Ho zatovo mahery!
Fomba hahatonga ny Fihaonambe ho manan-danja kokoa aminao
Septambra 2024


Fomba hahatonga ny Fihaonambe ho manan-danja kokoa aminao

Andramo ireto hevitra telo ireto raha te hiaina fihaonambe manan-danja kokoa.

Sary
polipitra

Sary nataon’i Jarom Vogel

Ho avy ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ary natao hisy fiantraikany maharitra mihoatra noho ny fihaonambe amin’ny faran’ny herinandro izany! Torohay kely telo mety hahatonga ny fihaonambe ho manan-danja kokoa aminao.

Sary
zazavavy miaraka amin’ny soratra masina

1. Manomàna tena ara-panahy

Mialohan’ny fihaonambe dia azonao atao ny manomana ny fanahinao amin’ny alalan’ireo zavatra tsotra toy ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka amin-kitsim-po. Azonao atao mihitsy aza ny mifady tambajotran-tserasera sy manao dia manokana mankany amin’ny tempoly. Hanampy anao hahatsapa ny fitarihan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fiomanana ara-panahy.

Sary
zazalahy manana fanontaniana

2. Manàna fanontaniana ao an-tsaina

Inona no ao an-tsainao tato ho ato? Mety manana fanapahan-kevitra lehibe horaisina ianao, na olana ara-pianakaviana na fanontaniana iray momba ny filazantsara. Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra momba izany, ary henoy ny fitarihana mandritra ny Fihaonambe.

Jereo ny zavatra niainan’i James tamin’ny herintaona!

Rehefa tonga ny fihaonambe dia te hahafantatra ny fomba tsara hampiasako ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy eo amin’ny fiainako aho. Nangataka tamim-bavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho hanampy ahy hihaino ny Fanahy sy hahafantatra ny fomba fanaovana safidy tsara ary mba ho voavela heloka amin’ireo safidy ratsy nataoko.

Rehefa niteny ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanaitra ahy izany:

“Rehefa manapa-kevitra ny hiverina sy handeha amin’ny lalan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ianareo, dia hiditra ao amin’ny fiainanareo ny heriny ary hanova izany.“

Fantato fa izany no tian’ny Tompo ho henoko, ary afaka nahatsapa ny Fanahy aho nijoro ho vavolombelona tamiko ny fahamarinan’izany. Rehefa niomana tamin’ny fametrahana fanontaniana tao an-tsaina aho dia afaka nandray ny valin’ny vavaka nataoko manokana.

James M., 16 taona, Dakota Avaratra, Etazonia

Sary
ankizivavy miaraka amin’ny diary

3. Mampihara fitsipika na fanasana iray

Henoy ny fampianarana na fitsipika iray izay manan-danja aminao. Avy eo dia manaova tanjona ny hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. Azonao atao koa ny mihaino amim-pitandremana ireo fanasana mivantana avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly. Manorata dia manaova asa farafahakeliny anankiray amin’ireo fanasana. Hanampy anao hahatsapa ny fahamarinana sy ny herin’ireo fampianarana feno faminaniana ny fanaovana asa amim-pinoana.

Hamoaka printy