2022
Mampifandray
Janoary 2022


“Mampifandray” Ho zatovo mahery!, Jan. 2022, eo amin’ny fonony anoloana anatiny.

Mampifandray

Viviena K.

17, Tonga

Sary
zatovovavy iray

Efa naniry ny ho lasa misiônera aho hatrizay naha tao amin’ny kilonga ahy. Saingy lasa tsy nazoto intsony aho rehefa feno roambinifolo taona. Toa lavitra loatra tamiko ny hahafeno taona ahy hanaovako misiôna. Nanahy ny ho tafalatsaka tao anatin’ny fakam-panahy aho. Nihevitra aho fa tokony hiaina ny fiainako amin’izay hitiavako azy ka tsy hanahy momba ny fiomanana.

Saingy rehefa niresaka tamin’ireo ray aman-dreniko momba ny fanaovana asa fitoriana aho dia namporisika ahy izy ireo. Nilaza tamiko izy ireo fa hanandrana ny haka fanahy ahy hatrany i Satana rehefa manao zavatra tsara ho an’ny Raiko any an-danitra aho. Nivavaka aho mba hahazo fitarihana, ary nahatsapa aho fa ny Ray any an-danitra dia nanamafy fa hiaraka amiko hatrany Izy.

Matanjaka ny finoako na dia nandalo fakampanahy sy fitsapana maro aza aho. Fantatro fa raha miomana aho amin’izao, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izaho dia afaka ny ho lasa misiônera tahaka izay efa niriako hatramin’izay. Mety ho sarotra izany, saingy fantatro fa hiaraka amiko Andriamanitra amin’ny zava-drehetra izay ataoko.

Hamoaka printy