Ho zatovo mahery!
Moa ve ny Fiangonana miraharaha resaka pôlitika sy fitondrana?
Septambra 2024


Valiny fohy sy mivantana

Moa ve ny Fiangonana miraharaha resaka pôlitika sy fitondrana?

Sary
olona samy hafa

Misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ny pôlitika sy ny fitondrana, tafiditra ao anatin’izany ny fahafahantsika mitsaoka, ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mamporisika ny mpikambana ao aminy handray anjara amin’izy ireny. Manome fitsipika marina antsika ny Tompo amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny, ary anjarantsika no mampihatra ireny fitsipika ireny eo amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainantsika, tafiditra amin’izany ny fanoloran-tenantsika amin’ireo pôlitika sy ny fitondrana. Samy manana lalàna samihafa ireo faritra samihafa, ary ny Fiangonana dia mamporisika antsika handray anjara araka izay vitantsika.

Ny Fiangonana mihitsy no tsy manohana antoko pôlitika na sehatra na olona hirotsaka hofidiana. Tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izany. Ary tsy miteny amintsika ny fomba fifidianana ny Fiangonana. Mampahatsiahy antsika fotsiny izany fa ny Tompo dia nilaza tamintsika mba hitady sy hanohana mpitarika izay marin-toetra, tsara, ary hendry (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:10). Ary indraindray dia manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny daholobe izy momba ny raharaha pôlitika mifandraika amin’ny olana ara-môraly na fomba fanaon’ny Fiangonana.

Mamporisika ireo mpikambana ihany koa ny Fiangonana hanampy mba hahatonga ny fiaraha-monin’izy ireo ho lasa toerana tsara hiainana sy hanorenana fianakaviana. Maro ireo antony tsara azontsika hirotsahana mba hanampiana amin’ny fanatsarana zavatra na aiza na aiza misy antsika.

Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.8.30, Médiathèque de l’Évangile; Fanekempinoana 1:11–12.

Hamoaka printy