2022
Ahoana no ahafahako mahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin’ny vondrona zatovo misy ahy?
Janoary 2022


“Fanontaniana sy Valiny,” Ho zatovo mahery!, Jan. 2022.

Fanontanianasy valiny

“Tsy dia misy zavatra itoviana amin’ireo olona ao amin’ny vondrona misy ahy aho. Ahoana no ahafahako mahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin’izy ireo?

Manolo-tanana ho an’ilay olona iray.

Sary
zatovovavy iray

“Mahatsapa mifandray bebe kokoa amin’ny hafa aho rehefa tena miezaka ny mandany fotoana miaraka amin’izy ireo manokana, fa tsy ao anatina vondrona fotsiny ihany. Raha te hahita olona hifankahazo aminao ianao dia mila manolo-tanana olona iray toa mila namana. Mety ianao no hisitraka bebe kokoa avy amin’izany noho izy ireo!”

Latyanna P., 17 taona, Singapour

Zarao ny zavatra mahaliana anao

Sary
zatovovavy iray

“Tsy mitovy ny zavatra tian’ny ankabetsahan’ny zatovo mitovy taona amiko. Tiako ny manontany azy ireo ny zavatra tiany satria mampiseho izany fa miraharaha azy ireo aho. Ary amin’izay dia manome fahafahana azy ireo ihany koa mba hanontany ny zavatra mahaliana ahy izany. Mitaky fotoana ny fanaovana fifandraisana amin’olona—miezaha hatrany!”

Erin F., 18 taona, Utah, Etazonia

Mitadiava marimaritra iraisana

Sary
zatovovavy iray

“Raha toa ianao ka te hanana fifandraisana akaiky kokoa amin’ny vondrona namana misy anao, dia mitadiava zavatra tsara sy manan-danja azonareo atao miaraka, na dia vitsy aza izany. Afaka mahita fialam-boly na fandaniam-potoana izay tianareo rehetra ianao. Mangataha fanampiana avy amin’ny Ray any an-danitra, ary dia hanome aingam-panahy anao Izy.”

Carla V., 12, Perou

Ankafizo ny fahasamihafanareo

Sary
zatovovavy iray

“Arakaraka ny iarahako amin’ny olona ao amin’ny vondrona misy ahy no itiavako ny zavatra mampiavaka azy ireo! Mianatra manompo azy ireo tsara kokoa aho, izay manampy ahy hanakaiky kokoa azy ireo sy an’i Jesosy Kristy. Zanaky ny Raintsika any an-danitra isika rehetra, noho izany dia manana zavatra itovizana maro mihoatra noho izay heverintsika isika.”

Sarah M., 16 taona, Oregon, Etazonia

Manandrama zava-baovao

Sary
zatovolahy iray

zatovolahy Manandrama zava-baovao hatrany mba handraisana tsara kokoa ny rehetra. Tsy dia tena tia lalao fanatanjahantena ny ankizilahy iray ao amin’ny paroasy misy ahy, saingy milalao miraka aminay foana izy. Avy eo dia manao zavatra mahaliana azy izahay, toy ny kilalao hakingana na milalao karatra. Fomba iray hahafahana mifandray ny fanandramana zava-baovao.”

Jarren M., 17 taona, Nouvelle-Écosse, Kanada

Manolo-tanana

“Manolora tanana ary manampia olona ao amin’ny vondrona misy anao izay mandalo fahasahiranana. Rehefa miezaka ny ho ohatra amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy isika dia hanampy antsika hifandray bebe kokoa amin’ny tsirairay izany.”

Joshua C., 20 taona, Faleniu, Samoa Amerikanina

Aoka Ianao Hitoetra amin’ ny Maha-ianao Anao

“Amin’ny farany dia mety hahita zavatra iraisana ianareo, saingy mety tsy hitranga avy hatrany izany. Mandrapahatongan’izany fotoana izany dia afaka mifandray mandritra ny fiaraha-mientana sy zavatra mitranga mandritra ny herinandro ianareo. Ankafizo ny fiaraha-mientana! Mandraisa anjara, ary mitoera amin’ny maha-ianao anao!”

Hannah W., 18 taona, Nouvelle-Écosse, Kanada

Hamoaka printy