2022
Fitaoman’ny namana iray
Janoary 2022


“Fitaoman’ny namana iray,” Ho zatovo mahery! jan. 2022.

Fitaoman’nynamana iray

Mafy ny taonan’ny fahatanorako, saingy nandefa namana iray ho ahy Andriamanitra mba hanampy ahy tamin’izany.

Sary
ankizivavy

Sary nataon’i Judy Bloomfield

Nahatsapa ho tena irery foana eo anivon’izao tontolo izao aho hatramin’izay. Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniko fony aho mbola zazakely, ary avy eo afaka taona vitsivitsy taty aoriana dia niverina nanambady ny reniko ka dia nifindra teo amin’ny manodidina ny 6500 kilaometatra teo ho eo, avy any Georgia, Etazonia, hatrany Oregon, Etazonia. Fiovana goavana loatra izany ho an’ny ankizivavy 9 taona, indrindra ankizivavy izay manana lantom-peo tatsimo izay tsy neken’ny ankizy hafa tanteraka.

Saingy rehefa nifindra tao amin’ny ambaratonga faharoa aho dia tafahaona tamin’i Nicole.* Tsapako avy hatrany fa nitovy tadindokanga izahay, nanana fahatsapana tsara aho—zavatra izay nahamanina ahy. Fantatro fa tokony hinamana amin’io ankizivavy io aho.

Rehefa niaraka matetika izahay dia nanaisotra ny fanirery tao anatiko i Nicole ary izy dia namana tena azoko antoka. Rehefa nandeha tany an-tranony izahay dia sahala amin’ny hoe mandeha amina fiainana hafa tanteraka: nameno ny efitrano rehetra ny fanahin’Andriamanitra. Nisy sarin’ny Mpamonjy sy trano vaventy tamin’ny toerana rehetra. (Taty aoriana vao fantatro fa hay! tempoly izy ireny.) Tamin’ny fanasana ahy tao an-tranony fotsiny dia nanomboka ny asa fitorian’i Nicole, ary tsy fantany akory aza izany.

Maka ho namana sy mino

Tamin’ny finamanana tamiko monja dia nanao fanompoana tamiko i Nicole. Nanome Bokin’i Môrmôna ahy izy, ary nanomboka niara-namaky taminy tao anatin’ny fiarakodiany izahay rehefa nirava nianatra.

Sary
ankizivavy miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna

Nanomboka nameno ireo banga tao amin’ny fiainako ny Bokin’i Môrmôna. Saingy mbola nahatsapa ho irery foana aho. Tsy mpikambana tao amin’ny fiangonan’i Nicole aho, saingy tsy tao amin’ny fivavahan’ireo ray aman-dreniko tanteraka ihany koa nefa aho.

Nandrisika ahy tamin-katsaram-panahy i Nicole mba hivavaka sy hanontany an’Andriamanitra raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna. Tsy mbola nivavaka ka niloa-peo mafy aho hatramin’izay, hany ka tsy fantatro izay tokony holazaiko. Saingy nandeha tany ivelany fotsiny aho ka dia nanomboka niteny. Nanontany an’Andriamanitra aho raha toa ka mety amiko ihany koa ny fiangonan’i Nicole. Raha vantany vao vitako ny fanontaniako dia nahatsapa nangatsiatsiaka ny vatako iray manontolo. Fantatro, ary tsy ampiambahambana fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary mety amiko io Fiangonana io.

Sary
ankizivavy ao anaty fiarakodia

15 taona aho tamin’ny fotoana nandraisako an’izany fijoroana ho vavolombelona izany. Nino foana aho nandritra ny taona vitsivitsy nanaraka izany, na dia tsy liana tamin’ny Fiangonana aza ireo ray aman-dreniko. Saingy tsy irery aho tamin’ny finoako, satria mbola teo foana i Nicole nanohana ahy.

Finoana vaovao, Fanontaniana vaovao

Sary
ankizivavy sy misiônera

Rehefa afaka baccalauréat aho dia nifindra nankany Utah, Etazonia. Efa any i Nicole, ary efa tsindrin-daona niandry ahy ho tonga any izy mba hahafahako hanomboka handray ny lesona avy amin’ny misiônera. Nanana drafitra ny hatao batisa amin’ny faha 19 taonako aho—izay efa afaka enina herinandro monja—ary nanome toky ahy i Nicole fa ho eo anilako foana izy mandritra izany fotoana izany.

Tsy ela dia tsapako fa kely dia kely ny zavatra fantatro momba ny Fiangonana rehefa nanomboka nampianatra ahy ireo misiônera. Efa namaky sy nitia ny Bokin’i Môrmôna aho, saingy tampoka teo dia nilaza tamiko momba ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny drafitry ny famonjena, ny fahatongavana tahaka an’Andriamanitra, ary zava-baovao maro hafa izy ireo. Nahatsapa ho tototr’ireo zava-baovao ireo aho.

Sary
ankizivavy eo amin’ny dabilio

Saingy nahafantatra ahy tsara i Nicole. Nohazavainy tamiko tamin’ny fomba izay fantany fa hahatakarako azy ny zavatra izay ampianarin’ny misiônera. Ny fanazavany feno faharetana no antony nijanonako tamin’ireo lesona voalohany ireo.

Niombona ihany tamin’ny farany

Sary
batisa

Nanohana ahy ara-panahy toy izany i Nicole hatramin’ny andro nanaovana batisa ahy—sy taorian’izany. Nanampy ny mpikambana tao amin’ny paroasy sy ny misiônera izy hanao drafitra mba hahafahako hatao batisa amin’ny faha 19 taonako. Rehefa nivoaka ny rano aho ka nahita olona am-polony maro nitsikitsiky tamiko dia tsy nahatsapa ho irery intsony. Tsy hohadinoko mandrakizay ilay fahatsapana fiombonana tamin’ny Tompo sy ny Fiangonany tamin’ny farany.

Mbola mianatra hatrany avy amin’ny finoana tsy mihozongozona ananan’i Nicole sy ny finamanany aho. Nasehony ahy hatrany am-boalohany fa ny asa fitoriana ny filazantsara dia tsy mitaky badge. Nanomboka tao am-pony ny asa fitoriana ny filazantsara nataon’i Nicole, rehefa nanampy ankizivavy iray avy any atsimo izay nila tsiky izy.

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

  • Novaina ny anarana.

Hamoaka printy