2022
Fantatro ny hasarobidiko
Janoary 2022


“Fantatro ny hasarobidiko,” Ho zatovo mahery! jan. 2022.

Izaho sy ny teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny teny filamatry ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Fantatro ny hasarobidiko

“Izaho dia zanakavavy malalan’ny Ray aman-dReny any An-danitra.”

Sary
zatovovavy iray

Sary nalain’i Christina Smith

Any amin’ny faritra maro any Jamaika, ny mpianatra toa ahy dia mila manala fanadinana mba hidirany any amin’ny lisea izay tiany. Nianatra mafy izaho sy ireo namako mba hahafahanay rehetra ho tafiditra amin’ny lisea izay farany tsara. Nankahery ahy hatrany ny reniko rehefa nanomboka nanahy ny amin’ny tsy hahavitako izany aho. Nampahatsiahiviny ahy fa iray amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra aho ary hanampy ahy handeha amin’ny lalana tsara Izy.

Rehefa tonga ny valim-panadinana dia nahazo naoty ambony indrindra izay azoko notratrarina aho. Feno fientanam-po izaitsizy tokoa aho satria midika izany fa afaka hiaraka amin’ireo namako rehetra aho!

Saingy tsy ela akory dia nahafantatra aho fa tsy nahazo ny naoty ambony izay nilaina ny iray tamin’ireo namako. Nalahelo be daholo izahay fa tsy afaka ny hiaraka aminay izy. Saingy nahita fifaliana tamin’ny fahatsiarovana ny zavatra izay nampianarin’ny reniko ahy aho. Zanakavavy tsaran’ny Ray any an-danitra ihany koa ilay namako, ary hanampy azy ihany koa Izy, na inona na inona naoty izay azony.

Niala ny fientanam-poko rehefa nanomboka niteny tamin’ny olon-drehetra io namako io fa tsy mendrika ny hiditra tao amin’izany lisea izany aho—fa tokony ho izy no tafiditra tao tamin’ny toerako. Nanohana azy ny ankamaroan’ireo namako ary tsy niaraka tamiko intsony izy ireo. Nanomboka tsy natoky tena aho. Tena mendrika ny tafiditra ao ve aho?

Niverina nieritreritra ny zavatra izay nampianarin’ny reniko ahy aho: fa izaho dia miavaka natao tamin’ny endriky ny Ray any an-danitra.

Ankehitriny dia ao amin’ilay sekoly vaovao aho, ary nahazo namana vaovao. Manohana ahy izy ireo ary mampahatsiahy ahy ny hasarobidiko. Nianatra aho fa tsy misy lanjany ny zavatra izay lazain’ny sasany mahakasika ahy. Ravoravo aho rehefa miezaka ny ho tonga olona izay tian’Andriamanitra hahatongavako—satria izany no tiako hahatongavana.

Monina any Jamaika ny mpanoratra.

Hamoaka printy