2022
Ahy izy ireo ary Fantatro
Janoary 2022


“Ahy izy ireo ary Fantatro,” Ho zatovo mahery, jan. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

“Ahy izy ireo ary Fantatro”

Mosesy 1

Sary
zatovovavy iray ao anaty vahoaka

Sary avy amin’ny Getty Images

Efa nahatsapa ho tsinontsinona ve ianao? Mety efa nahatsapa an’ izany ianao rehefa nisaintsaina momba ny habetsahan’ny olona eo amin’ izao tontolo izao na mijery ny habetsahan’ ny kintana eny amin’ ny habakabaka. Efa nanontany tena ve ianao raha toa ka tena mahafantatra anao sy ny fiainanao Andriamanitra? Raha toa ka izany no izy dia manana hafatra ho anao i Mosesy.

Nasehon’ Andriamanitra an’i Mosesy tao anatin’ ny fahitana ny tany iray manontolo sy ny vahoaka rehetra izay niaina tao. Izy ireo dia “tsy hita isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza” (Mosesy 1:28). Avy eo Andriamanitra dia nilaza tamin’i Mosesy fa efa nahary “tontolo tsy hita isa” Izy (Mosesy 1:33)—ary mihoatra lavitra ny tany ny zavatra efa noforoniny.

Mety ho nahatsapa ho difotra i Mosesy rehefa nahita ireo zavatra rehetra ireo. Mety nanontany tena izy ka nanao hoe: Aiza ho aiza aho eo anatrehan’ireo zavatra noforonina be dia be ireo? Ary ahoana no ahafahan’Andriamanitra manara-maso an’ireo zavatra be dia be ireo?

Tsotra ny valin-tenin’Andriamanitra: “Ny zava-drehetra dia voaisa ho ahy.” Amin’ny fomba ahoana? “Ahy izy ireo ary Fantatro”(Mosesy 1:35). Fantatr’Andriamanitra hoe iza i Mosesy, sahala amin’ny Ahafantarany ireo Zanany rehetra, sy ny zavatra noforoniny rehetra. Azy avokoa ireny zavatra ireny—ny kintana, ny fasika, ary indrindra ireo Zanany eto an-tany. Izy ireo no antony Nanaovany ny tany. Ny famonjena azy ireo mandrakizay no asa farany manan-danja amin’Andriamanitra.

“Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Sahala amin’ny nianaran’i Mosesy ny anjara toerany ao amin’ny drafitr’Andriamanitra, ianao ihany koa dia afaka ny mahazo antoka fa fantatr’Andriamanitra ianao! Hanampy anao hiverina eo Anatrehany no Asany sy Voninahiny. Nahoana? Satria Azy ianao. Ary tsy misy zavatra tsinontsinona ny amin’izany!

Hamoaka printy