Ho zatovo mahery!
Mampifandray
Septambra 2024


Mampifandray

James B.

13, Rizal, Filipina

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny soratra masina

Fotoana vitsy lasa izay dia nanao fiaraha-mientan’ny paroasy izahay, nandeha tany amin’ny tempoly hanao batisa ho an’ny maty. Tranon’Andriamanitra ny tempoly ary mahatsapa filaminana sy fahasambarana aho rehefa ao.

Ny soratra masina ihany koa dia manampy mampitony ny fikorotanan-tsaiko. Mampahatsiahy ahy ny famakiana azy ireny fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy handao ahy? Rehefa manana fanontaniana aho na tsy haiko ny zavatra atao any an-tsekoly dia afaka mahatsapa Azy ireo aho mitarika sy manampy ahy. Rehefa manao fanadinana aho na misy zavatra hafa tsy azoko, dia mivavaka aho aloha ary avy eo dia manao ny anjarako manao famerenana.

Tena tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy maintsy mahatsiaro Azy ireo mandrakariva isika ary tsy manary ny finoantsika. Afaka mibebaka isika rehefa misy zavatra tsy mety nataontsika. Hahatsapa Azy ireo miaraka amintsika isika raha toa ka mahatoky.

Hamoaka printy