2022
Matokia an’i Jehovah
Janoary 2022


“Matokia an’i Jehovah,” Ho zatovo mahery, Jan. 2021.

Matokia an’i Jehovah

(Ohabolana 3:5–6)

Manasa anao hatoky Azy amin’ny zava-drehetra Andriamanitra.

Indraindray rehefa misy zava-tsarotra mitranga dia manontany tena isika raha toa ka afaka mitoky amin’olona, anisan’izany Andriamanitra. Matahotra isika hoe mety handiso fanantenana antsika ihany koa Izy. Ny vaovao tsara dia hoe tia tanteraka antsika Andriamanitra. Tsara fanahy sy malala-tanana ary marin-toetra Izy. Tsy miova sy azo ianteherana Izy.

Ary noho izany dia afaka matoky azy isika na inona na inona mitranga. “Matokia an’i Jehovah” (Ohabolana 3:5–6) no teny filamatry ny zatovo ho an’ity taona ity.

Ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny fomba nahatonga anay tsirairay avy ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy maneran-tany hatoky ny Tompo.

Sary
Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Michelle D. Craig

Bonnie H. Cordon

Rebecca Craven

Antony itokisana an’Andriamanitra

Nifindra-monina lavitra ny fianakaviako andro vitsivitsy monja talohan’ny hahafeno 16 taona ahy. Noheveriko hoe ratsy fahatongavana izany! Rehefa manao jery todika aho dia hitako mazava tsara fa ny ankamaroan’ireo fitahiana lehibe azon’ny fianakaviako sy azoko manokana dia tonga noho ilay fifindranay fony aho mbola tanora. Mety tsy ho takatray ny fandaharam-potoanan’ny Tompo tamin’io fotoana io, saingy matoky Azy izahay satria afaka matoky ny Fony sy antony Nanaovany an’izany.

Michelle D. Craig

Matokia ny fandaharam-potoanan’ny Tompo

Nahazo ny antsoko manokana mba hanao asa fitoriana ny filazantsara mialoha ny taona mahazatra ho an’ny rahavavy manao misiônera aho noho ny antso azon’ny raiko mba ho filohan’ny misiôna. Midika izany fa hiditra ny ivontoerana fanofanana misiônera alohan’ny fahavitan’ny fianarako ao amin’ny lisea aho. Ho ahy dia ratsy ilay fandaharam-potoana, saingy nahazo fanamafisana ara-panahy mba hatoky ny Tompo aho. Nataoko izany, ary dia nizotra tsara ny zava-drehetra.

Ny fatokisana ny Tompo dia midika hoe mandroso hatrany na dia toa tsy mazava tanteraka aza ny lalana.

Bonnie H. Cordon

Matokia an’Andriamanitra mandritra ny fotoan-tsarotra

Hatramin’ny fahazazako dia efa manam-pahefana tao amin’ny tafika no asan’ny raiko. Ny mba hany zavatra tsy dia tsara momba ny asany dia ny tsy maintsy nandehanany hiady. 13 taona aho raha nandeha ho any Vietnam fanindroany ny dadako. Tao an-tsaiko foana ny tahotra fa mety tsy hiverina izy, saingy tao an-tsaiko ihany koa ny fatokisana ny Tompo. Talohan’izy nandeha dia nanome tsodranon’ny ray ahy ny dadako ka nanome toky ahy fa hiaraka amiko ny Tompo ary hanampy ahy mandritra ny fotoana maha lavitra azy. Dia nahatsapa fiadanana aho. Na dia tsy fantatra zato isan-jato aza fa hiverina hody soa aman-tsara ny dadako dia natoky aho fa handeha tsara ny zava-drehetra na inona na inona hitranga.

Rebecca Craven

Sary
Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany

Ahmad S. Corbitt

Steven J. Lund

Bradley R. Wilcox

Apetraho amin’ Andriamanitra ny tenanao

Nanapa-kevitra ny hanome ny fiainako sy ny fotoanako, ary ny foko ho an’ny Tompo aho rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony aho mbola tanora. Na dia somary nampatahotra kely aza ny karazana fanoloran-tena toa izany dia fantatro fa nety ny zavatra nataoko. Tsapako fa notakian’ny Ray any an-danitra tamiko izany, ary dia nanana fiadanana tamin’ny fanaovana an’izany aho. Feno fankasitrahana aho fa nisafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy namela Azy hanjaka ao amin’ny fiainako. Azo antoka fa raha natoky ny fahendreko samirery aho dia tsy ho feno fifaliana sy fiadanam-po toy izao ny fiainako.

Ahmad S. Corbitt

Matokia ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo

Rehefa avy nanao asa fitoriana aho dia nahatsapa fa tokony hanao miaramila fa tsy hiverina hianatra. Nitana ny laharana farany tamin’ny zavatra tiako hatao izany! Very hevitra aho, saingy nianatra natoky an’Andriamanitra aho, ary dia nahazo finoana ampy mba hihainoana sy hankatoavana Azy aho. Lasa miaramila nandritra ny telo taona aho.

Nikoriana avy tamin’izany fanapahan-kevitra izany ny ankamaroan’ny zava-tsoa maro eo amin’ny fiainako, anisan’izany ny fihaonako tamin’ny olona lasa vadiko.

Steven J. Lund

Matokia ny bitsika avy amin’Andriamanitra mba hanaovana asa izao dia izao

Rehefa nampianatra ny kilasy fahenina nandritra ny telo taona aho dia nahalala fa raha mbola mampianatra mandritra ny efa-taona aho dia handoa ny ampahany amin’ny saram-pianarako ilay sekolin’ny distrika mba hahafahako mahazo ny diplaoma maitrise. Ohatran’ny hoe drafitra tsara dia tsara izany—hatreho amin’ny fotoana nibitsihan’ny Fanahy aho hiala amin’ny asako ka hiverina ary haka ny diplaomako amin’izany fotoana itenenako izany. Nahazo bitsika nitovy tamin’izany ny vadiko ka dia notanterahinay izany. Nidika izany fa nila niantoka ny saram-pianarana samirery izahay. Saingy satria nanao an’izany izahay dia voaray nampianatra tao BYU—Provo aho. Tsy ho nisokatra velively izany fahafahana izany raha toa ka mbola niandry efa-taona fanampiny izahay. Tsy fantatray hoe hanao ahoana ny zava-drehetra, saingy nitarika ny lalanay araka ny efa Nampanantenainy ny Tompo.

Bradley R. Wilcox

Hamoaka printy