray samihafa avy ao amin’ilay hira ny takela-by tsirairay. Asehoy ny takela-by iray dia lazao ireo ankizy hoe rehefa mihira dia aza mihira an’io teny io. Avereno izany ho an’ireo takela-by hafa.

  • Manaova kodiakely vita amin’ny taratasy na baoritra dia soraty eo amin’ny lafiny tsirairay ny fomba fihirana samihafa (ohatra, mitehaka, manao fihetsika, mihira mora, mihira ny lehilahy, mihira ny vehivavy, na hirahiraina hoe mmm any anaty ny feony). Amin’ny kodiakely iray hafa dia soraty ny lohatenin’ny sasany amin’ireo hiran’ny Kilonga izay hianaran’ireo ankizy. Asao ny ankizy iray hanipy ilay kodiakely voalohany mba hahafantaraha hoe amin’ny fomba ahoana no hihirana ilay hira, ary asao ny ankizy iray hafa hanipy ilay kodiakely iray hafa mba hahafantarana izay hira hatao.

Sary
zazavavy kely anankiroa mijoro eo akaikin’ny latabatra

Maodelin’ny kodiakely azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hamoaka printy