2022
Jereo tsara ny tenanao
Janoary 2022


“Jereo tsara ny tenanao,” Ho zatovo mahery!, jan. 2022.

Jereo tsarany tenanao

Aza avela izao tontolo izao no hilaza aminao hoe iza ianao.

Sary
ankizivavy mahita taratra ny tenany eo amin’ny varavarakelin’ny toeram-pivarotana iray.

Hiezaka ny hiteny aminao zavatra momba ny tenanao izay tsy marina izao tontolo izao.

“Tsy dia tena malaza ianao.”

Saingy izao no marina: sarobidy kokoa noho ny laza ny finamanana tena izy.

Sary
ankizilahy mahita taratra ny tenany amin’ny dobon-drano

“Tsy hahomby na oviana na oviana amin’ny zava-drehetra ianao.”

Saingy izao no marina: afaka mitondra anao na aiza na aiza ny finoana sy ny fiasana mafy.

Sary
ankizivavy mahita taratra ny tenany amin’ny fitaratra

“Ianao dia (…) loatra—” “Ianao dia tokony ho (…) bebe kokoa—” “Tsy ampy ianao—”

Saingy izao no marina: Tian’Andriamanitra hahita ny tenanao amin’ny maso ara-panahy ianao.

Sary
ankizilahy mahita taratra ny tenany amin’ny fitaratra fijerena ny aoriana.

“Tsy manan-danja ianao!”

Saingy izao no marina: zanak’Andriamanitra ianao.

Sary
ankizilahy sy ankizivavy manangona ravin-kazo ka mahita taratra ny tenany amin’ny rano miangona

“Maro ny fahafinaretana tsy iainanao!”

Saingy izao no marina: mahita fifaliana ianao rehefa mizara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ireo izay manodidina anao.

Sary
ankizilahy mahita taratra ny tenany amin’ny tondroavaratra

“Tsy ho tafita na oviana na oviana ianao!”

Saingy izao no marina: mamirapiratra toy ny finoanao ny hoavinao.1

Fanamarihana

  1. Jereo ny , Thomas S. Monson, “Prenez courage,” Avr. 2009 conference Générale ( Liahona, Mai 2009, 92).

Hamoaka printy