Ho zatovo mahery!
Araraoty ireo andronao
Septambra 2024


Avia, hanaraka Ahy

Helamàna 7

Araraoty ireo andronao

Maniry hiaina tany amin’ny lasa ve ianao? Tsia, aza maniry izany mihitsy.

Sary
tanana mihazona bola mamirapiratra

Sary nataon’i Alyssa Petersen

Efa mba noeritreretinao ve hoe mora kokoa sy tsara kokoa ny fiainanao raha teraka talohaloha kokoa ianao? Efa nahatsapa toy izany indray mandeha koa ny hafa, na ny mpaminany aza.

Ny mpaminany Nefia (ao amin’ny bokin’i Helamana) dia nahita ny faharatsiana sesilany nataon’ny vahoakany ka nihiaka hoe: Ô, inay aho ho afaka niaina tamin’ny andro izay nivoahan’i Nefia raiko avy tao an-tanin’i Jerosalema … — … dia ho nanam-pifaliana ny fanahiko” (Helamàna 7:7–8).

Sahirana izy niaina tamin’ny androny. Mazava ho azy fa tamin’ny farany dia niatrika ny tena zava-misy izy: “Nefa … izao no androko” (Helamàna 7:9).

Ireo andronao

Izao no andro nao . Mety maneho fanamby izy ireo saingy manome lalana misokatra ihany koa. Ohatra, amin’ireo andro nao ianao dia afaka:

  • Manangona an’i Isiraely eo amin’ny lafiny roan’ny voaly. Izany “no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao andro izao.” Manana fomba maro hizaràna ny filazantsara sy hanasana ireo hafa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany ianao. Afaka manampy amin’ny fitadiavana ireo razambe amin’ny fomba mahagaga ianao sy manampy an’ireo izay efa nodimandry amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly.

  • Mampiasa ny teknôlôjia amin’ny fomba mampivoatra. Nampitaovana manokana ianareo haneho amin’izao tontolo izao fa azo ampiasaina amin’ny tsara ny teknôlôjia.

  • Manohitra ny fankahalana sy ny fanamavoana ary ny fisaratsarahana. Rehefa mampahory ny tontolontsika ireo faharatsiana ireo dia afaka maneho fomba tsara kokoa ianao, dia ny fomban’ny Mpamonjy maneho hatsaram-panahy, fangorahana sy fampihavanana ary fitiavana.

  • Aoka ho mari-pototra eo anivon’ny tontolo mivoana. Raha toa ianao ka mahatoky amin’i Jesoa Kristy sy ny FIlazantsarany ary ny Fiangonany dia hitahy anao ny Tompo, ary ny hafa dia hijery ny ohatra asehonao ao anatin’ireo orambaratry ny fiainana.

Ireo fahagagana ho anao

Tsy mora foana ho an’i Nefia izany, saingy izy dia teo amin’ny toerana (sy fotoana) izay nilain’ny Tompo hisy azy. Nahatoky izy. Vokany, nahita fahagagana sy zava-mahatalanjona izy teo amin’ny fiainana ary notohanan’ny Tompo. (Jereo ny Helamàna 7–13.)

Afaka mahita ireo fahagagana sy zava-mahatalanjona ho anao manokana ianao rehefa mahatoky amin’ireo andronao.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

Hamoaka printy