Ho zatovo mahery!
Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy
Septambra 2024


Teny natao iainana

Mpirahalahy sy Mpirahavavy ao amin’i Kristy

Sary
olona samy hafa

Sary nataon’i Adam Nickel

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra izay tena tia antsika isika. Manana toetra araka an’Andriamanitra sy lova avy amin’Andriamanitra isika rehetra ary afaka ho tonga tahaka an’Andriamanitra isika rehetra.

Noho isika mpianatr’i Kristy, dia asaina isika hampitombo ny finoantsika sy ny fitiavantsika ny maha-mpirahalahy sy mpianadahy ara-panahy antsika.

Sary
masoandro

Mamiratra kokoa eo amin’ny fiainantsika ny hazavan’ny andro iray vaovao rehefa haintsika ny mandray sy mitondra ireo mpiara-belona amintsika amim-panajana sy amim-panomezana hasina ary ho toy ny rahalahy sy anabavintsika marina ao amin’ny Kristy.

Nandritra ny nanompoan’i Jesoa teto an-tany, dia tonga lafatra tokoa ny fomba nanehoany io fitsipika io.

Sary
tarehy miloko samihafa

Tsy misy toerana ho an’ny fisainana sy ny fihetsika manavakavaka ao amin’ny fiarahamonin’ny Olomasina.

Sary
Sarina fo nofenoina loko menamena amina haavo samihafa

Voasa isika hiara-hamindra amim-pitoniana omban’ny fontsika feno fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olona rehetra.

Sary
fanomezana nofonosana

Enga anie isika hisitraka kokoa ilay rohim-pihavanana ara-panahy misy eo amintsika sy hanome lanja ireo toetra tsara samy hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa ananantsika rehetra.

Hamoaka printy