Ho zatovo mahery!
Ny olako amin’ny fihinanan-kanina ampitahaina amin’ny Tena maha-izaho ahy
Septambra 2024


Feon’ny zatovo

Ny olako amin’ny fihinanan-kanina ampitahaina amin’ny Ny tena maha-izaho ahy

Sary
zatovovavy

Efa ela aho no nanana olana tamin’ny fihinanan-kanina antsoina hoe anoréxie mentale, izay mihena tsikelikely ny zavatra hohanina ary matahotra ny hitombo lanja. Miantraika amin’ny sainao izany, manomboka mahatsapa ho meloka ianao rehefa misakafo ary tsy hainao izay zavatra ilain’ny vatanao. Izany dia tsy nanampy ny fijereko tsy an-kijanona ireo fenitra tsy tena marina an-jotra sy tany any an-tsekoly, sy ny nampitahako ny tenako tamin’ny fianakaviako sy ireo hafa manodidina ahy.

Ny olako amin’ny fihinanan-kanina dia tena zavatra nafeniko. Saingy tsikaritry ny reniko ny fiovana tamin’ny fahazarako nisakafo. Nipetraka teo amiko izy ary nanome fotoana betsaka ho ahy hitantarako aminy ny zavatra nitranga. Betsaka ny ranomaso latsaka saingy nieritreritra aho fa ny Fanahy dia nanampy nitarika azy hahafantatra fa nila fanampiana aho. Nanao drafitra niaraka izahay ary nanomboka niasa tsimoramora tamin’izany.

Nanapa-kevitra ny haka ny tsodranon’ny patriarika ho ahy aho nandritra izany fotoana izany. Te hahafantatra aho hoe toy ny ahoana ny fiainako ivelan’ny haizina izay niainako. Niditra aho ary nanontany an’Andriamanitra hoe, “Iza moa aho?”, “Tia ahy ve ianao?,” ary “Nahoana aho no eto?” Namaly an’ireo fanontaniana ireo no zavatra voalohany nolazain’ny patriarika. Nanampy ahy hianatra mikasika ny tena fiiziko sy ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho ahy ny tsodranoko. Isaky ny mamaky izany aho dia mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy sy mahatsiaro izay mety hahatongavako miaraka Aminy.

Na teo aza ny fanohanan’ny tsodranon’ny patriarika sy ny fianakaviako, ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy, dia nila fotoana ela aho vao nanaiky ireo fahatsapana nananako mikasika ny vatako. Mbola sarotra indraindray ny manaiky ny tenako amin’ny maha izaho ahy sy ny bikako. Saingy noho ireo fotoana maizina nolalovako dia manomboka mankafy ny fitomboana sy ny hazavana izay tonga amin’ny alalan’ny tena fiiziko aho. Zanakavavin’ny Ray any An-danitra aho. Mpianatr’i Jesoa Kristy aho. Mijery ahy am-pitiavana sy mankahery Izy ireo ary manan-danja kokoa noho ny hevitry ny hafa izany.

Annalise B., 17 taona, Georgia, Etazonia

Tiany ny miasa amin’ny fiofanan-kasa ao amin’ny hôpitaly sy ny mamorona zava-kanto sy mozika hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ireo voariny.

Hamoaka printy