Ho zatovo mahery!
Nasolonao ny ahy
Septambra 2024


Nasolonao ny ahy

Ireto ny tonon’ity hira avy amin’ny angon-kira momba ny Teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2024 ity.

Raha tokony handoa trosa aho,

dia toa tsy mendrika Anao.

Miezaka aho fa toa nofo ihany,

eo am-pivoarana hatrany,

dia ’njay reko miala

ny fahotana.

Be loatra ny hadisoana raha tantaraina,

Sy ireo alahelo nozakaina.

Dia hotsaraina aho aloha,

toa tsisy indrafo.

Indro Ianao nijoro hisolo ny adalako,

nanaiky hanefa ’zay tokony ho nefaiko.

Ny anaranao indray

no nasolonao ny ahy.

Ny ahy. Ny ahy. Ny ahy.

2. Afoiko ho Anao ’zato fanahy

sy ny fotoana izay mba ahy.

Tsy ho ampy izay ataoko ho Anao

fa izaho tsy ho afa-trosa Aminao,

Ny hany ilainao dia fo torotoro.

Be loatra ny hadisoako raha tantaraina,

Sy ireo alahelo nozakaina.

Dia hotsaraina aho aloha,

toa tsisy indrafo.

Indro Ianao nijoro hisolo ny adalako,

nanaiky hanefa ’zay tokony ho nefaiko.

Ny anaranao indray

no nasolonao ny ahy.

Ny ahy. Ny ahy. Ny ahy.

Be loatra ny hadisoako raha tantaraina,

Sy ireo alahelo nozakaina.

Dia hotsaraina aho aloha,

toa tsisy indrafo.

Indro Ianao nijoro hisolo ny adalako,

nanaiky hanefa ’zay tokony ho nefaiko.

Ny anaranao indray

no nasolonao ny ahy.

Ny ahy. Ny ahy. Ny ahy.

Afoiko ho Anao ’zato fanahy

sy ny fotoana izay mba ahy.

Hamoaka printy