Ho zatovo mahery!
Manapaka ny tamberimberin’ny pôrnôgrafia
Septambra 2024


Manapaka ny tamberiimberin’ny pôrnôgrafia

Nahatsapa ho irery sy tsy nanam-panantenana aho. Saingy nampahatsiahivin’ny evekako ahy ireo fanalahidy sasantsasany hahitana fanantenana sy fanampiana.

Sary
zatovovavy mifamihina

Sary nataon’i Sue Teodoro

Nanomboka tafarotsaka tamin’ny pôrnôgrafia aho fony aho 13 taona. Nahita izany tsy nahy tamin’ny tambajotran-tserasera aho, tsy nahafantatra sy nahatakatra izany akory. Nanomboka tamin’ny firotsahana kisendrasendra sy ny fitia te hamantatra aho ary nizotra nankany amin’ny fikarohana tamin’ny nahim-po.

Tamin’izany fotoana izany, ireo hafatry ny mpitarika ahy momba ny pôrnôgrafia dia ohatran’ny toa milaza fa ny lehilahy ihany no sahirana amin’izany zavatra izany. Lasa niteraka fahatsapana henatra goavana tao amiko izany. Nihevitra aho fa tsy hahavita velively hanambara momba ny olako na amin’iza na amin’iza. Nahafantatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho saingy noho ny fiheverako fa izaho no hany zazavavy nanana io olana io, dia nahatsapa aho fa toa lavitry ny tanan’ny Mpamonjy ny toe-javatra nisy ahy. Nahatsapa ho toy ny naningana aho.

Ny biraon’ny eveka

Nandritra ireny taona ireny teo amin’ireo toerana toy ny seminera na fampaherezam-panahy, rehefa toerana nisian’ny Fanahy, dia matetika aho no nentanim-panahy haka fotoana hihaonana amin’ny eveka. Ny nanakana ahy tsy hanao izany nandritra ny fotoana ela dia ilay fiheverana fa nila nitazona ny laza tsara amin’ny maha zaza tsara taiza ahy avy amina fianakaviana mavitrika aho. Nihevitra aho fa hahita ahy amin’ny maha izaho ahy izy, ary tsy ninoako hoe mahatehotia raha izay izaho. Nihevitra aho fa hiaran’ny sazy avy hatrany.

Tsy nitovy tamin’izay nantenaiko mihitsy izany rehefa nametraka ilay fihaonana aho tamin’ny farany. Tsy nanome sazy ahy ny evekako fa nilaza tamiko aza hoe: “Mbola zanakavavin’Andriamaitra foana ianao. Mbola tena tiana ihany ianao, ary mbola sarobidy ihany.”

Tsaroako aho nahatsapa ho tototry ny fitiavana. Izany no fotoana voalohany nahatsapako ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy mafy indrindra teo amin’ny fiainako. Rehefa manao jery todika aho dia takatro hoe nahoana no nanan-danja ireo teny izay nolazain’ny evekako ireo.

Zanakavavin’ Andriamanitra

Rehefa manana olana amin’ny pôrnôgrafia ianao dia mamakivaky ny tamberimberin’ny henatra. Ho ahy dia mahatsiaro tena ho niendaka tamin’ny fiiziko aho ka dia nampiasa ny pôrnôgrafia mba iadiako tamin’ireo fihetseham-po ratsy ireo. Avy eo dia ho menatra sy mihataka amin’ny hafa ary dia hitamberimberina hatrany izany.

Efa ela aho no nanandrana niantehitra tamin’ny herin’ny tenako mba “hijanona fotsiny.” Saingy tsy vitako izaho samirery izany. Nanampy ahy nitadidy ny fiiziko ny evekako, hoe izaho dia zanakavavy malalan’Andriamanitra. Rehefa nihaona taminy aho ka nahatadidy izany fahamarinana izany dia nanomboka tena nivoatra aho.

Sary
zatovovavy miakatra tendrombohitra

Sary nahazoana lalana avy amin’ny Madelyn sy ny fianakaviany

Fantatr’i Madelyn fa tsy ny pôrnôgrafia ihany no hany tendrombohitra hiakarany. Tsy mitsahatra mitady hery izy handresena ireo fanambin’ny fiainana miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy sy ireo fitaovana tsara. Ity sary ity dia nalaina taloha kelin’ny niakarany ny ranomandrin’ny Alaska, Etazonia.

Ny fahamarinana momba an’ Andriamanitra sy ny Mpamonjy

Natahotra ny hivavaka aho tamin’ny voalohany. Nahita ny Ray any An-danitra ho toy ny Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fahatezerana aho. Saingy nanampy ahy hahatakatra ny toetoetran’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny fandehanana teo amin’ny dingan’ny fibebahana tsy tapaka. Ny fahafantarako fa ny fibebahana in-dray mandeha dia tsy mahavoaro ahy amin’ity ady ity, no nahatonga ahy hijanona hiantehitra tamin’ny fanampiana masina avy amin’Izy ireo. Efa fantatry ny Ray any An-danitra ary takany ny momba ireo fitsapako ; nila nanatona Azy fotsiny aho.

Nianatra aho fa samy mpamindra fo sy mahatakatra izay mahazo antsika ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mitodika any amin’Izy ireo ianao dia hiara-dalana aminao Izy ireo ary hihazona ny tananao amin’ny dingana tsirairay eny an-dalana.

Sary
zatovovavy miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna

Miady amin’ireo paikadin’i Satana

Nanampy ahy ihany koa ny fahatakarana ny toetoetran’Andriamanitra hahatakatra an’i Satana sy ireo fitaovany ary ny fomba fiasan’izy ireny amin’ny fanoherana mivantana an’Andriamanitra Iray amin’ireo fitaovana mahery vaika ampiasain’i Satana ny fahamenarana, izay samihafa amin’ny meloka na “alahelo araka an’Andriamanitra” (2 Korintiana 7:10). Rehefa mahatsapa ho meloka ianao dia tonga saina fa nanao fahadisoana. Fa ny henatra dia mampifandray an’ireo fahatsapana ratsy izay tsapanao amin’ny tenanao rehefa manota amin’ny maha ianao anao ianao, toy ny hoe ianao ireo fahatsapana ireo.

Tian’i Satana ny inoako fa afaka mandresy io olana io amin’ny alalan’ny tenako samirery aho. Io lainga io no zavatra nanakana ahy tsy hiresaka tamin’ny evekako mikasika ny olana nananako momba ny pôrnôgrafia. Nahatsapa aho hoe tsy afaka hihaona aminy raha tsy efa afaka miteny hoe efa olana natrehako tany aloha tany izany. Ampiasain’i Satana ireo fahalemenao manokana hahatonga anao tsy ho mendrika ny hikatsaka ny hery manasitran’ny Mpamonjy.

Nianatra aho fa i Satana dia miasa amintsika rehefa manirery isika, noho izany ny fiarovana tsara indrindra ho antsika dia ny fifandraisana. Indraindray tsotra be ilay mifandray amin’ny hafa sy mandany fotoana manan-danja miaraka amin’ireo namana tsara. Ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy amin’ny tenanao ary amin’ny hafa (indrindra amin’ireo izay mahita anao amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra) no fomba tsara indrindra hahatsiarovana ny tena maha-ianao anao: dia zanakʼ Andriamanitra sarobidy.

Sary
zatovovavy

Tanjona ambony kokoa

Nanomboka nahazo bitsika aho tamin’ny farany mba hanampy ireo zatovovavy hafa izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia. Nahatsapa tanjona ambony kokoa aho. Nanapa-kevitra ny hiraharaha kokoa izay eritreritry ny Ray any An-danitra aho toy izay izay mety ho eritreretin’ireo hafa manodidina ahy, noho izany dia nanomboka niresaka tamin-kalalahana mahakasika ireo zavatra niainako aho.

Vantany vao tsapanao ny fifaliana tsy azo lavina avy amin’ny fibebahana tsy tapaka dia te hizara izany amin’ny hafa ianao! Manohy mizara izany fifaliana izany aho ankehitriny satria manompo amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno.

Sary
Zatovovavy iray miaraka amin’ny sainan’ny Singapour

Voatendry ho misiônera hiasa tamin’ny fotoana feno tany Singapour i Madi, miteny Malais.

Ny hafatro

Tsy irery velively ianao ary misy ny fanantenana.

Ity ady ity dia zavatra azonao resena miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy sy ireo olon-tiana atokisana sy ireo mpitarika ary ireo fitaovana tsara. Mialà ao anaty fitokana-monina ary miaraha amin’olona izay mahita anao araka ny fijerin’Andriamanitra. Anontanio azy ireo ny zavatra hitany aminao!

Na inona na inona adinao, dia tsy lavitry ny tanan’ny Mpamponjy sy ny Sorompanavotany ianao. Tena tia anao ny Ray any An-danitra ary misy vidiny ny fihazonana ny fibebahana.

Sary
zatovovavy

Hamoaka printy