2022
Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana sy ny anjaranao araka an’ Andriamanitra
Janoary 2022


“Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana sy ny anjaranao araka an’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! Jan. 2022.

Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana sy ny anjaranao araka an’ Andriamanitra

Ny fahatakarana sy ny fiainana araka ny drafitry ny fahasambarana dia mamela anao hahatratra ny anjaranao araka an’ Andriamanitra.

Sary
mianika tendrombohitra

Sary nataon’i Albert Espí

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno ny teny hoe anjaraianao? Mieritreritra zavatra efa voalahatra sy tsy azo ialana ve ianao? Zavatra mahatsiravina na mahafinaritra izay tsy azo ovaina na inona na inona ataonao? Na mety ao an-tsainao ny mahery fo iray tao anatin’ny horonan-tsary na boky iray, izay voalahatra fa hahatontosa ny zavatra nokatsahina, hanavotra an’izao tontolo izao, na ho lasa mpanjaka na mpanjaka vavy?

Mety hanaiky an’ireo fandikana ireo ny rakibolana; na izany aza anefa, rehefa miresaka momba ny anjara araka an’ Andriamanitraisika, dia zavatra hafa mihitsy no tiantsika holazaina. Tsy sahala amin’ny anjara izay vakinao ao amin’ny boky na hitanao ao amin’ny horonan-tsary, ny fahatratrarana ny anjaranao araka an’Andriamanitra dia azo atao tsara noho ianao zanak’ Andriamanitra, saingy mitaky ny hampiasanao ny fahafahana misafidy anananao izany.

Manana ny hery rehetra any an-danitra sy eto an-tany Andriamanitra. Ny fanekempihavanana izay ataontsika amin’ny Raintsika any an-danitra dia mamela Azy mba ho mpiara-miasa amintsika rehefa mandalo ireo rivo-maherin’ny fiainana isika. Ny anjarantsika araka an’Andriamanitra—ilay mety ahatongavantsika rehefa miara-miasa amin’Andriamanitra isika—dia azo atao tsara amin’ny alalan’ny drafitry ny Famonjeny.

Ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny fahasambaranao dia hamela anao hamantatra ny maha-izy azy anao mandrakizay sy ny tanjonao. Ary hamela anao hahatratra izany tanjona izany ny fisafidianana ny hanao sy hitandrina ny fanekempihavanana amin’Andriamanitra.

Mamaky isika ao amin’ny bokin’i Mosesy fa “Nampaka[rina] … ho eo an-tendrombohitra avo izaitsizy tokoa [i Mosesy] ary nahita an’ Andriamanitra nifanatrika izy ary niresaka Taminy.” (Mosesy 1:1–2). Nampianarin’Andriamanitra momba ny tena maha-Izy Azy mandrakizay i Mosesy tamin’ny alalan’io fitsidihana manokana io. Na dia olona mety maty sy tsy tonga lafatra aza i Mosesy dia nianatra zavatra manan-danja momba ny tenany: tena zanakalahin’Andriamanitra izy (jereo Mosesy 1:6).

Tadidio hoe iza ianao

Tian’i Satana hohadinonao hoe iza ianao. Rehefa nandresy lahatra an’i Mosesy mba tsy hanao ny asa izay nomanin’ny Tompo ho azy i Satana, dia namaly tamin’ny risi-po i Mosesy ka nanao hoe, “Iza moa ianao? Fa indro, izaho dia zanak’ Andriamanitra” (Mosesy 1:13; nampiana fanamafisana). Taorian’izany dia nanambara i Mosesy hoe, “Mialà eto ry Satana; aza mamitaka ahy; (Mosesy 1:16; nampiana fanamafisana).

Raha amin’ny teny hafa dia hoy i Mosesy hoe: “Tsy afaka mamitaka ahy ianao satria fantatro hoe iza aho. Tsy manana ny fahazavan’Andriamanitra sy ny Voninahiny ianao. Koa nahoana aho no tokony hitsaoka anao na hino ny lainganao?”

Aza hadinoina na oviana na oviana fa tia anao Andriamanitra ary maniry ny hanampy sy hitahy anao. Ary manana lanja masina manokana ianao Aminy satria iray amin’ireo Zanany ianao. Iangaviana ianao mba haka fotoana hianarana ny tena dikan’izany hoe zanak’ Andriamanitra izany. Ary avy eo dia mametraha tanjona ka manaova safidy izay hanampy anao hiaina mifanaraka amin’izany fahalalana izany isan’andro.

Manana asa ho anao Aho

Manana olana maro mila vahana haingana ianao. Manana enti-mody amin’ny fianarana, finamanana, andraikitra ao amin’ny fianakaviana, ary angamba asa koa ianao. Mazava ho azy fa ny fanamby miandry anao dia ny hampifandanja ireo andraikitra manan-danja ireo amin’ny tena tanjon’ny fiainanao. Manana asa hampanaovina anao Andriamanitra (jereo Mosesy 1:6). Izany no valin’ilay fanontaniana hoe “Nahoana aho no eto an-tany?”

Amin’ny maha zanak’Andriamanitra anao dia tonga teto an-tany ianao mba handray vatana. Afaka misafidy ny hanaraka amim-pahatokiana an’i Jesoa Kristy ianao miaraka amin’ny vatanao. Afaka misafidy ny hitandrina ny didin’Andriamanitra ianao sy handray ireo ôrdônansy masina ary hanao sy hitandrina ny fanekempihavanan’ny filazantsara. Hanomana anao hahatontosa ny anjaranao araka an’ Andriamanitra ny fanaovana an’ireo zavatra ireo.

Afaka mahita ny lanjan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fandalinana ny soratra masina sy ny fivavahana isan’andro sy ny fametrahana tanjona tsara ary ny fanompoana ny hafa ianao rehefa manana an’io tanjona io mazava tsara ao an-tsaina. Ireo zavatra ireo dia manampy anao hahatsiaro ny antony tena maha eto anao, ary izy ireo dia hanampy anao ho mendrika ny handray ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay ilainao mba ho sambatra sy hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mibebaka sy manaraka ny Tompo amim-pahavitrihana ianao dia handray fanambarana manokana momba ny tari-dalana mahakasika ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainanao.

Sary
Mihanika ao anaty ala manaraka riandrano

Miezaha mba ho lasa ilay olona izay tokony hahatongavanao

Mety hahatonga anao tsy hifantoka amin’ny anjara asanao manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjena lehiben’Andriamanitra ireo fiahiahiana sy olana eo anivon’izao tontolo izao. Raha mitranga izany dia manasa anao aho mba hanatona an’i Kristy (jereo Môrônia 10:32). Tsy misy azo tanterahina ny zava-drehetra ao amin’ny drafitr’Andriamanitra mandrakizay raha tsy noho Izy, ary miaraka Aminy, azo tratrarina avokoa ny zava-tsoa rehetra.

Ny fiezahana hanaraka ny Mpamonjy no fomba tsara indrindra hitandremana fomba fijery mifanaraka amin’ny filazantsara. Afaka miatrika amim-pahatokisana ireo fanamby eo amin’ny fiainana ianao miaraka amin’ny finoana sy ny fanantenana Aminy. Hanana fahazavan-tsaina bebe kokoa ihany koa ianao rehefa manao safidy sy mamaha olana sy manatratra tanjona marina ary miatrika fakampanahy.

Hiantefa amin’ny mandrakizay ireo fanapahan-kevitrao. Afaka hanana fifaliana ianao eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana manaraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavany manavotra. Afaka manatanteraka ny anjaranao araka an’ Andriamanitra ianao amin’ny fandraisana ny zava-drehetra Ananany sy ny fiainana karazam-piainana izay hitarihany, izay “fiainana mandrakizay, … fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Hamoaka printy