2022
Fantatry ny Ray any an-danitra Aho
Janoary 2022


“Fantatry ny Ray any an-danitra Aho,” Ho zatovo mahery! jan. 2022.

Izaho sy ilay teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny teny filamatry ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Fantatry ny Ray any an-danitra aho

Zanakalahy malalan’Andriamanitra aho.”

Sary
lanitra amin’ny alina eny an-tendrombohitra

Niaina fotoana tsy hohadinoiko mihitsy aho raha nandeha nilasy niaraka tamin’ny dadako. Nandeha nianika sisin-tendrombohitra iray izahay indray takariva ary dia nahita toerana hiarahana mipetraka. Rehefa nitazana ilay lanitra amin’ny alina izahay dia voahodidin’ny kintana faran’ izay nanjelatra hitako hatramin’izay. Niara-nipetraka nandritra ny fotoana naharitra izahay ka nanome anarana ireo planeta sy fajiry tsirairay avy.

Nahatsapa ho bitika sy tsy manan-danja aho raha nijery ny tontolo teo anoloako. Tsy azoko heverina akory hoe firy ny isan’ny planeta rehetra—“tontolo tsisy fiafarana,” sa tsy izany? Inona moa ny tenako raha hampitahaina amin’izany rehetra izany?

Nanontaniako ny raiko raha toa ka misy fiainana any amin’ny tontolo hafa any, rehefa nahatsapa ho tototr’ilay fieritreretana aho. Sahala amin’ny hoe fantany ny tao an-tsaiko, satria izao fotsiny no nolazainy: “Izao no fantatro. Betsaka ny zavatra noforonin’ny Ray any an-danitra, araka ny hitanao. Saingy amin’ny zava-drehetra izay Noforoniny dia Tiany manokana ianao .

“Hitany ny zava-drehetra izay lalovanao ary te ho isan’ny fiainanao Izy miohatra noho ny zavatra hafa rehetra. Te hitondra fifaliana ho anao Izy ary hanampy anao hiverina hiaina hiaraka Aminy mandrakizay.”

Mbola nahatsapa ho bitika ihany aho teo ambanin’ilay lanitra midadasika, saingy nino ny fijoroana ho vavolombelon’ny raiko aho. Nanan-danja tamin’ny Raiko any An-danitra aho. Ary te ho ao amin’ny fiainako Izy.

Tsaroako ny zavatra nampianarin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Hevimifanohitra eo amin’ ny olombelona izao: tsinontsinona ny olona raha oharina amin’Andriamanitra; kanefa manan-danja be tokoa isika amin’Andriamanitra.”1

Sahala amin’ilay lanitra feno kintana, tsy misy fiafarana ny asa tanan’Andriamanitra—saingy torak’ izany ihany koa ny Fitiavany ho an’ ny Zanany tsirairay avy. Ho antsika tsirairay avy. Indraindray aho dia mahatsiaro momba ilay fotoana izay nipetrahako teo amin’ ny tendrombohitra iray sy nahatalanjona ahy. Mety ho tsinontsinona aho raha oharina amin’ Andriamanitra, saingy tsy ohatran’ izany ny fomba Fisainany. Zanany lahy aho, ary Fantany aho.

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Manan-danja Aminy ianao,” Fihaonamben’ny Fiangonana Okt. 2011 ( Liahona, Nôv. 2011, 20).

Hamoaka printy