Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jona: Ireo Fitsipika sy Ôrdônansy Voalohan’ny Filazantsara dia Ahafahako Miverina Miaina Indray Miaraka amin’ Andriamanitra


Jona

Ireo Fitsipika sy Ôrdônansy Voalohan’ny Filazantsara dia Ahafahako Miverina Miaina Indray Miaraka amin’ Andriamanitra

Hira izay tianao ao amin’ny Chants pour les Enfants

“Mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:4).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Ny Finoana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hitia Azy, sy hahatoky Azy ary hitandrina ny Didiny.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakarana: Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Ny Finoana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hitia Azy, sy hahatoky Azy ary hitandrina ny Didiny”. Ampisehoy voan-javatra ireo ankizy. Anontanio hoe: “Mety ho tonga inona ireto voan-javatra ireto?” “Ahoana no ahafantaranareo fa haniry ireto voan-javatra ireto?” “Inona no tsy maintsy ataontsika mba hampaniry azy ireo?” Hazavao fa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia afaka mitombo, tahaka ny voan-javatra iray, raha kolokolointsika. Mifanakaloza hevitra momba ireo zavatra izay azontsika atao mba hanampiana ny finoantsika hitombo, ary hazavao hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ireo zavatra ireo hitarika antsika hitia sy hahatoky an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny Didiny. Hirao ny “La foi” (CPE, 50–51). Manaova fihetsika tsotra amin’ny tanana hifanaraka amin’ny andininy voalohany.

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Sary hosodoko azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 2: Ny fibebahana dia mitondra famelana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asao ireo ankizy hanokatra ny soratra masin’izy ireo sy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 58:42–43. Asaivo fantarin’izy ireo izay mitranga rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika. (Raha mety dia asao ireo ankizy hanisy marika ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.) Lazao fohifohy amin’ireo ankizy ny mikasika an’i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:1–4), ary asaivo misy ankizy iray mamaky ny Enôsa 1:5–8. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Sorompanavotan’i Kristy dia manome fahafahana antsika mba ho voavela heloka.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hazavao fa ireo olona izay nibebaka tamin’ny fahotany sy voavela heloka dia manana faniriana hanompo an’ Andriamanitra. Zarao ho vondrona telo ireo ankizy ary omeo iray amin’ireto sary sy toko sy andininy ireto ny vondrona tsirairay: Almà manao batisa ao amin’ny ranon’i Môrmôna (Môsià 17:2–4; 18:1–17); Jona (Jona 1–3); ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny sabany (Almà 23:4–18; 24:6–19). Hazavao fa ireo tantara ireo dia miresaka momba ny vahoaka izay nibebaka tamin’ny fahotany ary nanompo ny Tompo. Asaivo mandinika ny soratra masina nomena azy ireo ny vondrona tsirairay ary manomana sy manolotra tantara an-tsehatra iray maneho ny fomba nibebahan’ireo vahoaka ireo ary avy eo ny fomba nanompoany ny Tompo (tamin’ny alalan’ny fampianarana ny filazantsara, ny fanaovana asa fitoriana ary ny fandavana ny hiady).

Herinandro 3: Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asao ny mpianatra iray ho eny aloha ary hampitsotra ny tanany. Avy eo dia samy asio boky iray avy eo amin’ny tanany tsirairay. Vakio ny Môsià 18:7–11. Hazavao fa ny iray amin’ireo fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa dia ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany.” Anontanio ilay ankizy milanja ireo boky raha toa ka miha-reraka ny sandriny. Asaivo misy ankizy roa hafa manampy hanohana ny sandriny. Ifampidiniho ireo karazana enta-mavesatra izay mety zakain’ny ankizy, toy ny hoe voaesoeso, voan’ny aretina, mahatsiaro ho irery, na sahirana eo amin’ny fianarana. Anontanio ireo ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo manaivana ny enta-mavesatry ny tsirairay.

Sary
ankizilahy roa sy ankizivavy iray

Ny fampiasana ankizy ho toy ny fitaovana jeren’ny maso dia hampifantoka ny sain’izy ireo ary hanomana azy ireo mba hianatra. Ohatra, ity asa iray ity dia mampiseho ankizy maromaro izay mampiseho ny fitsipika hoe mifampizara ny enta-mavesatry ny tsirairay.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Lazao ireo ankizy fa ny batisa no vavahady izay mitondra amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:17). Asio sarin’ankizy iray atao batisa eo amin’ny lafiny iray amin’ny efitrano. Asio sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny lafiny ilany ao amin’ny efitrano, ary hazavao hoe amin’ity atrik’asa iray ity io sary io dia maneho ny fiainana mandrakizay. Lazao ireo ankizy hoe mitoetra eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa. Avereno jerena fohifohy ireo fanekempihavanana ireo (mahatsiaro an’i Jesoa Kristy, mitandrina ny didy, ary manampy ny hafa). Omeo taratasy ahitana sarina ampinga FNT (Fidio ny Tsara) ny ankizy tsirairay. Asaivo manoratra didy iray izay hanampy azy ireo hitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa eo amin’ny taratasiny ny ankizy tsirairay (azon’izy ireo atao ny manao sary izay maneho ilay didy izay nofidian’izy ireo). Asao ny ankizy iray hametraka ny taratasiny eo amin’ny tany, eo anelanelan’ireo sary anankiroa. Raha mety dia ampio ireo ankizy hahita ilay didy ao amin’ny soratra masina sy hiaraka hamaky izany. Avereno izany mandra-pahavitan’ireo ankizy lalana iray mampifandray ireo sary.

Sary
sarina sary famantarana ny FNT vita tamin’ny tsipika

Sary famantarana azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 4: Ny Fanahy Masina dia mampahery sy mitarika ahy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy ary samy omeo taratasy iray avy ny vondrona tsirairay izay ahitana ireto soratra masina manaraka ireto:

  • “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno ny fanahinao ” (F&F 11:13)

  • “Raha te hiditra ny lalana [ny batisa] ianareo, ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo” (2Nefia 32:5).

  • “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, … no anareo ny zavatra rehetra; sy anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:26).

  • “Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny fitokianao—eny, hanao araka ny hitsiny, handeha amim-panetren-tena, ; ary izany no Fanahiko” (F&F 11:12).

  • “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Asaivo mitady ireo andinin-tsoratra masina ireo ireo ankizy ary mameno ny banga. Avy eo dia asaivo mifandinika izy ireo hoe inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika. Asao izy ireo hizara zavatra niainan’izy ireo izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Lazao ireo ankizy fa ny Fanahy Masina dia manampy antsika amin’ny fomba maro. Hirao ny “Le Saint-Esprit” (CPE, 56). Asaivo mananga-tanana ireo ankizy rehefa mihira fomba iray hanampian’ny Fanahy Masina azy ireo. Ajanony kely ilay hira dia ifampidiniho ny zavatra izay nianaran’izy ireo mikasika ny Fanahy Masina. Tohizo indray ilay hira sy ny fifampidinihana. Zarao ny fotoana iray izay nampaherezan’ny Fanahy Masina anao sy nitarihany anao.

Taratasy hozaraina hita ao amin’ny sharingtime.lds.org

Hamoaka printy