Ho zatovo mahery!
Torohay kely 5 hahafahana manana fahasalamana ara-pihetseham-po tsara kokoa
Septambra 2024


Torohay kely 5 hahafahana manana fahasalamana ara-pihetseham-po tsara kokoa.

Matanjaka kokoa isika rehefa miaraka.

Sary
tanana mihazona baolina mavo misy endrika mitsiky

Mpitarika ny misiôna tany amin’ny Misiônan’i Sydney Australie izaho sy i Scott vadiko ny taona 2018 ka hatramin’ny taona 2021. Isaky ny misy antontan-taratasy ana- misionera vaovao izay maneho fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po izy ireo, dia ampahafantariko azy ireo avy hatrany fa izaho dia imbetsaka no niaina fahaketrahana nandritra ny fotoana naha olon-dehibe ahy. Tiako ho takatr’izy ireo fa ao anatina ekipa iray izahay, mba tsy hahatonga azy ireo hiatrika izany samirery.

Tiako ho zaraina aminareo izany hafatra izany! Maro tokoa ny olona miatrika olana amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po, kanefa, afaka mifanampy daholo isika. Tiako hazava fa izaho dia tsy matihanina amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po. Fa tiako ny hizara torohay vitsivitsy azo ampiharina sy ara-panahy ahafahana manana fahasalamana ara-pihetseham-po tsara kokoa, izay nanampy ahy ary koa ireo izay olom-pantatro sy tiako.

Sary
Kristy manangana ny zanakavavin’i Jairo

Kristy manangana ny zanakavavin’i Jairo, nataon’i Greg K. Olsen

Torohay 1: Andao i Kristy hatrany no atao ivontsika

Lehibe tany akaikin’ny San Francisco Californie Etazonia aho ary tsaroako fa nankamamy toeram-pialana voly iray teo amoron-dranomasina! Nisy kapila hazo lehibe hipetrahana ilay izy ary ezahana fikirina rehefa iny miha mihodina haingana iny ilay kapila. Ireo izay nipetraka teny amin’ny sisiny no mazàna mipitika voalohany. Ireo izay nahatakatra ny hery mampanalavitra amin’ny ivo kosa dia nipetraka akaikin’ny ivony.

Heveriko fa fanoharana tsara be izany hametrahana an’i Kristy ho ivontsika rehefa mamakivaky ireo toe-javatra sarotra sasantsasany ireo isika, na fahaketrahana izany, na TOC (Eritreritra manesika tsy hay tohaina), na zavatra sahala amin’izany. Mila an’i Kristy isika ho ivon’ny fiainantsika.

Amin’ny fotoanan’ny olana ara-pahasalaman’ny atidoha dia mety ho tapaka ny fifandraisantsika amin’ny lanitra na mety sarotra amintsika ny fahatsapana ho akaiky ny Mpamonjy. Tsy midika akory izany fa voasazy isika na hoe tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra. Ho ahy dia mahaleo ny sarany ny fahatokiana hoe eo Izy mandra-piandrasantsika ny fiverenan’ny fifandraisana aminʼny laoniny! Tohizo ny vavaka, ankamamio ireo tenin’ny Mpamonjy, matokia an’ireo fampanantenany, mandraisa ny fanasan’ny Tompo. ary ataovy izay rehetra mampifantoka anao Aminy hatrany.

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Torohay 2: Andao isika hiantehitra amin’ny Tompo isan’andro

Ny zanak’Isiraely tany an-tany efitra dia niantehitra tamin’ny Tompo ho an’ny mana isanʼandro. Rehefa miatrika zavatra lalina toy ny mihetsika hotakotaka na fahoriana ara-pihetseham-po hafa isika, dia tiantsika hanjavona tanteraka izy ireny. Ary angamba mety hanjavona tokoa izy ireny, saingy mety tsy aminʼny fomba na fotoana iriantsika. Tsy midika izany hoe very ny fanantenana. Mila miantehitra aminʼ Andriamanitra isika isanʼandro sady miezaka no miandrandra ireo fotoana mamiratra kokoa ho avy.

Ny fomba iray dia ny fikatsahana ny fanampianʼny Ray any An-danitra ary manandrana tetikʼady samihafa hahitana izay mety aminao. Avy eo dia Izy no afaka manampy anao hahatadidy fa amin’ireo fotoam-pahakiviana na raha mihetsika hotakotaka, dia toa nanampy ny feon-kira malefaka amin’ny toe-javatra mitovy amin’izany na koa hoe nisy fotoana nahatonga anao hahatsiaro ho lavitry ny ahiahy ny nifandraisanao tamin’olona iray nahatokisanao. Izany dia ahafahanao mamory antontam-pitaovana voaporofo handramana ampiasaina amin’ny fotoana manaraka maha sahirana anao. Na inona na inona ataonao dia katsaho isanʼandro ny fanampianʼny Tompo.

Afaka miteny mafy aza isika hoe: “Rehefa miantehitra aminʼny Ray isanʼandro aho dia hijoro ary hahita hery izay tsy fantatro hoe nananako!”

Sary
tavoahangin-drano tazomina eny aminʼny rivotra

Torohay 3: Afaka mikarakara vatana ianao

Anisanʼny vatantsika mety maty ny atidoha, ka noho izany dia hiaranʼireo fiovaovana sy ireo tsy fahatanterahana eto aminʼny fiainana an-tany. Saingy izao ny vaovao tsara: misy ireo dingana voaporofo izay azontsika arahana hampatanjahana ny atidohantsika, izay afaka manatsara ihany koa ny fahasalamantsika ara-pihetseham-po. Ireto misy vitsivitsy aminʼizany dingana izany:

  • Mijery masoandro miposaka na jiro artifisialy mamiratra aminʼny maraina

  • Mandehandeha eny aminʼny natiora, mifandray aminʼny zava-boary

  • Manao fanatanjahantena tsy tapaka

  • Mihinana sakafo ara-pahasalamana

  • Misotro rano betsaka

  • Ampy torimaso tsara isanʼalina

Mahery vaika koa ny teknika fisefoana. Manandrama mifoka rivotra lalina indray mandeha aminʼny orona, ary avy eo dia avereno indray mandeha. Tazony segondra vitsy izany ary aminʼny farany dia tereo avoaka aminʼny vavanao ny fofonʼainao rehetra.

Manao vitsivitsy izany aho rehefa mifoha, sy mandritra ny fotoana misy fihetseham-po mahery vaika (toy ny hoe mialoha ny hanao lahateny aminʼny fihaonambe!), ary mialoha ny hatory.

Sary
Olona roa mifanolo-tanana sy mifampitantana

Torohay 4: Afaka mangataka fanampiana isika

Raha very any am-pitsangatsanganana ianao ka mifanehatra amina mpitari-dia, ho menatra loatra ve ianao hanontany ny lalana azo antoka? Tsy inoako hoe izay no izy. Tsy mariky ny fahalemena akory ny fangatahana fanampiana. Manao izany matetika isika eo amin’ny sehatra hafa eo amin’ny fiainantsika.

Manampia mba handravana ilay fiheverana fa ratsy ny mangataka fanampiana amin’ny olana ara-pihetseham-po.

Na mila fanampiana amin’Andriamanitra ianao, na amin’ny namana, na fianakaviana na mpitsabo matihanina dia tsy olona malemy kokoa raha mikatsaka ny fanampiana fanampiny izay ilainao. Raha ny marina dia maneho risi-po ianao amin’izany!

Sary
olona mitandahatra mifampisakambina

Torohay 5: Andao hanohy hifandray hatrany

Iankinan’ny aina ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka atao isanʼandro.

Mahatsapa koa aho fa manan-danja ny manohy mifandray amin’ny olona tsapanao fa miaro sy azo itokisana. Antsoy ny reninao! Miresaha mivantana amin’ny namana iray. Miresaha amina mpiray tampo. Matanjaka kokoa isika rehefa mifanampy. Samy mahatsapa izany tanjaka izany ny roa tonta. Samy mila olona ny tsirairay. Ny fitokana-monina sy ny fahaketrahana mazàna dia mifanampy trotraka. Ny mifandray amin’ireo tiantsika sy miara-miaina amintsika ka hitan’ny masontsika sy azontsika fihinina dia fanefitra tena tsara amin’ny maro tokoa amin’ireo fahoriana izay iainantsika.

Afaka mahazaka ny lafaoro mirehitra isika raha miaraka Aminy.

Indraindray ny hany ilaintsika dia ny ampahatsiahivina fa miaraka amintsika Andriamanitra.

Ao amin’ny Testamenta Taloha ny Mpanjaka Nebokadnezara dia nanipy an-dry Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao amin’ny lafaoro nahamay tokoa ka na dia ireo mpiambina teo ivelany aza dia tsy nahatanty ny hafanana.

Koa ahoana ary izany no nahavelona an’izy telo ireo?

Mampianatra ny soratra masina fa nisy olona fahaefatra tazana tao anatin’ny lelafo niaraka tamin’izy ireo, izay “toa ny Zanak’ Andriamanitra” (fandikana ara-bakiteny ny Daniela 3:25 dikanteny Mpanjaka Jakôba).

Mino aho fa midika izany fa miaraka amintsika i Kristy mamakivavy ireo fitsapana mahamay atrehantsika, indrindra rehefa maharitra izany isika. Ary ny ady eo amin’ny fahasalaman’ny atidoha dia tena mety ho toy ny lafaoro mahamay tokoa. I Kristy dia Immanoela, izay midika ara-bakiteny hoe “Amintsika Andriamanitra.”

Aza adino fa Jesoa Kristy no herintsika, tsy hoe rehefa any amin’ny faran’ny dia ihany, rehefa tsy miaina fihetseham-po izay tsy notadiavintsika isika. Tena miaraka amintsika rehetra tokoa Izy mandritra ny diantsika. Izy no herintsika sy fanamaivananana ho antsikaamin’izao fotoana izao.

Andao hiara-hatanjaka kokoa!

Hamoaka printy