Ho zatovo mahery!
Mandeha eo amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy
Septambra 2024


Mandeha eo amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy

Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy ianao ka mibebaka dia hitarika anao hiala avy ao amin’ny haizina ny heriny manasitrana sy mankahery.

Sary
raopilanina vita amin’ny taratasy

Tamin’ny sidina lava iray nataoko fony aho kapitenin’ny zotram-piaramanidina, dia niainga tao Alemana tamin’ny 11 maraina aho ary nipetraka tao Kalifôrnia tamin’ny 1 ora tolakandro io andro io ihany. Raha ampitahaina ireo ora fiaingana sy fahatongavana dia toy ny hoe adiny roa monja ny sidina namakivaky ny Ranomasimbe Atlantika nankany amin’ny kaontinanta Amerika Avaratra.

Nandeha haingana ny Boeing 747 saingy tsy tena nandeha haingana ihany! Raha ny marina dia naharitra adiny 11 teo ho eo ilay sidina hiampitana ny 9000 km, arakaraky ny rivotra.

Satria nisidina niankandrefana izahay dia tsy nilentika mihitsy ny masondro nandritra ny sidina nataonay. Nankafy ny hain’andro nibaliaka nandritra ny dia avy tany Alemana ka hatrany Kalifôrnia izahay. Tantara hafa mihitsy indray nefa ny fiverenanana nankany Alemana. Rehefa nisidina niantsinana izahay dia tonga haingana kokoa noho ny mahazatra ny filentehan’ny masoandro, tsy tsikaritray akory dia efa nirotsaka taminay ny alina.

Na dia nisidina nandritra ny alina, tao anatin’ny haizi-mikitroka tanteraka aza dia nahafantatra aho fa ny masoandro dia tsy miovaova, mafy orina ary azo ianteherana. Nahafantatra aho fa amin’ny farany dia hiposaka ny masoandro ary hiverina hitondra hafanana sy fiainana ho an’ny andro vaovao iray ny hazavana mamiratra mialoha ny hifaranan’ny dianay.

Indraindray ireo zavatra manodidina antsika dia toa ohatran’ny tsy mari-pototra sy tsy hay vinaniana ary maizina. Feno fankasitrahana aho noho i Jesoa Kristy. Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao. Noho izy dia afaka manana fanantenana amin’ny ho avy isika, sy afaka mahazo ny fahazavany masina ary ny fampanantenan’ny fandresena farany amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

Ny fitiavana sy ny herin’ny Mpamonjy

Nomen’i Jesoa Kristy an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra ny fiainany noho ny fitiavany antsika, ary novahany ny varavaran’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Na dia eo aza izay asain’i Satana inoanao dia tsy hoe tsy vitan’ny Mpamonjy ny mamonjy anao. Tsy hisy fotoana mihitsy hoe tsy ho “sakambininy mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavany” ianao (2 Nefia 1:15).

Tonga amin’ny alalan’ny hery manafaka sy manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy io fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra io. Noho ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy tao Golgôta dia hainy ny fomba hanampiana anao amin’izay olana rehetra mety ho lalovanao (jereo ny Almà 7:11–12).

I Jesoa Kristy no herinao!

Sary
I Jesoa Kristy mamihina lehilahy iray

Niteny ny FIloha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa [nanome io sorona fanavotana io] ho an’ny olona rehetra ny Mpamonjy dia nanokatra ny lalana Izy mba hahafahan’ireo izay manaraka Azy mahazo ilay heriny manasitrana sy mampahery ary manavotra.”

Eo foana io hery io, tahaka ny masoandro. Tsy hiozongozona mihitsy izany. Ny fanarahana ny dian’ny Mpamonjy dia toy ny hoe mivoaka avy ao amin’ny haizina ary mandeha mankamin’ny hazavan’ny masoandro izay hahafahanao mandray ireo fitahian’ny fahazavana sy ny hafanana ary ny fitiavan’Andriamanitra.

Fiantombohana vaovao mamirapiratra

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ny fomba niainan’ny Nefita tanaty haizim-pito lalina nandritra ny telo andro taorian’ny fanomboana ny Mpamonjy. Naneho ny tandindon’ny haizina ara-panahy izay iainantsika noho ny fahotana ilay haizina ara-batana nanodidina azy ireo. Nandre ny feon’i Kristy izy ireo avy eo, izay nanasa azy ireo hivoaka tao amin’ny haizina ary hanatona ny Hazavany.

“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?” (3 Nefia 9:13).

“Haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.” (3 Nefia 9:20

“[Mibebaha] ianareo ary [miverena] amiko amin’ny fo feno finiavana” (3 Nefia 10:6).

Ireo fanasana ireo ihany no alefan’ny Mpamonjy aminao rehefa hitanao hoe very ao anaty haizina ianao. Tsy misy hafa amin’ny masoandro miposaka isa-maraina izay manamarika fiandohan’ny andro iray vaovao, isaky ny mibebaka ianao dia mahazo ainga vao, fiantobohana vaovao mamirapiratra.

Amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsim-po ataonao, i Jesoa Kristy dia “hanolo ny fahatsapanao ho meloka amin’ny fiadanana sy fifaliana. Tsy hotsaroany intsony ny fahotanao. Hitombo ao amin’ny heriny ny fanirinao hitandrina ny didiny.”

Hanomboka “hanova ny fonao sy ny fiainanao ny Mpamonjy” raha vantany vao mandray ny dingana voalohan’ny fibebahana ianao. Hivoatra sy ho lasa hitovy Aminy tsikelikely ianao” ary Izy dia “hanome anao fahafahana lehibe kokoa hahazo ny heriny.”

Mahita fahasitranana maharitra

Ny Mpamonjy no Mpampianatra Mpanasitrana. Hita ao amin’ny fanompoany manokana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny iray amin’ireo fampisehoana ny heriny manasitrana tsara indrindra:

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo?” Hoy Izy nanontany. “Moa va ianareo … manana ireo izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho. …

“Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany Izy, dia niara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandroso niaraka … ; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany” (3 Nefia 17:7, 9).

Isaky ny nanasitrana olona ny Mpamonjy na taloha na taorian’ny Fitsanganany dia nijoro vavolombelona ny amin’ny heriny faratampony manasitrana ny fanahintsika Izy. Manondro ny fampanantenany momba ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po maharitra izay ho tonga amintsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty ny fanasitranana mahagaga tsirairay.

Indraindray mety tsy novaliana araka izay nantenainao ny vavaka fanasitranana nangatahinao, kanefa tsy misy hodian-tsy hita velively izy ireny. Ho tonga amin’ny fomban’ny Ray any An-danitra sy ny fotoanany ny fotoanan’ny fanasitranana any aoriana, tsy misy hafa amin’ny ali-mikitroka izay manome toerana mandrakariva ho an’ny masoandro miposaka feno voninahitra.

Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpanasitrana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay. Ampy hanasitranana ireo ratranao, hanadiovana ny fahotanao, sy hampatanjahana anao amin’ireo fitsapanao ny famindram-pony, ary hitahy anao amin’ny fanantenana sy fahendrena ary fiadanana. Eo foana ny heriny, tsy miovaova sy azo ianteherana na dia misy fotoana azy ianao mahatsapa ho lavitra ny fitiavany sy ny hazavany ary ny hafanany.

Sary
zatovolahy mijery masoandro mody

Enga anie tsy ho very na oviana na oviana ny fahatsapanao ho manan-trosa sy fankasitrahana lalina amin’izay rehetra nataon’i Jesoa Kristy ho anao. Fantaro fa tiana tanteraka ianao. Tsarovy izay nampanantenaina anao mandrakizay. Ary “enga anie ka hotovin’Andriamanitra aminareo ny hanamaivanana ny enta-mavesatrareo, amin’ny alalan’ny fifalian’ny Zanany,” Jesoa Kristy (Almà 33:23).

Hamoaka printy