2022
Tamin’ny fomba ahoana no nahariana ny tany?
Janoary 2022


“Tamin’ny fomba ahoana no nahariana ny tany?,” Ho zatovo mahery!, Jan. 2022.

Teneno mivantana

Tamin’ny fomba ahoana no nahariana ny tany?

Sary
Jesoa Kristy mamorona ny tany

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Ka ahoana no Nanaovany izany? Ireto ny zavatra sasantsasany fantatsika:

Nahary ny tany i Jesoa Kristy. Nitarika ny asa Famoronana ny Ray any an-danitra; I Jesoa Kristy no nanatontosa izany tamin’ny alalan’ny fisoronana. “tamin’ny alalan’ny Lahitokako no nohariako … ny tany” (Mosesy 2:1).

Tamin’ny alalan’ny singa efa nisy no nanorenana an’izao tontolo izao, fa tsy noforonina avy tamin’ny zava-poana. “Ary haka amin’ ireto akora ireto isika dia hanao tany iray” (Abrahama 3:24).

Nitranga tao anatina ambaratonga enina ny Famoronana. Nitranga nandritra ny ambaratonga tsirairain’ny Famoronana ny zavatra sasan-tsasany. Ohatra, niaraka vita ny zava-maniry, tamin’ny sehatra hafa kosa ny bibin-dranomasina sy ny vorona, ary tamin’ny ambaratonga hafa ny biby sy ny olona.

Tsy voafaritra mazava ny faharetan’ny fotoana nisehoan’ireo ambaratonga ireo. Indraindray ireo soratra masina no miantso ireo ambaratonga ireo ho “andro,” saingy tsy midika akory izany fa hoe 24 ora ny andro. Misy tantara miresaka momba ny “andro” (jereo Abrahama 4). Tsy fantatsika ny halavan’izy ireo.

Any aoriana any dia ho voavaly ny fanontaniantsika mahakasika ny Famoronana. “Amin’ izay andro izay, rehefa ho avy ny Tompo, dia hambarany ny zavatra …rehetra—zavatry ny tany, izay tamin’ izany no nanaovana azy ” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–33).

Hamoaka printy