2022
Miala voly kely
Janoary 2022


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery!, jan. 2022,

Miala voly kely

Ireo Fomba Hifandraisanahatrany

Fomba farany izay tsara indrindra hifandraisana amin’ny hafa ny fihaonana mivantana. Saingy tsy afaka ny hihaona mivantana foana isika. Ireto ary misy fiaraha-mientana amin’ny fomba virtoaly vitsivitsy izay tsara hatao amin’ity taona ity mba hiatrehana ny tsy fisian’ny fihaonanareo mivantana. Isaorantsika i Sarah F. avy ao Californie, Etazonia izay nandefa an’izy ireto!

  1. Mandefasa rohy mitondra amina pejy fandokoana amin’ny alalan’ny email, ataovy printy any an-trano izany, lokoy ilay izy, ary zarao ilay sary ao amin’ny vondrona fandefasana hafatra. Avy eo dia asivo fanamarihana mahafinaritra ao ambadika ary dia alefaso email amin’ny namana iray.

  2. Manaova dihy mampihomehy ao anaty horonan-tsary dia zarao amin’ireo namana ao amin’ilay vondrona izany.

  3. Manaova fifaninanana maka sary selfie mahatsikaiky.

  4. Mijereva endri-javatra amin’ny rahona mandritra ny andro vitsivitsy mialoha ny fihaonana amin’ny fomba virtoaly. Samy maka sarina rahona izay miendrika zavatra ny tsirairay, ary avy eo dia miaraka mizara ny sary sy mizara ny hevitra ananana momba ny endrik’ilay rahona.

  5. Manaova hetsika fanampiana farany izay betsaka. Jereo hoe firy ny asa fanompoana izay vitan’ny tsirairay ao amin’ny vondrona zatovo misy anao ao anatin’ny herinandro iray, ary avy eo dia zarao ny zavatra vitanao.

  6. Mifanakaloza fomba fahandroana. Asehoy amin’ny horonan-tsary ny zava-bitanao , ary avy eo dia miaraha mihinana.

  7. Manaova kilalao fitadiavana zavatra ao an-trano dia izay mahita voalohany mampiseho eo amin’ny efijery. Manaova lisitra ny zavatra miisa folo hotadiavina ao an-tranonareo. Mandresy ny olona voalohany izay mandefa sary amin’ny sary miisa 10.

  8. Manaova fifaninanana fomba fitafy amin’ny zavatra efa misy ao an-tranonareo. Mifidy izay farany tsara, farany mampihomehy, mahatsikaiky, sns.

  9. Manaova hetsika fankasitrahana farany izay betsaka. Mizarà fankasitrahana farany izay betsaka momba ny tsirairay izay vitanareo mandritra ny takariva iray na mandritra ny fotoana lavalava kokoa aza.

Mbola manana zavatra tianao hanampiana io lisitra io ve ianao? Alefaso ao amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org izany mba hahafahanay mizara izany amin’ny zatovo hafa.

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra

Manaova sarina zavatra izay mifandray amin’ny teny filamatry ny zatovo amin’ity taona ity.

Sary
Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2022

Ny lalana mitondra amin’ny tanjona

Efa nametraka tanjona momba ny fandaharanasa fivoaran’ny tena manokana araka ny Kilonga sy ny Zatovo ho an’ity taona ity ve ianao? Ireto misy fanazaran-tena kely mikasika ireo tanjona efatra lehibe ao amin’izany. Jereo raha afaka mandeha amin’io labyrinthe io ianao ka ho tody eny amin’ireo toeram-pisavana efatra mialoha ny handehanana eo afovoany!

Sary
zatovovavy iray

Sary nataon’ i Josh Talbot

Tantara an-tsary

Sary
ray sy zanakalahy

Nisy nahita ve ny raketan’ny tennis-ko?

Val Chadwick Bagley

Valin’ny labyrinthe

Sary
Vahaolana amin’ny labyrinthe

Hamoaka printy