Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Mey: Tafaverina tamin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


Mey

Tafaverina tamin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Hira: “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” andininy 1 sy 3

(Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 100)

”Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Tafaverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoan’ny Kilonga ny fanekem-pinoana fahenina. Asaivo mikimpy ireo ankizy. Lazao amin’izy ireo fa taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia lasa ratsy fanahy ny vahoaka ary nesorina tsy ho eto an-tany ny Filazantsarany sy ny Fisoronany. Hazavao fa izany dia nantsoina hoe Apôstazia na fihemorana, ary ny vahoaka dia tao anaty haizina ara-panahy —toy ny hoe nikimpy ara-panahy ny masony—mandra-pamerenan’i Jesoa ny Fiangonany tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Mitazona sary iray mahakasika ny Fahitana Voalohany, ary asaivo manokatra ny masony ireo ankizy. Ampio ireo ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahaenina amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hiara-hamaky izany mafy. Mamafà teny maromaro, ary dia avereno izany mandra-pahavoafafa ny teny rehetra sy hahaizan’ireo ankizy tsianjery ilay fanekem-pinoana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manaova taratasy lavalava ho an’ny tsirairay amin’ireo andraikitra ao amin’ilay tabilao etsy ambany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fiantsoana ireo anjara fanompoana arak’izay aseho, ary avelao hisy faritra mijidina banga eo afovoany mba hasiana ireo andraikitra. Zarao ho vondrona dimy ireo ankizy ary omeo iray amin’ireo taratasy misy “Andraikitra” ny vondrona tsirairay. Asao ny vondrona tsirairay hametraka ny taratasiny eo amin’ny toerana tokony hisy izany eo amin’ny solaitrabe. Mariho fa ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia ahitana mpitondra mitovy karazana amin’ilay Fiangonana tamin’i Jesoa Kristy teto an-tany.

ANARAM-PIANTSOANA TAO AMIN’ILAY FIANGONANA FAHINY

ANDRAIKITRA

ANARAM-PIANTSOANA AO AMIN’NY FIANGONANA NAVERINA TAMIN’NY LAONINY

Apôstôly

Vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy

Apôstôly

Mpaminany

Manambara ny sitrapon’ny Ray any An-danitra

Mpaminany

Mpiandry

Mitarika vondron’Olomasina kely iray

Eveka

Mpampianatra

Mampianatra ny filazantsara

Mpampianatra

Evanjelisitra

Manome tsodrano manokana

Patriarika

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Herinandro 2: I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manangona sary mikasika ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana ny Fiangonana tamin’ny Laoniny. Zarao araka ny isan’ny sary anananao ny fehezanteny hoe “I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana tamin’ny laoniny” ary manomana taratasy iray ho an’ny teny na andian-teny tsirairay (jereo ny ohatra). Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy ary omeo iray amin’ireo taratasy kely, sy sary iray ary andinin-tsoratra masina iray izay mamaritra ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary ny vondrona tsirairay. Asaivo mamaky ireo soratra masina ny ankizy ary mifampiresaka momba izay mitranga eo amin’ilay sary. Avy eo dia avelao ny vondrona tsirairay hizara ny tantaran’izy ireo amin’ny Kilonga hafa rehetra. Miresaha mikasika ny anjara-toeran’i Joseph Smith tamin’ny zava-nitranga tsirairay ary asaivo dinihin’ireo ankizy ny fiantraikan’ilay zava-nitranga na ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Apetraho eo amin’ny solaitrabe araka ny filaharany ny sary sy taratasy misy soratra tsirairay. Rehefa tafapetraka eny amin’ny solaitrabe avokoa ireo taratasy misy soratra dia miaraha mamaky ilay fehezanteny.

Sary
Mikatsaka fahendrena avy ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith
Sary
Ny Fahitana Voalohany
Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia
Sary
I Joseph Smith eo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna
Sary
Ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna
Sary
Tempolin’i Kirtland Ohio

Taratasy kely lavalava misy soratra sy sary azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

JS—T 1:5–13

JS—T 1:14–20

JS—T 1:30–35

JS—T 1:34–35, 67

JS—T 1:68–73

F&F 109:2–4

Herinandro 3: Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Miaraha mamaky ny lohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny pejin-dohateny. Vakio mafy ireto andinin-tsoratra masina ireto dia asaivo manangan-tanana ireo ankizy raha vao maheno anarana hafa iantsoana ny Mpamonjy: 2Nefia 19:6; Almà 5:38; 3Nefia 5:26. Rehefa mahita fomba iantsoana Azy ireo ankizy, dia soraty eo amin’ny solaitrabe izany. Mifidiana fomba fiantsoana Azy maromaro dia hazavao ny fomba hanatanterahan’ny Mpamonjy izany anjara andraikitra izany.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Omeo fanamariham-pejy ahitana ny fehezanteny hoe “Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy” ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo hanaingo ilay fanamariham-pejy ary hampiasa izany ao amin’ny boky soratra masiny. Manasà ankizy maromaro hanao tatitra mikasika ny tanjon’izy ireo hametraka fahazarana handalina soratra masina matetika (jereo ny volana Janoary, herinandro 2). Azonao atao ny manasa azy ireo hizara izay zavatra tsapany mikasika ireo andalan-tsoratra masina izay voavakin’izy ireo.

Sary
fanamariham-pejy noforonin’ny ankizy
Sary
fanamariham-pejy noforonin’ny ankizy
Sary
fanamariham-pejy noforonin’ny ankizy

Fanamariham-pejy azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Herinandro 4: Tafaverina tamin’ny laoniny ny fisoronana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampisehoy zavatra mandeha amin’ny herinaratra ireo ankizy. Avy eo dia asehoy hoe tsy afaka mandeha izy io raha tsy misy ilay hery mifanaraka aminy. Asaivo misy ankizy iray mitazona ny sarin’i Kristy manokana ireo Apôstôliny. Hazavao fa ny Fiangonan’i Kristy dia tsy afaka mandeha raha tsy misy ny herin’ny fisoronana. Asaivo afenin’ilay ankizy ao an-damosiny ilay sary. Hazavao fa taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’i Kristy dia very ny fahefan’ny fisoronana. Asaivo misy ankizy iray hafa mitazona sary iray maneho ny famerenena ny fisoronana tamin’ny laoniny. Mijoroa ho vavolombelona fa tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenan’ Andriamanitra ny fisoronana tamin’ny laoniny.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Asaivo misy olona iray mamaky ny F&F 107:1, dia asaivo mihaino tsara ny anaran’ireo fisoronana roa ireo ankizy. Apetraho eo amin’ny solaitrabe ny sary maneho ny namerenana ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny sy ny sary maneho ny namerenana ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny laoniny. Soraty hoe Aharôna na Melkizedeka eo ambonin’ny sary mifandraika amin’izany. Ifampiresaho hoe iza no namerina tamin’ny laoniny, na koa hoe namerina indray, ireo fisoronana tsirairay ireo tamin’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72). Asehoy ireo ankizy ny sary maromaro maneho ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fizarana ny fanasan’ny Tompo, ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fanasitranana marary. Asaivo ampitapitain’ireo ankizy eo amin’izy samy izy ireo sary sady mihira ny “La prêtrise rétablie” (CPE, 60). Ajanony tampotampoka eny ilay hira ary asaivo mitsangana ireo ankizy izay sendra mitazona ireo sary rehefa miteny ianao hoe Aharôna na Melkizedeka mba hanehoana ilay hery ilaina hanatanterahana io ôrdônansy io. Averimbereno izany araka ny fotoana misy.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asaivo eritreretin’ireo ankizy ny nahazoan’izy ireo fitahiana noho ny fisoronana. Asao izy ireo hanao karatra kely na sary fanehoam-pisaorana mba homena olona iray mihazona fisoronana izay fantatr’izy ireo (toy ny eveka, na mpampianatra iray, na raim-pianakaviana iray na misiônera iray).

Sary
mpampianatra sy ankizy mitsangana

Ao amin’ilay asa ao amin’ny herinandro faha-4 dia manana fahafahana ianao hanamarina ny fahatakaran’ireo ankizy. Ny famerimberenana dia afaka manamafy ilay fitsipika ao an-tsain’izy ireo.

Hamoaka printy