Ho zatovo mahery!
“Ahoana no ahafahako ‘mampamirapiratra ny hazavako’ raha toa aho ka tsy dia mifandray amin’olona loatra?”
Septambra 2024


Fanontaniana sy valiny

“Ahoana no ahafahako ‘mampamirapiratra ny hazavako’ raha toa aho ka tsy dia mifandray amin’olona loatra?”

Sary
zatovovavy

“Mijanòna fotsiny amin’ny maha ianao anao. Ohatra, aza afenina hoe mamaky soratra masina ianao, na mivavaka na mandeha any am-piangonana. Amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo sy amin’ny fanehoana ny maha-isika antsika dia mampamirapiratra ny fahazavantsika bebe kokoa noho izay eritreretintsika isika! Tsy mila mizara tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna isanandro akory ianao, avelao hamiratra fotsiny ny fahazavanao amin’ny fetezana ho namana tsara sy mpanara-dia an’i Kristy. Ho tsikaritry ny olona ny fahazavanao mamiratra!”

Angel D., 17 taona, Oregon, Etazonia

Sary
zatovovavy

“Afaka mampamirapiratra ny fahazavako aho amin’ny alalan’ny asa ataoko rehefa miatrika toe-javatra sarotra. Amin’ny fetezana ho maharitra, ho mpampihavana sy mamela heloka an’ireo izay manafintohina antsika, dia afaka mamela ny hazavantsika hamiratra isika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.”

Èmile M.,17 taona, Bahia, Brezila

Sary
zatovovavy

“Ny vavaka amin-kitsipo dia afaka manampy anao hamirapiratra ao amin’ny Fahazavan’i Kristy. Tsaroako ny fiaraha-mientana nanaovana asa fanompoana misiônera izay nandehananay hizara ny filazantsara. Natahotra aho tamin’ny voalohany, saingy nivavaka mangina aho ka nahazo risi-po hizara ny filazantsara.”

Gerardine S., 14 taona, Haut-Katanga, République Démocratique du Congo

Sary
zatovolahy

“Niezaka nanao izay tsara vitako aho mba hizara ny filazantsara tamin’ireo namako izay tsy ato amin’ny Fiangonana, saingy tsy nahomby hatrany aho satria menatra. Rehefa nivavaka aho dia nanampy ahy niteny ny Tompo.”

Gustavo A., 13 taona, Paraná, Brezila

Sary
zatovovavy

“Zavatra tsotra toy ny mitsiky amin’olona sy mora hinamanana rehefa mifandray amin’ny hafa dia afaka ny ho hazavana lehibe.”

Lily W., 17 taona, Utah, Etazonia

Hamoaka printy