Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Martsa: Ny Ray any An-danitra dia Miresaka Amintsika amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny


Martsa

Ny Ray any An-danitra dia Miresaka Amintsika amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny

Hira: “Fais donc le bien”

CPE, 80)

“Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, … na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (F&F 1:38).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1 sy 2: Ireo mpaminany dia miteny amin’ny anaran’ny Ray any An-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asao ho eny aloha ny mpianatra iray. Lazao ireo ankizy hafa mba hanaraka ireo torolalana izay omen’io ankizy io. Bitsibitsiho torolalana tsotsotra ilay ankizy, toy ny hoe “Asaivo mametraka ny tanany eo ambony lohany ry zareo” na hoe “Asaivo miteny moramora hoe manao ahoana an’izay olona mipetraka eo anilany izy ireo.” Avereno izany amin’ny alalan’ny fampiasana torolalana tsotsotra maromaro hafa, ary farano amin’ny hoe “Asaivo mamoritra ny tanany izy ireo.” Anontanio ny mpianatra ny fomba nahafantarany ny zavatra tianao hataony. Hazavao hoe iray amin’ireo fomba fandefasan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hafatra ho an’ny vahoaka ety an-tany ny firesahana amin’ny mpanompon’izy ireo, ary avy eo dia didiany ireo mpanompo ireo hiresaka amin’ny vahoaka. Anontanio hoe: “Iza ary ireo mpanompo izay miteny amin’ny anaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa?” Asaivo miara-miteny ireo ankizy hoe: “Ireo mpaminany dia miteny amin’ny anaran’ny Ray any An-danitra.”

Sary
Mpitarika iray ao amin’ny Kilonga sy ankizivavy iray

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Alohan’ny fiantombohan’ny fotoan’ny Kilonga dia ametaho sarin’ny mpaminany iray avy ary toko sy andinin-tsoratra masina izay miresaka momba izay nataony na nambarany ny vodin-tseza sasantsasany. Azo atao ohatra amin’izany i Noa (Genesisy 6:13–14; 7:5, 7–10); Mosesy (Eksôdôsy 14:8–9, 13–14, 21–22); Samoela ilay Lamanita (Helamàna 14:1–8; 16:1–3); ary i Joseph Smith (F&F 89). Asaivo mitady ireo sary ao ambany sezany ireo ankizy. Zarao ho vondrona vitsivitsy ireo ankizy, dia omeo sary iray isaky ny vondrona iray, ary asaivo manomana sy mampiseho tantara kely an-tsehatra mikasika izay mpaminanin’izy ireo. Asaivo fantarin’ireo andiany hafa hoe mpaminany iza no tian’izy ireo aseho. Ifampiresaho ny fomba nandraisan’ny vahoaka ny hafatr’ilay mpaminany sy ny vokatr’izany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manaova “Kodiarana ahitana ireo Mpaminany” tahaka ity aseho eto ity. Zarao valo ilay faribolana, ka samy asiana anarana mpaminany iray avy ao amin’ilay hira hoe “Suis les prophètes” (CPE, 58–59) ny efitrefitra tsirairay. Asao ny ankizy iray mba hanodina ilay kodiarana. Mizarà tantara fohy mikasika izay mpaminany voatondro eo amin’ilay kodiarana (ampiasao ny soratra masina hanovozan-kevitra ao amin’ny CPE, 59 mba hahitana hevitra). Avy eo dia hirao ny andininy izay miresaka momba io mpaminany io ao amin’ny “Suis les prophètes.” Asao ny ankizy iray hafa hanodina ilay kodiarana, ary averimbereno io asa io araka izay maha-misy ny fotoana

Sary
kodiarana ahitana ireo mpaminany

kodiarana azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Mosesy

Abrahama

Daniela

Enôka

Jona

Noa

Adama

Samoela

Herinandro 3: Tarihin’ny mpaminany velona isika amin’izao fotoana izao.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Hetezo hizara ho efatra ny taratasy iray ary apetraho eo ambonin’ny sarin’ny mpaminany amin’izao fotoana izao. Anoraty fampianarana iray nataon’ny mpaminany ny ao ambadiky ny taratasy kely tsirairay. (Jereo ny laharan’ny Ensign na ny Liahona izay mikasika ny fihaonambe mba hahafantarana izay noresahin’ny mpaminany vao haingana.) Asao ny ankizy iray hanala taratasy kely iray ary hanao fihetsika maneho ilay fampianarana. Asaivo fantarin’ireo ankizy hafa izay zavatra ataon’io ankizy io. Avereno atao izany ho an’ireo fampianarana hafa. Mampisehoa boky Ilay Namana iray na Liahona iray ary hazavao hoe afaka mamaky ny tenin’ny mpaminany isika ankehitriny.

Sary
A portrait of Thomas S. Monson mostly covered by four pieces of paper.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asao hitsangana ny mpianatra iray dia hanohy ity fehezanteny ity: “Hanaraka ny mpaminany velona aho amin’ny alalan’ny…” Asao ny ankizy iray hafa hamerina izay voalazan’ilay ankizy voalohany, ary manampy fomba iray hanarahana ny mpaminany. Tohizo izany araka ny maha-misy ny fotoana, sady mamporisika ireo ankizy hamerina izay vitany amin’ireo hevitry ny ankizy rehetra.

Herinandro 4: Ahazoana fiarovana ny fanarahana ny mpaminany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Manomana takela-pamantarana manambara lalàn’ny fifamoivoizana tsotsotra milaza hoe “Mijanòna,” “Mandehana miadana,” sy “Mandehana.” Mifidiana ankizy telo mba hitazona ireo takela-pamantarana, ary asaivo manainga ambony izany izy ireo rehefa mikasika ny sorony ilay mpitarika hira. Lazao ireo ankizy fa ilay famantarana hoe “Mandehana” dia midika hoe manomboka mihira; ilay famantarana hoe “Mijanòna” dia midika hoe mijanona mihira; ary ilay famantarana hoe “Mandehana miadana” dia midika hoe mihira miadana kokoa. Asaivo tarihin’ny mpitarika hira ireo ankizy hihira ny “Défends le bien” (CPE, 81).

Hazavao fa ireo takelaka mifehy ny fifamoivoizana dia miaro antsika ary mampitandrina antsika raha misy loza ao aloha ao. Avy eo dia hazavao hoe, ireo torolalana avy amin’ny mpaminany dia tahaka ireo takelaka mifehy ny fifamoivoizana satria miaro sy mitahy antsika ny Ray any An-danitra rehefa manaraka azy ireny isika. Zarao ho vondrona telo ireo ankizy. Isaky ny vondrona iray dia asaivo misy ankizy iray mpitarika na ankizy zokinjonkiny kokoa mizara tantara iray izay naha-voaaro azy (na ny olona iray ao amin’ny soratra masina) noho ny fanarahany ny mpaminany. Avy eo dia asaivo mifindra amin’ny mpitarika iray hafa ireo vondrona mba hahenoany tantara iray hafa. Asaivo mihira ny famerenana amin’ny “Suis les prophètes” izy ireo rehefa mandeha mifindra mankany amin’ilay mpitarika iray manaraka. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitahiana izay azo rehefa manaraka ny mpaminany isika

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Asaivo manao sary ny takelam-pamantarana tian’izy ireo hatao ireo ankizy ary manoratra eo amin’izany ny fomba ataon’izy ireo mba hanarahany ny fampianaran’ireo mpaminany velona. Asaivo entin’izy ireo mody ireo takelam-pamantarana mba hanampy azy ireo hahatsiaro hanaraka ny mpaminany.

Sary
zazavavy mijoro eo anoloan’ny solaitrabe

Mora mampihatra kokoa ny fotopampianarana ireo ankizy rehefa izy ihany no mitondra sosokevitra hampiharana izany. Mahatsapa fitiavana sy fananana ny marina koa ireo ankizy rehefa mandre fa averin’ireo mpampianatra sy ireo ankizy hafa ny hevitra narosony.

Mandehana

Azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org ireo sary

Sary
sarin’ny takela-pamantarana Mijanòna

Mijanòna

Sary
sarin’ny takela-pamantarana Mandehana miadana

Mandehana miadana

Sary
sarin’ny takela-pamantarana Mandehana

Mandehana

Fanampinana ho an’ny Mpitarika Hira

Mba hanampiana ireo ankizy hianatra ny “Défends le bien” (CPE, 81), dia diniho ireto manaraka ireto:

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany ankehitriny dia miresaha vetivety mikasika ny sasany amin’ireo torolalana izay nomeny antsika. Lazao ireo ankizy fa ny hira izay hianaran’izy ireo dia manazava ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminany.

  • Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Omeo andalana iray na roa amin’ilay hira ny vondrona tsirairay avy ary asao izy ireo hamorona fihetsika izay hanampy hampahatsiahy azy ireo ireo tonony. Asaivo mampianatra ny fihetsik’izy ireo amin’ireo ankizy hafa ny andiany tsirairay.

Sary
vehivavy mitarika hira

Rehefa mampianatra hira amin’ireo ankizy dia ampiasao ny tananao mba hampisehoana azy ireo ilay feon-kira. Ampiakaro sy ampidino ny tananao araka ny fiovan’ny feon-kira (jereo ny EPPGA, 174).

Hamoaka printy