Ho zatovo mahery!
Mpianatr’i Kristy ireo vahoakan’i Nefia
Septambra 2024


Peta-drindrina

Mpianatr’i Kristy ireovahoakan’i Nefia

dia toy izany koa aho

Sary
I Kristy teo anivon’ny Nefita

Rehefa namangy ireo vahoaka Nefita marina ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia nanasa azy ireo Izy “hitsapa ny diam-pantsika” tamin’ny tanany sy ny tongony. Tian’i Jesoa ho fantatr’izy ireo fa Izy no “Ilay Andriamanitry tany manontolo, ary novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:14). Nanatona an’i Jesoa “tsirairay” ny valalabemandry. Rehefa nahazo traikefa manokana niaraka tamin’i Jesoa Kristy ireo Nefita dia nahafantatra fa Izy ilay Mpamonjy novinaniana (3 Nefia 11:15). Na dia tsy mitsangana ara-batana manoloana antsika aza i Jesoa Kristy ankehitriny dia afaka manana traikefa lalina manokana miaraka Aminy isika.

Tahaka ireo Nefita dia afaka manatona an’i Krsity aho sy mianatra Aminy ary manamafy ny fijoroako ho vavolombelona momba Azy.

Sary
petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Hamoaka printy