2022
Matokia an’i Jehovah
Janoary 2022


“Matokia an’i Jehovah,” Ho zatovo mahery, Jan. 2022.

Matokia an’i Jehovah

Hiran’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2022

Matokia an’i Jehovah
Matokia an’i Jehovah

Tontolo rava no ety,

manjombon-dava re.

Avia ry ondry hoy Kristy

hatoro ’zay haleha.

Isika anie

mahay sy nandre

’reo teny ’zay lazainy.

’Lay hazavany

arahintsika hatrany.

Na afo mandoro,

tafiotra koa,

na haizim-be,

ho tody soa isika,

Ny Tompo no toky.

Na hisy ranomaso,

na hisy handao,

’lay hazavany

fanilo ho antsika.

Ny Tompo no toky.

Ny Tompo no toky.

Tsy hisy zavona hahajambena,

ny lalantsika hisinda.

Raha eo ‘reo sedra sesehena,

finoana ataovy apinga.

Fa Izy hanome

fiadanam-po

hahatonga antsika hahery.

’Lay hazavany tsy hamela antsika,

tsy hamela antsika irery.

Na afo mandoro,

tafiotra koa,

na haizim-be,

ho tody soa isika,

Ny Tompo no toky.

Na hisy ranomaso,

na hisy handao,

’lay hazavany

fanilo ho antsika.

Ny Tompo no toky.

Ny Tompo no toky.

Amy fo manontolo

’sika hatoky ny Tompo

hatoky Azy irery fa tsy ny hafa.

Na afo mandoro,

tafiotra koa,

na haizim-be

ho tody soa isika,

Ny Tompo no toky.

Na hisy ranomaso,

na hisy handao,

’lay hazavany

fanilo ho antsika.

Ny Tompo no toky.

Ny Tompo no toky.

Ny Tompo no toky.