2022
Ny mpitarika antsika amin’ny fahamarinana
Janoary 2022


“Ny mpitarika antsika amin’ny fahamarinana,” Ho zatovo mahery!, jan. 2022,

Teny farany

Ny mpitarika antsika amin’ny fahamarinana

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2004.

Sary
ankizilahy eo akaikin’ny fanoroan-dalana

Sary nataon’i Emily Davis

Avy eo amin’ny toerana misy anao eo amin’ny lalam-piainana dia manana kilaometatra maro mbola haleha ianao sy safidy maro hatao eo am-pikatsahanao ny hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra. Maro ireo fanoroan-dalana izay hanintonaanao mandritra ny dianao. Satana no loharanon’ny sasany amin’ireo fanasana ireo. Katsahiny ny hampifotofoto sy hamitaka antsika, mba hisarihany antsika handeha amin’ny lalana ambany manalavitra ny toeranahalehantsika mandrakizay.

Sary
mpanao majika mampitsingevana baolina
Sary
sarintany

Tiako ny hizara aminareo ny fomba tsy hahavoafitaka anareo. Voalohany, efa nampianarina fahamarinana sy nomena toky ny amin’ny maha marina izany ianao, noho izany dia mifikira amin’izany. Hazony mafy ny soratra masina, fa ny fampianarany dia miaro antsika amin’ny ratsy. Faharoa, tsy ampy ny hoe efa nahazo ny marina. Mila mandray ny “Fanahy Masina ho mpitari-dàlana [antsika]” isika“ka tsy ho voafitaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57).

Sary
zatovovavy iray mandray fanasan’ny Tompo

“Ahoana no fomba handraisantsika ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika? Mila mibebaka amin’ny fahotantsika sy manavao ny fanekempihavanantsika isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy amin’ny fo madio. Izany fomba izany ihany no hahafahantsika mahazo ny fampanantenan’ Andriamanitra fa ‘hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika]’ isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Izany Fanahy izany dia ny Fanahy Masina, ary ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka no nanirahana azy, hampianatra antsika sy hitarika antsika amin’ny fahamarinana.

Hamoaka printy