2022
Mandresy ny paikadin’i Satana
Janoary 2022


“Mandresy ny paikadin’i Satana,” Ho zatovo mahery!, jan. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Mosesy 14

Mandresy ny paikadin’i Satana

Manao izay rehetra azony atao i Satana mba hamitahana antsika. Soa ihany fa manana fanampiana avy any an-danitra isika entina hisorohana ny fandriny.

Sary
Mpanao majika

Mampaneno ny rantsan-tanany ny mpanao majika iray ary dia manjavona eo imasonao ny baolina iray.

Mahagaga!

Avy eo dia mamoaka bitro avy ao anaty satroka tsy misy na inona na inona izy ary mahatonga zavatra ho toy ny hoe mitsingevaheva miakatra.

Adray! Koa ahoana ary no fomba anaovany an’izany?

Nahita fomba mahatonga ny olona hino fa nahita zavatra voatsiary ny mpanao majika, kanefa, raha ny marina dia zavatra izay tian’ilay mpanao majika hohitan’izy ireo ihany no hitan’izy ireo.

Marina izany! Raha ny marina dia tsy tena hitan’ny mpanao majika ny mpanatrika azy. Nahita fomba ngalifantsy hamitahana antsika izy mba hiheverantsika fa nahita zavatra izay tsy nitranga akory isika. Ao amin’ny safelika sy fitaka ny tsiambaratelony.

Raha toa ka natao ho fialamboly sy kilalao ihany izany, dia mampidi-doza ny karazana safelika sy fitaka hafa—ara-batana sy ara-tsaina.

Mpanao safelika sy mpamitaka mampidi-doza

I Satana dia fahavalon’ny fahamarinana rehetra ary tsy tiany hanaraka an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny olon-drehetra. Katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy (jereo 2 Nefia 2:27).

Mba hahatontosana izany dia ataony izay rehetra azony atao mba hahatonga antsika hiahiahy na tsy hiraharaha fahamarinana maharitra mandrakizay. Miasa tsy tapaka izy mba hamitaka antsika hino fa tsara ny ratsy ary ny ratsy no tsara (jereo Isaia 5:20). Izany no antony ahafantarana azy amin’ny hoe ny rain’ny lainga sy mpamitaka be (jereo Mosesy 4:4). Ary efa hatry ny ela no nanaovany izany.

Ny Fahalavoana

Ny Tompo dia nandidy an’i Adama sy Eva mba tsy hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy tao amin’ny Saha Edena. Raha nihinana izy ireo dia tsy maintsy hiala ny saha Edena ary ho faty amin’ny farany. Saingy nilaza tamin’izy ireo Andriamanitra fa afaka misafidy izy ireo (jereo Mosesy 3:16–17).

Mikatsaka ny handrava ny drafitr’Andriamanitra i Satana. Nanandrana nanao izany tamin’ny fakana fanahy an’i Eva mba hihinana ilay voankazo voarara izy. Nandainga izy ka nilaza fa tsy ho faty izany i Eva (izay mifanohitra avy hatrany amin’ny zavatra izay nolazain’Andriamanitra). Nilaza marina tapany taminy ihany koa izy. (jereo Mosesy 4:11).

Nony farany dia samy nihinana ilay voa avokoa i Adama sy Eva ka dia noroahina hiala ny fanatrehan’Andriamanitra. “Fahafatesana ara-panahy” no iantsoan’ny soratra masina izany. Lasa mety maty ihany koa izy ireo, izay midika fa afaka maty ara-batana izy ireo. Fantatra amin’ny hoe ny Fahalavoana izany.

Amin’ny maha taranak’i Adama sy Eva antsika, isika ihany koa dia nosarahina tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra ary iharan’ny fahafatesana ara-batana. Sedraina amin’ny alalan’ny fahasarotam-piainana sy ny fakam-panahin’i Satana ihany koa isika.

Mety ho toy ny zavatra ratsy izany rehetra izany, saingy ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ny Fahalavoana. Manome antsika fahafahana hianatra sy hivelatra izany amin’ny alalan’ny fampiasantsika ny fahafahantsika misafidy mba hisafidy ny hanao zavatra tsara. Ary noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka isika rehefa manota ary miomana ny handray ny fiainana mandrakizay. Jesoa Kristy dia manonitra ny zava-drehetra izay nitranga vokatry ny Fahalavoana. Tsy voasakan’i Satana ny drafitr’Andriamanitra.

Mandresy ny paikadin’i Satana

Amin’izao fotoana izao dia mbola manohy miezaka mamitaka sy mametsifetsy antsika i Satana. Ireto ary misy fomba vitsivitsy entiny anaovana izany:

1. Fakam-panahy

Tian’i Satana ny mametraka eritreritra tsy madio sy ratsy fanahy eo anoloantsika. Tiany hiditra ao an-tsaintsika ireo zavatra ireo sy hampiarintsika. Afaka mahatohitra ireo fakam-panahy ireo isika amin’ny alalan’ny fitenenana an’i Satana mba hiala (jereo ny hafatry ny Loholona Stevenson ao amin’ny pejy 4). Ny fivavahana mandrakariva no iray amin’ireo fiarovana lehibe ananantsika amin’ny fakam-panahy (jereo Almà 13:28; 3 Nefia 18:15). Afaka mamaky sy mandalina ny soratra masina ihany koa isika. Izy ireny dia mitondra ny Fanahy ao am-pontsika sy manome toky antsika ny amin’ny zavatra izay marina ary mampatanjaka antsika eo anoloan’ny fakam-panahy ho avy.

2. Lainga sy Fitaka

Indraindray i Satana dia milaza amintsika zavatra toy ny hoe: “Tsy manao zavatra tsara na oviana na oviana ianao,” “Efa be loatra ny fahotana vitanao ka tsy ho voavela heloka ianao,” “tsy afaka miova ianao,” na “tsy misy dikany ianao ary tsy misy olona miraharaha anao.”

Laingaireo. Aza mino an’izany! Izao no marina: Tia anao Andriamanitra ary mifaly aminao Izy satria Zanany ianao. Mahatalanjona ianareo! Afaka ny ho lasa lavitra ianao, ary rehefa manaraka Azy ianao, dia mamirapiratra ny hoavinao. Na dia nanao fahadisoana aza ianao dia mbola afaka manana fanantenana ary, rehefa miaraka amin’i Kristy, dia hanatsara ny zava-misy.

Azonao antoka hatrany fa hilaza lainga aminao i Satana. Afaka matoky ny Fanahy hatrany ihany koa ianao fa hilaza ny marina aminao izy (jereo Jakôba 4:13). Izany no antony iray maha manan-danja ny fiezahantsika mba hanana ny Fanahy miaraka amintsika mandrakariva.

Afaka mamantatra sy mahatohitra ny laingan’i Satana ihany koa isika amin’ny alalan’ny famakiana tsy tapaka ny soratra masina sy ireo hafatra avy amin’ny mpitarika eo anivon’ny Fiangonana. Afaka mitady soratra masina mankahery sy teny nindramina mba hampahatsiahy anao ireo fahamarinana izay manohitra ny laingan’i Satana ianao. Afaka manao tsianjery azy ireny ianao na mametraka azy ireny amin’ny toerana izay hahitanao azy ireny matetika.

3. Fahakiviana

Tian’i Satana ny mahita antsika kivy. Tiany ny hinoantsika fa ny zavatra mitambesatra amintsika dia ho eo mandrakariva. Saingy tsy marina tsotra izao izany.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa katsahin’i Satana ny hinoantsika izany satria “ fantany [Satana] fa tsy afaka mivelatra izy , tsy afaka miova izy , ary tontolo tsisy fiafarana, tsy hanana hoavy mamirapiratra izy . Olona fadiranovana voafatotry ny fetra mandrakizay izy ary maniry anao ho fadiranovana koa. Aza manaiky ho azon’izany.”1

Tian’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ianao mba ho faly. Raha miantehitra amin’izy ireo ianao dia afaka hanampy anao hiaritra fisedrana sy hahita fiadanana sy fifaliana Izy ireo.

Fantatsika hoe izy no handresy amin’ny farany

Ny Mpamonjy dia manasa antsika “[hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Rehefa manaraka izany fanasana izany isika dia hahery kokoa hatrany noho ny fanandraman’i Satana hamitaka antsika ny Fahasoavany feno fanavotana sy ny Heriny. Tsy mila lasa rembin’ny paikadin’i Satana isika. Afaka hanana ny risi-po sy hery handresena ny fakam-panahy ataon’i Satana isika ary haharitra ny fanamby eo amin’ny fiainana.

Sary
Jesoa Kristy

Aoka tsy hitebiteby ny fonareo, nataon’i Howard Lyon

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Nilaza toy izao ihany koa Izy: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33).

Afaka manondrotra sy mampatanjaka antsika amin’ny paikadin’i Satana rehetra izay entiny hanoherana antsika i Jesoa Kristy. Rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy sy ireo Fampianarany isika dia afaka ny hahita ireo hafetsena sy safelika ataon’i Satana ka hahita “ny zavatra araka ny tena toetrany”(Jakôba 4:13).

Hamoaka printy