Ho zatovo mahery!
Miala voly kely
Septambra 2024


Miala voly kely

Sary
Miala voly kely

Sary nataon’i Dave Klug

Hisintona ny endrika PDF

Torotoroy ny fo

Nampianatra antsika ny Mpamonjy fa tokony hanana “fo torotoro” isika, izay midika hoe manetry tena, tia mibebaka ary malemy fanahy (3 Nefia 9:19; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fo torotoro,” Médiathèque de l’Evangile). Vitanao ve ny mizara ity sarina fo ity ho lasa potiny fito amin’ny fanaovana tsipika mahitsy telo fotsiny? Misy valiny marina mihatra ny anankiray

Zavatra miafina

Eo andalam-pitsidihana ny tanin’ny Nefita ny Mpamonjy. Fa amin’izao fotoana izao dia mbola feno faharavana. Hitanao ve ireo zavatra 10 miafina ao anaty faharavana? (Jereo ny 3 Nefia 8– 11 ho an’ny tantara!)

Iza no nahavita voalohany?

Namaky ny bokin’ i Môrmôna avokoa i Jill, Scott, Tory, ary Jonathon tamin’ity taona ity. Iza no nahavita namaky voalohany? Kadoa: Raha nanomboka tamin’ny 1 Janoary izy ireo dia tamin’ny oviana avy no nahavita?

Tari-dalana: Misy toko na fizarana 239 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Jill: Namaky toko 1 amin’ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma sy Sabotsy, ary toko 1 sy tapany amin’ireo andro hafa anatin’ny herinandro.

  • Scott: Namaky toko 7 isaky ny Alahady ary toko 1 isa-tapabolana amin’ny Alarobia.

  • Tory: nampifandimidimby ny famakiana toko 5 amin’ny herinandro iray ary toko 10 ny herinandro manaraka (isaky ny Sabotsy foana).

  • Jonathon: Namaky ny Nefia Voalohany sy Nefia Faharoa rehetra ny Janoary, ary avy eo dia namaky toko 1 isanandro taorian’izay.

Tantara an-tsary

Sary
zatovolahy mihinana pizza

Inona no karazana pizza tianao indrindra?

Ity karazany eto an-tanako ity!

Ryan Stoker

Sary
reny sy zanaka vavy misakafo

Antsoina hoe “Makarônia sy Frômazy mahagaga” izany! Satria raha ny marina, raha misy tsirona zavatra ohatran’ny makarônia sy frômazy izany dia ho gaga aho.

Ryan Stoker

Valiny

Iza no nahavita voalohany?: I Jill no nahavita vaky voalohany.

Kadoa:

  • Jill: 15 Jolay

  • Scott: 11 Aogositra

  • Tory: 10 Aogositra

  • Jonathon: 2 Aogositra

Zavatra miafina

Sary
Valin’ny Zavatra miafina

Hamoaka printy