Ho zatovo mahery!
Mandray—sy manome—fanampiana amin’ny fahasalamana ara-tsaina
Septambra 2024


Mandray—sy manome—fanampiana amin’ny fahasalamana ara-tsaina

Raha resaka fahasalamana ara-tsaina dia afaka mangataka fanampiana ianao ary manolotra izany ho an’ny hafa ihany koa.

Sary
zatovolahy mampielo zatovovavy iray izay hita ho malahelo

Sary nataon’i Simona Love

Inona no tokony hataonao rehefa mahatsapa malahelo na kivy na mitaintaina sy miahiahy na ketraka ?

Mety hantenainao ny valiny toy ny hoe: Miaina ny filazantsara.. Mivavaka. Mamaky soratra masina. Mandray ny fanasan’ny Tompo. Sy ny fanohizana manao ireo zavatra ireo dia tsara sy ilaina ary tena mamaha olana (sy misoroka) olana maro. Saingy ny olana sasantsasany dia mitaky ezaka fanampiny.

Mazava ho azy ny tsirairay dia mahatsapa mitaintaina na malahelo indraindray. Ao anatin’ny fiainana izany. Misy fomba maro ahafahana mizara ny filazantsara. Kanefa raha mahery vaika na lava reny tokoa ilay fahaketrahana ka miantraika amin’ny fiainanao ary manakana anao tsy hahatsapa ny Fanahy, dia mety efa tonga amin’ilay dingana ianao hoe tsy mety intsony ny manantena izany hihatsara ho azy tsy misy fanampiana fanampiny.

Ny fahasalamana ara-tsaina dia fahasalamana ara-batana (jereo ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 29). Ireo akora simika ao amin’ny atidohantsika dia manampy amin’ny fandrindrana ny fihetseham-pontsika, ary ampahany amin’ny vatantsika ny atidoha. Ny olona izay milaza fa ny fahaketrahana na ny fitaintainana dia “ao an-dohanao ao avokoa” dia manana ny marina fa amin’ny heviny ara-bakiteny ihany: ny lohanao raha ny marina no misy ny atidohanao. Saingy ireo olona dia tsy hoe foroporonin’ny saina raha ampitahaina amin’ny tongotra tapaka na appendicite.

Mangataka fanampiana

Milaza ny Bokin’i Môrmôna fa ny Nefita dia notahiana tamin’ny “toetra fanaperan’ny faka sy ny zava-maniry maro izay efa nomanin’Andriamanitramba hanaisotra ny fototr’aretina” (Almà 46:40). Antsointsika hoe fanafody ireny zavatra ireny ankehitriny.

Ankehitriny dia manomana fomba maro aza Andriamanitra hiadiana amin’ny aretina sy ratra, ao anatin’izany ny fanaintainana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. Ananantsika ankehitriny ireo fitsaboana ho an’izany izay nofinofy fotsiny ho an’ireo Nefita sy ireo ray aman-drenibe antsika. Miaina ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahagagana isika! Ary tian’ny Ray any An-danitra isika hampiasa azy ireny.

Tsy midika akory izany fa mila fanafody na fitsaboana daholo ny tsirairay izay mijaly noho ny fahaketrahana sy ny fitaintainana. Samihafa ny olona tsirairay. Fa na inona na inona toe-javatra misy anao dia misy zavatra iray azo antoka: Tsy misy antony tokony hijalianao irery. Te hanampy ny Rainao any An-danitra.

Fantatry ny Ray any An-danitra ny zavatra hanampiana anao. Na afaka vahana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana aza ireo olanao, na ihany koa mila mikatsaka ireo fitahiany amin’ny alalan’ny karazana fianafody, mpitsabo, ray aman-dreny, namana, eveka, mpitarika an’ny tanora, mpampianatra, rivotra madio sy fanazaran-tena ianao hihoarana amin’ireo fotoan-tsarotra andalovanao, dia mangataha fanampiana avy Aminy. Aza matahotra loatra ny amin’izay fomba namahan’ny hafa ireo olana mitovy amin’izany. Hanampy anao hitady vahaolana mifanaraka amin’ny toe-javatra iainanao ny Ray any An-danitra.

Aoka ho tia manampy

Ny filazantsara dia tsy misy afa tsy fanampiana ireo hafa, fitaratry ny fomba nanampian’ny Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Tokony hanandrana mandrakariva ianao “hanolo-tanana ireo mahatsapa ho manirery sy mitoka-monina, ary tsy afa-manoatra. Ampio izy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalanao” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 12). Mety tsy dokotera ianao na mpitsabo, fa ianao kosa dia mpianatr’i Kristy, ary ireo mpianatr’i Kristy dia “hiara-malahelo amin’ izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:9).

Ny iray amin’ireo zavatra manan-danja azonao atao rehefa mandalo fahaketrahana na fitaintainana na olana ara-tsaina hafa dia mihaino.

Matetika ny hany ilain’ny olona izay mijaly noho ny fahasalamana ara-pihetseham-po dia ianao mangoraka sy mizara ny fitiavanao. Tsy manantena anao izy ireo hanana valiny mahagaga izay hamahana ny zava-drehetra. Mila mamoaka ny ao am-pony fotsiny izy ireo. Mila olona izy ireo hiaraka aminy, hihaino azy sy haneho fangorahana aminy ka hilaza hoe: “Ekeko hoe mety tena mafy ny mahazo anao. Mampalahelo izany. Raha azoko natao dia ho nareniko izany. Miangavy aho ampahafantaro ahy ny fomba hahafahako manampy.”

Ary tsarovy fa …

Na ianao irery aza no manome fanampiana, na ianao irery no mila fanampiana dia tsarovy fa misy ireo zavatra izay Andriamanitra irery no afaka manao azy. Mamelà Azy hanao izany. Mandritra izany fotoana izany dia ataovy izay azonao atao hikarakarana ny tenanao sy ny olona manodidina anao.

Hamoaka printy