2022
Mitady an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Testamenta Taloha
Janoary 2022


“Mitady an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Testamenta Taloha,” Ho zatovo mahery, Jan. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Mahita an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny Testamenta Taloha

Indreto misy fomba telo hahafahanao mitady ny Mpamonjy rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity.

Sary
Jesoa Kristy

Fanontaniana tsy ampoizina: Iza amin’ireo boky soratra masina no momba an’i Jesoa Kristy? Hmm. Andao ho jerena:

Ny Bokin’i Môrmôn dia testamenta iray hafa momba Azy.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia amboarana hafatra avy Aminy ho an’i Joseph Smith sy ny mpaminany hafa.

Mamisavisa ny zava-nitranga nandritra ny Androm-piainany ny Testamenta Vaovao.

Fa ahoana kosa ny momba ny Testamenta Taloha? Moa ve mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ihany koa izany?

Eny! Raha ny marina dia nanao ezaka misimisy kokoa tamin’ny fanampiana ireo Mpianany hahatakatra ny anjara Asany ao amin’ny Testamenta Taloha ny Mpamonjy: “Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra”(Lioka 24:27).

Indreto misy fomba telo hahafahanao mahita an’i Jesoa Kristy rehefa mitrandraka ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity.

1. Soratra masina izay miresaka momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fampiasana anarana hafa.

Matetika no antsoina hoe “Tompo” na “Andriamanitra” i Jesoa ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo taha-dikan’ny Baiboly izay navoakan’ny Fiangonana dia ahitana fanamarihana ambany pejy izay afaka hanampy anao hahatakatra rehefa miresaka momba an’i Jesoa Kristy ny andininy iray. Ohatra, rehefa niresaka tamin’Andriamanitra tao amin’ilay roimemy nirehitra afo i Mosesy (jereo Eksôdôsy 3:6), dia manazava ny fanamarihana ambany pejy fa niresaka tamin’ny Mpamonjy izy.1 Nandrisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handalina ireo anarana samihafa sy fiantsoana an’i Kristy ampiasaina ao amin’ny soratra masina.2

2. Zavatra sy tranga izay mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy.

Maro ireo soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha izay ahitana mari-pamantarana afaka hampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy hampahatsiahy antsika ny amin’ny fanampiana izay Atolony antsika. Ohatra:

  • Be dia be ireo soratra masina izay milaza fotoana nandidiana ireo vahoaka mahatoky mba hanao sorona biby ho anisan’ny fitsaohan’izy ireo. Ohatra, raha nanisy marika tamin’ny ran’ondry ny varavaran’izy ireo ny zanak’Isiraely dia voaro tamin’ny fandringanana mahatsiravina. Ireo sorona ireo dia mampahatsiahy antsika fa i Jesoa Kristy dia namela ny Tenany ho vonoina araka ny Sorompanavotany mba handresena ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. (Jereo Eksôdôsy 12:13.)

  • Nisy fotoana ny mpaminany iray nantsoina hoe Elia dia nila niafina tany an-tany foana. Nalahelo mafy izy ka nilaza fa satriny raha ho faty izy. Raha natory izy dia nisy mofo sy rano nipoitra tamin’ny fomba mahagaga ka nanome hery azy ara batana sy ara-pietsehampo mba hahafahany mandroso hatrany. Izany dia mampahatsiahy antsika fa i Jesoa Kristy no ilay Rano Velona sy Mofon’aina, ilay loharano faran’ny fanantenana sy fiainana. (jereo 1 Mpanjaka 19:1–8.)

  • Nanoratra toy izao ny mpanao salamo iray “ Fanilon’ny tongotro (…) ny teninao,” (Salamo 119:105). Ary nijoro ho vavolombelona toy izao manaraka izao i Mika, “Raha mitoetra ao amin’ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy” (Mika 7:8). Mampahatsiahy antsika ireo tenin’izy ireo fa Jesoa Kristy no Fahazavan’Izao tontolo izao, ka mitarika antsika hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Rehefa mamaky ianao dia mety hahita zavatra hafa izay mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy sy ny Fahafahany hanavotra antsika. Ohatra, rehefa voavonjy tamin’ny safo-drano tao amin’ny sambofiara ny fianakavian’i Noa na rehefa nomena fotoana hibebahana i Jona rehefa tao anatin’ ilay trozona. Ireo tranga ireo dia mety hampahatsiahy antsika fa ny Mpamonjy dia afaka mitondra antsika hiatrika ny tafio-drivotry ny fiainana sy hiverina indray amin’ny lalana tsara. (Jereo ny Genesisy 7:1; Jona 1:17.)

3. Andinin-tsoratra masina izay maminany momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

Ankehitriny isika dia miandrandra sy miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Tahaka izany ihany koa, ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia niandrandra sy nanoratra mikasika ny Fiaviany voalohany, rehefa teraka teto an-tany Izy. Ohatra:

  • Nilaza ny mpaminany iray nantsoina hoe Balama fa “misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ” (Nomery 24:17). Midika izany fa ho teraka avy ao amin’ny taranak’i Jakoba (na Isiraely) ny Mpamonjy.

  • Nilaza tamin’i Davida Mpanjaka ny mpaminany iray nantsoina hoe Natana fa ho iray amin’ireo taranak’i Davida i Jesoa Kristy—fa ny taranany dia hampitoetra “ny seza fiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay” (2 Samoela 7:13).

  • Ny mpaminany Isaia dia nanoratra ny sasany tamin’ireo fanoritsoritana fanta-daza momba ny Mpamonjy. Natao tonon-kira tao amin’ny Messiah an’i Handel ny sasany tamin’ireo teniny, izay matetika hiraina mandritra ny fotoana Krismasy. (Jereo Isaia 7; 9; 40; 53.)

Sary
ankizivavy mamaky soratra masina amin’ny alalan’ny fitsilovana amin’ny jiro

Rehefa manao fanazaran-tena kely dia ho afaka ny hahita an’i Jesoa Kristy manerana ny Testamenta Taloha ianao. Tiany manokana ianao, sahala amin’ny nitiavany an’i Adama sy Eva, Aharôna sy Miriama3—ary ny maro hafa izay Notompoiny manokana tao amin’ireo tantara taloha sy mitaona fanahy ireo. Ho taona mahatalanjona handalinana ny soratra masina ity taona ity rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy miraka amin’ny fifanampian’ny olona tsirairay avy.

Hamoaka printy