2022
Injenieran’ny fifaliana
Janoary 2022


“Injenieran’ny fifaliana,” Ho zatovo mahery! jan. 2022.

Injenieran’ ny Fifaliana

Ity zatovolahy iray avy any Alemana ity dia mahita fahalalana sy hatsarana ary fifaliana amin’ny karazana toerana maro—ary rehefa mahita an’izany izy dia mizara izany.

Sary
zatovolahy iray

Manamboatra ny maodelin’ny maoteran’ny fiarany i Patrick.

Sary nalain’i Julian Klemm

Milaza i Patrick L., 16 taona avy ao Bavaria, Alemana, fa ny taranja tiany indrindra amin’ny fianarana dia ny matematika, fizika ary simia. Raha tsorina dia tiany dia tiany ny siansa ka dia naniry ny hizara izany amin’ny hafa izy amin’ny alalan’ny fanoratana boky iray momba ny fizika (raha tsorina dia ny thermodynamique sy ny magnétisme).

Ny asa tiany dia ny ho injeniera, mampivelatra fitaovana ara-teknika toy ny maotera mandeha ho azy. (Izao koa, ny ivon-toerana fanamboarana fiara BMW sy Audi dia miala adiny iray sy adiny roa sy sasany monja avy eo amin’ny toeram-ponenany.)

Saingy tsy ny siansa irery ihany no toerana ahitan’i Patrick zavatra manome hery sy zavatra mahaliana.

Siansa sy ny sary an-tsaina

Eny tokoa, i Patrick dia manana fitiavana lalina ny siansa, fa ny zavatra mahaliana azy dia mihoatra lavitra noho ny zava-misy mangatsiaka sy sarotra ary ny raikipohy.

“Efa nanoratra boky fizika aho, fa izao kosa aho dia manao boky mirakitra tantara noforonina”, hoy ny fanazavany. “Ny boky soratako dia momba ny zavaboary majika sy ny tontolon’izy ireo. Ary avy eo misy tanora vitsivitsy mamaha ny olana.”

Ity tetik’asa farany ity dia nentanin’ny fitiavan’i Patrick ireo tantara nofinofy toa ny andiany Harry Potter sy Percy Jackson . Ny fanoratana boky etsy an-kilan’ny zavatra hafa atao dia zavatra nirosohan’i Patrick taorian’ny nilazan’ny dadatoany fa zavatra mahafinaritra izany. “Nifindra tamiko ny fifaliany,” hoy i Patrick

Sary
zatovolahy iray miaraka amin’ny boky

Izany fifaliana mifindra izany dia nahatonga an’i Patrick naka izay fantany momba ny fitsipika sy ny zava-misy mikasika ny tontolo azo tsapain-tanana ka nanoratra boky momba azy ireny. Nahatonga azy haniry hamorona tantara mahatalanjona ihany koa izany. Ary tsy misy zavatra mifanohitra ao anatin’izany. Toa fantatr’i Patrick fa ny fahamarinana sy ny hatsaran-tarehy ary ny fifaliana dia hita amin’ny toerana maro. Ary tiany hotadiavina sy hoforonina ary hozaraina ireny zavatra ireny na aiza na aiza misy azy ireny.

Ny tontolo voajanahary

Mahatakatra zavatra maro momba ny lalàn’ny tontolo azo tsapain-tanana i Patrick. Saingy mijery mihoatra ny zava-misy ihany koa izy mba hahitany ny hatsaran-tarehy any.

“Mipetraka akaikin’ny ala iray aho,” hoy izy. “Tombony azo avy amin’ny fipetrahana ao amin’ny tanàna kely iray izany—afaka mandeha haingana any anaty ala ianao ary mahita fitoniana ao.”

Sary
ny renivohitr’i Alemana

Tiany ny lalana maro ao anaty ala amin’ny fitsangantsanganana na, indrindra, fandehanana bisikileta. “Tiako ny mandeha bisikileta. Fialam-boly tena tsara izany raha amiko manokana,” hoy izy. “Imbetsaka aho no mitaingina bisikileta. Indray mandeha aho dia nitaingina bisikileta ka nahavita 1 200 kilaometatra tao anatin’ny roa herinandro.”

Sary
zatovolahy iray sy ny bisikiletany

Manome aingam-panahy ny sain’i Patrick ny siansa, ary ny vavaka dia manentana ny fanahiny. “Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny vavaka aho,” hoy izy. “Afaka mivavaka amin’ny [Ray any An-danitra] ianao na aiza na aiza.”

Indraindray dia tiany ny mihanika tendrombohitra na mandeha bisikileta any anaty ala miaraka amin’ny fianakaviany iray manontolo (i neny, dada, zandriny lahy anankiroa,sy ny zandriny vavy anankiroa) na miaraka amin’ny dadany irery ihany. Matetika izy no mandeha irery. Saingy mahita fitoniana sy hatsarana hatrany ao amin’ny zavaboary izy.

Sary
zatovolahy iray mitaingina bisikileta

“Tena tsara tokoa ny fiposahan’ny masoandro ety amin’ny manodidina,” hoy izy. “Indraindray dia afaka mahita ireo Alpes (filaharana tendrombohitra) avy ety ianao na dia lavitra be aza izy ireo. Ary rehefa miposaka ny masoandro, dia voataratra izany, ka miaraka amin’ireo tendrombohitra dia ho hitanao ilay lanitra menamena mahate-ho tia, ary dia tsara tarehy tokoa izany.”

Karazana fahalalana hafa

Ankoatry ny zava-misy amin’ny siansa voajanahary sy ny hatsaran’ny natiora voajanahary, dia manome lanja ny fahamarinana ihany koa i Patrick—ny karazana fahamarinana izay tsy hita raha tsy amin’ny alalan’ny vavaka irery ihany.

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny maodelina maotera ana fiara

“Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny vavaka aho,” hoy i Patrick. “Mandohalika, mamoritra ny tanako, manana fiadanam-po sy fahanginana, ary avy eo mivavaka. Manana fijoroana ho vavolombelona lehibe momba izany aho.”

Manazava izy fa misy ifandraisany amin’ny zavatra nolazaina azy tao amin’ny tsodranon’ny patriarikany ny fijoroana vavolombelona ananany. “Izany dia milaza fa tokony hotsaroako hatrany fa vavaka iray monja no manelanelana ahy sy ny Ray any an-danitra,” hoy izy. “Afaka miresaka Aminy ianao na aiza na aiza. Eo foana Izy ho anao na aiza na aiza, ary afaka mahazo valim-bavaka ianao na aiza na aiza.”

Mihatsara ny traikefany amin’ny fandraisana valim-bavaka hoy izy, rehefa misy karazana dingana arahany. “Misy karazana vavaka izay ahatsapako mafy ny Fanahy Masina. Rehefa nametraka tanjona amim-pahatsorana aho ka manana fanontaniana amim-pahatsorana dia mipetraka tsara ary manao zavatra araka izay voalaza ao amin’ny soratra masina, ary miandry sy mampiasa fotoana—rehefa mahavita izany aho dia manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka foana ary mahatsapa ny Fanahy Masina.”

Tadidin’i Patrick ny fotoana iray izay nanolorany vavaka toy izany. “Imbetsaka isika no miresaka momba an’i Joseph Smith sy ny fomba nivavahany sy nandraisany valim-bavaka fony izy 14 taona,” hoy izy. “Araka izany dia nipetraka aho—nandeha tany anaty ala koa aza aho—ary dia nivavaka aho. Ary dia nandray valim-bavaka aho. Ary dia faly aho tamin’izany. Ary dia nampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona izany.”

Mizara ny zavatra fantany

Tahaka ny nikatsahany hizara ny fahalalàny ara-siantifika sy ny fisainany tia mamorona, i Patrick koa dia mikatsaka ny hizara ny fahalalany ara-panahy.

Nanomboka izy feno 12 taona no efa nandany fotoana tamin’ny fanampiana ireo misiônera miasa amin’ny fotoana feno. Indray mandeha koa izy dia efa nanasa namana iray ho ao an-tranony mba handray ny lesona avy amin’ny misiônera. “Niresaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny izahay. Liana izy. Nihaino tsara izy sady nandray anjara ary namaky soratra masina. Namaky ny Jakoba 1:5izahay, izay novakian’i Joseph Smith ihany koa. Ary dia nasaiko namaky ny Joseph Smith—Tantara koa izy. Tena nandray anjara tokoa izy.”

Manaja ny finoany ireo mpiara-mianatra aminy any am-pianarana. “Tsy manenjika ny Fiangonana izy ireo fa manohana azy,” hoy ny nambarany. Na ny mpampianatra taranja fivavahana ao amin’ny sekoliny aza dia manohana azy. “Mihevitra izy fa tsara ny fananako finoana an’Andriamanitra ary dia ampiany mihitsy aza aho mba hahatratra ireo tanjoko.”

Rehefa mahavita ny fianarany sy tafiditra hianatra any amin’ny oniversite i Patrick dia mikasa hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ihany koa. “Mety hanomana amin’ny alalan’ny famakiana ny Torio ny filazantsarakoaho,” hoy ny nambarany. “Te haharaka ny zava-misy hatrany aho, hianatra lesona, sy handany fotoana betsaka miaraka amin’ny misiônera.”

Sary
zatovolahy manao sary sy manoratra

Tia mandefa lavitra ny fisainany i Patrick. Efa nanoratra boky mirakitra tantara nofinofy izy.

Mendri-piderana

Nianatra i Patrick fa maro ny zavatra izay “mendrika, maha-te-ho tia, tsara na mendrim-piderana” eny rehetra eny, hany ka dia mikatsaka ireny rehetra ireny izy (Fanekem-pinoana 1:13). Ary rehefa mahita an’izany izy dia mizara izany.

Na amin’ny siansa, fieritreretana, na natiora, dia mahita fahalalana mahafinaritra sy hatsaran-tarehy ambony izy na aiza na aiza hitodihany. Ary mahita ny fahalalana, hatsarana ary fahamarinana avo indrindra izy amin’ny alàlan’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy