Ho zatovo mahery!
Inona no “Toetra” asehonao?
Septambra 2024


I Jesoa Kristy no herinao

Inona no “toetra” asehoanao?

Hanampy anao hisondrotra amin’ny avo kokoa ny toetra asetrinao manoloana ireo fitsipika ao amin’ny torolalana Ho zatovo mahery!.

Sary
fiaramanidina

Ny fiantson’ireo mpanamory fiaramanidina ny endriky ny fiaramanidina rehefa eny am-panidinana dia hoe attitude amin’ny teny anglisy na hoe fisidiny. Moa ve mitraka ny lohan’ilay fiaramanidina, sa miondrika? Mivily sa mizotra mahitsy sy marindrano? Ny attitude amin’ny teny anglisy dia mety midika koa hoe toe-tsaina miatrika ny fivadibadihan’ny fiainana. Misy fiteny fahiny sady mahakasika ny fisidinana no mahakasika ny fiainana manao hoe: “Our attitude determines our altidude” (na hoe ny fisidinantsika na ny toe-tsaintsika no mamaritra ny aavon’ny fizorantsika).

Hanao ahoana re ny toe-tsaintsika eo am-pamakiana ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy? Ny toe-tsaintsika mahakasika ireo fitsipika ao amin’io boky torolalana io dia afaka manova ny fiainana ary mety hahatonga antsika hisidina any amin’ny avo vaovao amintsika, na hilentika amin’ny lenta ambanimbany kokoa.

Nomen’ny Mpamonjy torohevitra isika ahafahana manomboka. Hoy Izy: “Sambatra ny malemy fanahy” (Matio 5:5). Afaka manazatra tena isika hanana toe-tsaina malemy fanahy amin’ny fetezana ho marina sy manetry tena ary finiavana hanaraka ireo fampianaran’ny filazantsara. Ireto misy fanontaniana telo izay maneho toe-tsaina samihafa mety ananantsika mikasika ireo fitsipika izay nomena antsika.

Toe-tsaina 1: Hatraiza ny ratsy azoko atao?

Ireo izay manana io toe-tsaina io dia milaza hoe “Aiza no fetra? Te hanana fiainana manakaiky io fetra io araka izay azo atao aho kanefa tsy mihoatra izany.” Mampididoza izany, tsy misy hafa amin’ny mpitsoraka avy eny amin’ny habakabaka izay manontany hoe “Aiza ho aiza no farany ambany indrindra azoko ilatsahana izay vao manokatra ny elonaina?”

Toe-tsaina 2: Hatraiza ny tsara tsy maintsy ahatongavako?

Ity toe-tsaina ity dia mikatsaka ny ezaka kely indrindra azo heverina. Izany dia toy ny manontany ny mpampianatra hoe “Inona no ezaka kely indrindra azoko atao ka ampy ahafahako fanadinana?” Toy ilay mpitsoraka anʼhabakabaka miteny hoe “Tiako ho fehezina tsara ny elonaiko, fa tsy atao tsara loatra.”

Toe-tsaina 3: Mahery fo tahaka ny ahoana no azoko ahatongavana?

Indray maka nisy zazalahy niteny tamiko hoe namonjy seminera tamin’ny 5 maraina izy. Hoy aho: “Tena maraina loatra izany. Inona no antony handehananao any?” Namaly tsotray izy hoe “Satria te ho any aho. Tiako ilay izy. Ny seminera no ampahany tsara indrindra amin’ny tontolo androko.” Ny toe-tsainy dia hoe “Te ho mahery fo aho!” Ho azy ny fankatoavana dia zavatra katsahina, fa tsy zavatra manorisory.

Izany dia toy ilay mpitsoraka anʼhabakabaka manao hoe “Feheziko tsara ny elonaiko, ary sokafako aloha be mialohanʼny hitehaka aminʼny tany satria tiako ny mitsoraka anʼhabakabaka ary mbola te hanohy hanao izany ihany aho.” Hanampy antsika hisondrontra ny toe-tsaina tahaka izany.

Ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna ny rain’i Lamônia Mpanjaka dia nanolotra vavaka kanto izay tena maneho tsara an’io toe-tsaina fahatelo io.

“Andriamanitra ô … aoka Ianao hampahafantatra ny tenanao amiko, ary hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao” (Almà 22:18).

Tsy nilaza ilay mpanjaka hoe “Hatraiza ny ratsy azoko atao ka mbola mahafantatra Anao?” na hoe “Hatraiza marina ny tsara tsy maintsy hahatongavako ka ahafahako mahafantatra Anao?” Tsia, fa ny toe-tsainy dia hoe “Hafoiko ny fahotako rehetra mba hahafantarako Anao.”

Sary
Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy

Fahazarana avo lenta kokoa sy masina kokoa

Matoky antsika ny Tompo tsy hitady irika ahafahana mivoana, fa hitady kosa fahazarana avo lenta kokoa sy masina kokoa. Raha misy zavatra ao amin’ilay torolalana ka tsy tena voazava tsara araka ny antenaintsika, dia aoka isika tsy hanontany hoe “Inona no ho leferin’ Andriamanitra?” fa hoe “Inona no ho tian’ Andriamanitra kokoa?” Io fanontaniana faharoa io dia maneho ilay fo feno finiavana izay irian’ny Tompo hananantsika tsirairay raha nampianatra antsika Izy halemy fanahy.

Raha mitaingina fiaramanidina aho, dia tsy maniry ilay mpanamory hanontany hoe “Hatraiza ny ratsy azoko atao?” na koa aza hoe “Hatraiza ny tsara tsy maintsy hahatongavako?” Tiako izy hanontany hoe “Mahery fo tahaka ny ahoana no azoko ahatongavana?” Amin’ny sidina sy eo amin’ny fiainana, ny toe-tsaintsika no mamaritra ny aavon’ny fizorantsika. Ny torolalana ho Ho zatovo mahery! dia tsy nosoratana mba hanazavana ny tsara kely indrindra azo atao fa hanazavana ny fotopampianarana ho anʼny maha mpianatra. Tena ilay dingana manaraka izany.

Hamoaka printy