Ho zatovo mahery!
Hihaino ve ianao?
Septambra 2024


Avia, hanaraka Ahy

Helamàna 13–16; 3 Nefia 1

Hihaino ve ianao?

Afaka miaro sy mitahy ary manampy antsika ny fitarihan’ny mpaminany raha avelantsika izany.

Sary
Zatovolahy ao anaty vahoaka mijery ny manda misy an’i Samoela Lamanita eo amboniny.

Sary nataon’i Alyssa Tallent

“Ho tonga ny faharavana!”

Hafatra manjombona amin’ny hafatra voaray izany! Saingy alaivo sary an-tsaina hoe ianao ilay olona nantsoina hitondra izany!

Nantsoin’ny Tompo i Samoela Lamanita hampitandrina ny Nefita tamin’ny faharatsian’izy ireo. Nijoro teo amin’ny manda i Samoela sady nanambara fa indray andro any ny “famongorana tanteraka … dia ho tonga marina tokoa raha tsy mibebaka” (Helamàna 13:10).

Naminany ihany koa i Samoela fa afaka dimy taona dia hisy alina tsy hohamaizinina ary hisy kintana vaovao hitranga eny amin’ny lanitra ho famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Helamàna 14:2–5).

Ahoana no fihetsik’ireo Nefita nanoloana ilay hafatr’i Samoela?

Nandà tsy hihaino izy ireo. Izy ireo dia “nitora-bato an’i [Samoela] … ary … nandefa zanatsipika maro teny aminy raha nijoro teo amin’ny manda izy” (Helamàna 16:2). Soa ihany fa tsy mitora-bato na mandefa zanatsipika amin’ny mpaminany ny vahoaka ankehitriny, saingy maro ireo mbola mandà sy mano tsinontsinona ireo teniny rehefa mampianatra ireo fahamarinana mandrakizay momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy izy.

Rehefa miteny ny mpaminany dia ahoana no ho asetrinao izany? Hihaino ve ianao?

Ireto misy fampahatsiahivana telo momba ireo fitahiana izay tonga noho ny fananana mpaminany iray eto an-tany sy ny fihainoana azy.

Tia antsika ny mpaminany ary mivavaka ho antsika

Tao amin’ireo lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany maro dia nilaza tamintsika izy hoe:

“Tiako ianareo.” “Tao an-tsaiko tsy tapaka sy tao anatin’ireo vavaka nataoko ianareo.”

Tena fitahiana tokoa ny fahafantarana fa tia antsika ary mivavaka ho antsika ny mpaminany!

Dimy taona teo ho eo taorian’ireo faminanian’ny Samoela Lamanita dia nilaza ny Nefita sasany fa efa dila ny fotoana hahatanterahan’ireo teniny. Nanomboka nandrabiraby an’ireo izay nino izy ireo ary nisafidy andro iray mihitsy aza hamonoana ireo mpino raha toa ka tsy tonga ireo famantarana amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 1:6–9). Nandritra izany fotoana nampihorohoro izany dia nivavaka nandritra ny manontolo andro i Nefia “ho an’ny olony … ireo izay efa ho fongorana noho ny finoany” (3 Nefia 1:11).

Amin’izao fotoana izao dia manampy antsika amin’ny fomba tsy haintsika eritreretina ny vavaky ny mpaminany. Mitahy izao tontolo izao manontolo ny fitarihana ara-panahy izay raisiny amin’ny alalan’ny vavaka.

Mitarika antsika mankany Mpamonjy ny Mpaminany.

“Atrakao ny lohanao ary mahereza”, hoy ny Tompo tamin’i Nefia. “Antomotra ny fotoana ary anio alina dia homena ny famantarana, ary rahampitso Aho dia ho tonga eo amin’izao tontolo izao” (3 Nefia 1:13).

Rehefa nody ny masoandro dia tsy nety maizina ny andro. Tonga ilay famantarana! (Jereo ny 3 Nefia 1:15.) Ny ampitso dia nahafantatra ny tsirairay fa izany no andro izay ho nahaterahan’ny Tompo, ary nisy kintana iray vaovao niseho (jereo ny 3 Nefia 1:19, 21). Nyzavatra rehetra naminanian’ny Tompo tamin’ny alalan’i Samoela momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy dia ho tanteraka arak’izay nolazain’ny Tompo.

Namonjy ireo mpino avy hatrany tamin’ny fahafatesana ny fahatongavan’ny Mpamonjy. Fa tsy namonjy azy ireo fotsiny izany. Tonga hanavotra antsika rehetra amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy, sy hanome hery antsika amin’ny fotoan-tsarotra, ary hitondra fanantenana sy fifaliana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Izany no hafatra fototra entin’ny mpaminany tsirairay “izay efa naminany hatry ny niandohan’izao tontolo izao” (Mozià 13:33). Ireo Mpaminany dia mitarika antsika mankany amin’ny Mpamonjy izay Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Manambara fahamarinana ny Mpaminany.

Nisy fampianarana iray avy tamin’ny Samoela Lamanita nanaitra ahy tamin’ny fotoana voalohany namakiako ny Bokin’i Môrmôna tany amin’ny Lisea. Niteny tamin’ny Nefita izy fa raha toa izy ireo manemotra ny fibebahany, dia ho avy ny fotoana hahatonga izany ho “tratra aoriana mandrakizay”. Hoy izy, “Nikatsaka nandritra ny androm-piainanareo ianareo izay tsy nety ho azonareo; … nikatsaka fahasambarana ianareo tamin’ny fanaovana heloka,” izay mifanohitra amin’ny toetran’ny Raintsika any An-danitra (Helamàna 13:38).

Nampianatra zavatra mitovy amin’izany koa ny Filoha Nelson amin’izao androntsika izao.

“Raha toa izao tontolo izao manizingizina fa mitondra fahasambarana ny fahefana, ny fananana, ny fananana laza ary ny fahafinaretan’ny nofo, dia tsy izany anefa no izy! Tsy afaka manao izany ireo! …

“Ny marina dia hoe mandreraka [lavitra] kokoa ny mitady fahasambarana any amin’izay tsy hahitanao izany na oviana na oviana ! … I Jesoa Kristy … , ary Izy irery ihany no manana hery hankaherezana antsika eo amin’ity izao tontolo izao ity.”

Ny sasany tamin’ireo Nefita dia nisafidy ny hihaino sy hino ireo tenin’i Samoela; ny hafa kosa tsy nanao izany (jereo ny Helamàna 16:1–8). Tsy dia mifankaiza amin’izany ny amin’izao fotoana izao amin’ny lafiny maro.

Inona no ho safidinao? Moa ve ianao hihaino ny mpaminany?

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Ny [mpaminany sy mpahita ary mpanambara] dia mety tsy milaza izay tian’ny olona ho heno foana. Mahalana ny mpaminany no hoe tiam-bahoaka. Saingy hampianatra lalandava ny fahamarinana isika!”

Rehefa mihaino ny mpaminany ianao sy mampihatra ny tenin’izy ireo dia hahita fa ny fitarihana feno faminaniana dia hiaro sy hitahy ary hanampy anao mandritra ny fiainanao.

Hamoaka printy