Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ôktôbra: Ny Vavaka dia Fifandraisana Feno Fanajana eo Amiko sy Andriamanitra


Ôktôbra

Ny Vavaka dia Fifandraisana Feno Fanajana eo Amiko sy Andriamanitra

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” ( Jakôba 1:5ao amin’ny Baiboly).

Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra omena eto. Mandrafeta fomba ahafahan’ny ankizy mamantatra ny fotopampianarana ary ampio izy ireo hahatakatra izany sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no tokony hataon’ny ankizy mba hianarana zavatra, ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Afaka mivavaka amin’ ny Ray any An-danitra aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Mangataha ray na reny iray miaraka amin’ny zanany mba hijoro eo anoloan’ny ankizy rehetra. Asaivo mametraka fanontaniana iray amin’ny ray aman-dreniny ilay ankizy, dia asao ilay ray aman-dreny hamaly. Avy eo dia asaivo mivoaka ny efitrano ilay ray aman-dreny ary akatony ny varavarana. Anontanio ireo ankizy hoe ahoana no fomba ahafahan’izy ireo mifandray amin’ny ray aman-dreniny rehefa tsy miaraka aminy izy ireo (ohatra, manoratra taratasy na miresaka amin’ny telefaonina). Hazavao fa Andriamanitra dia Raintsika ary isika dia Zanany. Noho isika tsy eo anatrehany dia nomeny fomba iray isika hiresahana Aminy. Anontanio ireo ankizy raha hain’izy ireo hoe ahoana no fomba hiresahantsika amin’ Andriamanitra. Asaivo mamerina izay teneninao ireo ankizy manao hoe: “Afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra aho.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Zarao amin’ireo ankizy ilay asa atao ao amin’ny pejy 16 ao amin’ny Voyez vos petits enfants. Manaova dika mitovy iray ho an’ny ankizy tsirairay amin’ilay boky kely azo endahina eo amin’ny pejy 19 ao amin’ny bokin’ny kilasy Zaza madinika hoe, Voyez vos petits enfants. Asao ireo ankizy handoko ireo sary. (Ireo ankizy efa lehibe kokoa dia afaka manoratra eo amin’ireo faritra malalaka azo akombona, ireo zavatra izay ananan’izy ireo fankasitrahana ny aminy sy ireo zavatra izay azon’izy ireo angatahana amin’ny Ray any An-danitra. Avy eo dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny heviny amin’ny Kilonga manontolo.) Asaivo mamerina ilay hira indray ireo ankizy eo am-pijerena ilay boky kely azo aforitra.

Sary
vehivavy mitarika hira

Ny fanomanana asa izay mampandray anjara ireo ankizy amin’ny fomba maro samihafa dia mampitombo ny fahatakarana sy ny fampiharana. Ohatra, ao anatin’ity asa atao ity ireo ankizy dia mijery, mihira, mandoko, manoratra, mihaino ary mizara.

Sary
sarina boky kely azo aforitra

Boky kely azo aforitra, azo alaina ao amin’ny sharingtime.lds.org

Afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra aho

Ny hanombohako azy dia hoe “Ry Rainay any An-danitra.”

Misaotra Azy aho noho ireo fitahiana azoko.

Mangataka fitahiana Aminy aho.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Herinandro 2: Ny soratra masina dia mampianatra ahy ny fomba sy ny fotoana tokony hivavahana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampio ireo ankizy hianatra tsianjery ity fehezanteny manaraka ity Almà 13:28: “Manetre tena … eo anoloan’ny Tompo ary antsoy ny anarany masina ary miambena sy mivavaha lalandava.” Ifampiresaho izay zavatra ampianaran’io soratra masina io mikasika ny fomba sy ny fotoana tokony hivavahantsika.

Hamorao ny fahatakaran-javatra: Ampio ireo ankizy hahatakatra fa afaka mivavaka mangina amin’ny Ray any An-danitra isika ao am-pontsika na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, na aiza na aiza, ary tokony hisaotra Azy isika noho ireo fitahiana sy hangataka fanampiana Aminy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 3 Nefia 3:19; 3 Nefia 19:6–8; 3 Nefia 18:15. Soraty eo amin’ny solaitrabe koa ireo teny hoe fomba ahoana sy rahoviana. Asao ireo ankizy hijery ireo soratra masina tsirairay ireo ary hifandinika mikasika izay ampianariny antsika momba ny fomba sy ny fotoana tokony hivavahantsika. Miresaha momba an’i Almà sy i Amioleka mampianatra ireo Zôramita ny fomba hivavahana (jereo ny Almà 31; 34:17–27; jereo koa ny Kilonga 4, lesona 21). Azonao atao ny mangataka ankizy vitsivitsy hilalao ilay tantara rehefa mitantara izany ianao.

Amporisiho ny Fanaovana Fampiharana: Manasà ankizy maromaro mba hizara ny zavatra tsapany rehefa mivavaka. Asaivo manolotra hiran’ny Kilonga izay mampianatra mikasika ny vavaka ireo ankizy. Hirao ny hira vitsivitsy amin’ireo, dia asao ireo ankizy hanolotra fihetsika tsotra mba hanoloana ny teny iray na roa ao amin’ny hira tsirairay. Ohatra, rehefa tokony hihira ny hoe “mivavaka” na “vavaka” dia azon’izy ireo avonkona ny tanany.

Herinandro 3 sy 4: Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asaivo mijery ny 3 Nefia 14:7 sy ny Jakoba 1:5 ny ankizy. Asao izy ireo hitady izay ampianaran’ireo soratra masina ireo mikasika ny vavaka. Hiaraho mamaky mafy ireo soratra masina ireo ary avelao ireo ankizy hizara izay zavatra nianarany. Asao ireo ankizy hiteny miaraka aminao hoe “Ny Ray any An-danitra dia mihaino sy mamaly ny vavaka ataoko.”

Hamorao ny fahatakarana ary amporisiho ny fanaovana fampiharana: Zarao ho vondrona maromaro ireo ankizy dia asaivo mifandimby izy ireo mandalo amin’ireto toby manaraka ireto (jereo ny EPPGA, 179). Isaky ny toby iray dia asaivo misy mpampianatra manazava fomba iray hamalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka ary avelao ireo ankizy hizara ny fomba namaliana ny vavak’izy ireo. Azonao atao ny manao drafitra hoe ny toby anankiroa no atao amin’ny herinandro iray ary ny anankiroa hafa hatao amin’ny herinandro manaraka.

  • Toby 1: Indraindray ny vavaka dia voavaly amin’ny alalan’ny eritreritra na hevitra izay mety ho tonga ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika (jereo ny F&F 8:2). Mizarà toe-javatra niainana iray izay nitrangan’izany teo amin’ny fiainanao, na tantarao ny tantaran’i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:4–5, 10; jereo koa ny Voyez vos petits enfants, 17).

  • Toby 2: Afaka mampiasa ireo olona hafa ny Ray any An-danitra mba hamaliana vavaka. Mizarà toe-javatra niainana iray izay namalian’ny olona iay hafa ny vavaka nataonao, na tantarao ny tantaran’ny Filoha Thomas S. Monson namaly ny vavaka nataon’i Ben sy Emily Fullmer (jereo ny Conference Report, ôkt. 2003, 63; na Ensign, nôv. 2003, 58–59).

  • Toby 3: Ny valim-bavaka dia mety ho tonga avy amin’ireo tenin’i Kristy, izay hita ao amin’ny soratra masina (jereo ny 2 Nefia 32:3). Mizarà toe-javatra niainana iray izay nahazoanao ny valin’ny vavaka nataonao teo am-pamakiana ny soratra masina.

  • Toby 4: Ny valim-bavaka dia mety ho azo avy amin’ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany (jereo ny F&F 1:38). Mampisehoa laharana iray amin’ny Liahona na ny Ilay Namana, ireo ankizy dia lazao azy ireo fa afaka mahita ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany izy ireo ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mizarà toe-javatra niainana iray izay nahazoanao valim-bavaka teo am-pihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana na teo am-pamakiana ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

Sary
ankizy ao amin’ny Kilonga miaraka ao anaty vondrona

Ireo toby dia toerana izay andraisan’ny vondron’ankizy kely kokoa anjara amin’ny toe-javatra maro mba hianaran-javatra (jereo ny EPPGA, 179). Raha betsaka ireo ankizy ao amin’ny Kilonga, dia azo atao tsotra ireo toby, toy ny hoe mpampianatra mitety vondron’ankizy.

Hamoaka printy